Lioka 24:1-53

24  Tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro anefa, dia nankany am-pasana vao maraina be izy ireo, ka nitondra ny zavamaniry mani-pofona efa nomaniny.+  Hitany anefa fa efa voakodia niala teo amin’ny fasana ny vato.+  Dia niditra izy ireo, kanjo tsy nahita ny fatin’i Jesosy Tompo.+  Ary raha mbola very hevitra teo izy ireo, dia indreo nisy lehilahy anankiroa nanao fitafiana nanjelanjelatra, nijoro teo anilany.+  Dia natahotra ireo vehivavy ka nanondrika ny lohany, nefa hoy izy roa lahy: “Fa nahoana no atỳ amin’ny maty ianareo no mitady an’Ilay efa velona?  [[Tsy ato izy, fa efa natsangana tamin’ny maty.]]+ Tsarovy izay nolazainy taminareo tamin’izy mbola tany Galilia.+  Nilaza mantsy izy fa tsy maintsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona, ka hofantsihana amin’ny hazo fijaliana, nefa hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo.”+  Koa tsaroan’ireo ny teniny,+  ary niala teo amin’ilay fasana ireo ka niverina, dia nitantara izany rehetra izany tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny hafa rehetra.+ 10  I Maria Magdalena sy Johana+ ary Maria renin’i Jakoba ireo. Nisy vehivavy+ hafa koa niaraka tamin’ireo, ary nilaza izany tamin’ny apostoly. 11  Noheveriny fa niteniteny foana anefa ireo vehivavy ireo, ka tsy ninoany.+ 12  [[Fa nitsangana kosa i Petera ka nihazakazaka nankany am-pasana ary niondrika hijery, nefa tsy nahita afa-tsy ny fehim-paty. Dia lasa izy, ary very hevitra ny amin’izay nitranga.]] 13  Ary tamin’izay andro izay indrindra, dia nisy mpianatra roa lahy nankany amin’ny tanàna kely atao hoe Emaosy, any amin’ny iraika ambin’ny folo kilaometatra teo ho eo avy tao Jerosalema. 14  Dia niresaka momba izay rehetra+ nitranga izy roa lahy. 15  Ary raha mbola niresaka sy nifanakalo hevitra izy ireo, dia nanatona i Jesosy+ ka niara-dalana taminy. 16  Nahita azy izy roa lahy nefa tsy nahafantatra azy.+ 17  Ary hoy izy tamin’izy ireo: “Inona izany iadianareo hevitra etỳ an-dalana izany?” Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy. 18  Fa hoy ny navalin’ilay atao hoe Kleopasy: “Vahiny mipetraka irery any Jerosalema angaha ianao no tsy mahalala ny zava-nitranga tany tato ho ato?” 19  Dia hoy izy: “Zavatra inona?” Hoy ireo: “Ny momba an’i Jesosy avy any Nazareta,+ izay tonga mpaminany+ mahery tamin’ny zavatra nataony sy ny teniny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona rehetra. 20  Ary nanolotra azy mba homelohina ho faty ny lehiben’ny mpisorona sy ny lohandohany teo amin’ny Jiosy. Koa nofantsihan’ireo tamin’ny hazo fijaliana izy.+ 21  Izahay anefa nanantena fa izy no voatendry hanafaka ny Israely.+ Ary tsy izany ihany fa anio koa no andro fahatelo taorian’ny nitrangan’izany. 22  Dia nahagaga anay koa ny vehivavy+ sasany teo aminay, satria tany am-pasana vao maraina be ry zareo, 23  nefa tsy nahita ny fatiny. Ary tonga ry zareo ka nilaza fa nahita anjely niteny hoe velona izy. 24  Nankany am-pasana koa ny sasany taminay,+ ka nahita araka izay nolazain’ireo vehivavy, nefa tsy nahita azy.” 25  Dia hoy izy tamin’izy roa lahy: “Tsy mieritreritra ianareo, ary votsa fo ka ela vao mino izay rehetra nolazain’ny mpaminany!+ 26  Moa tsy tokony hiaritra+ an’izany rehetra izany ve i Kristy, ka hiditra ao amin’ny voninahiny?”+ 27  Ary nohazavainy tsara tamin’ireo ny hevitry ny teny momba azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra, nanomboka hatrany amin’i Mosesy+ sy ny Mpaminany+ rehetra. 28  Tonga teo akaikin’ilay tanàna kely izy ireo tamin’ny farany, ary mody nanohy ny diany izy. 29  Fa niangavy azy mafy ireo hoe: “Mijanòna atỳ aminay fa efa ho hariva izao, ary efa hifarana ny andro.” Koa niditra izy mba hiaraka amin’ireo tao. 30  Ary raha nandry ilika hiara-misakafo tamin’ireo izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra an’Andriamanitra, ary notapahiny ny mofo ka natolony azy ireo.+ 31  Tamin’izay vao tonga saina izy roa lahy ka fantany hoe iza izy. Dia nanjavona teo anatrehany izy.+ 32  Koa nifampiresaka izy roa lahy hoe: “Tsy toy ny nisy afo niredareda ve tao am-pontsika tamin’izy niresaka tamintsika teny an-dalana, ka nanazava tsara ny Soratra Masina tamintsika?” 33  Ary tamin’izay ora izay indrindra izy roa lahy no nitsangana, ka niverina tany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin’ny folo lahy mbamin’ireo tafangona niaraka taminy, 34  izay nanao hoe: “Tena marina fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa ny Tompo, ary efa niseho tamin’i Simona!”+ 35  Dia izy roa lahy indray no nitantara ny zava-nitranga teny an-dalana sy ny nahalalan’izy ireo azy tamin’izy nanapaka ny mofo.+ 36  Ary raha samy mbola niresaka momba izany teo izy ireo, dia nijoro teo afovoany izy, [[ka hoy izy: “Ho aminareo anie ny fiadanana!”]] 37  Dia nihorohoro sy natahotra izy ireo,+ ka noheveriny fa anjely* no hitany. 38  Koa hoy izy: “Nahoana no taitra ianareo? Ary nahoana no manjary misalasala ianareo ao am-ponareo? 39  Jereo ny tanako sy ny tongotro, fa izaho ihany ity. Ary tsapao+ aho ka jereo fa ny anjely tsy manana nofo sy taolana+ toy izao ahitanareo ahy izao.” 40  [[Sady niteny izany izy no nampiseho tamin’izy ireo ny tanany sy ny tongony.]] 41  Ary raha mbola tsy nino+ izy ireo noho ny hafaliany, sady mbola gaga, dia hoy izy: “Manan-javatra azo hanina ve ianareo ato?”+ 42  Ary notoloran’ireo sombin-trondro+ natono izy. 43  Dia nalainy izany ka nohaniny+ teo imason’izy ireo. 44  Ary hoy izy: “Izao no teny nolazaiko taminareo fony aho mbola teo aminareo,+ fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nosoratana momba ahy ao amin’ny lalàn’i Mosesy sy ao amin’ny Mpaminany+ ary ny Salamo.”+ 45  Dia nosokafany tanteraka ny sain’ireo mba ho azon’izy ireo tsara ny hevitry ny Soratra Masina,+ 46  ka hoy izy: “Araka izany, dia efa voasoratra fa hijaly i Kristy ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo,+ 47  ary amin’ny anarany no hitoriana any amin’ny firenena rehetra+ ny fibebahana hahazoana famelan-keloka.+ Manomboka eto Jerosalema,+ 48  dia ho vavolombelon’izany ianareo.+ 49  Halefako ho aminareo ilay nampanantenain’ny Raiko. Koa mijanòna eto an-tanàna mandra-pahatongan’ny fotoana hampitafiana anareo hery avy any amin’ny avo.”+ 50  Ary nentiny hatrany Betania izy ireo, ary nanandratra ny tanany izy hitso-drano azy ireo.+ 51  Ary nosarahina tamin’izy ireo izy ka nakarina ho any an-danitra,+ raha mbola nitso-drano an’ireo. 52  Dia niankohoka teo anatrehany izy ireo, ary faly be rehefa niverina tany Jerosalema.+ 53  Ary tao amin’ny tempoly tsy tapaka izy ireo, nidera an’Andriamanitra.+

Fanamarihana

A.b.t.: “fanahy.”