Lioka 6:1-49

6  Sabata ny andro, ary sendra namakivaky voly varimbazaha i Jesosy sy ny mpianany. Nioty+ salohim-barimbazaha ny mpianany ka nohanin’izy ireo izany rehefa avy nokosokosehiny tamin’ny tanany.+  Fa hoy ny Fariseo sasany: “Nahoana ianareo no manao izay tsy azo atao+ amin’ny sabata?”+  Namaly azy anefa i Jesosy hoe: “Mbola tsy novakinareo mihitsy ve izay nataon’i Davida+ rehefa noana izy sy izay niaraka taminy?+  Fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy ary nomena azy ny mofo atolotra,+ ka nihinana izany izy ary nomeny koa ireo lehilahy niaraka taminy. Tsy misy mahazo mihinana izany anefa, afa-tsy ny mpisorona ihany.”+  Hoy koa izy tamin’ireo: “Tompon’ny sabata ny Zanak’olona.”+  Tamin’ny sabata+ hafa indray, dia niditra tao amin’ny synagoga izy ary nampianatra. Ary nisy lehilahy maty tanana ankavanana tao.+  Koa nijery+ azy tsara ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo raha hanasitrana amin’ny sabata izy na tsia, mba hahitany fomba hiampangana azy.+  Fantatr’i Jesosy ny eritreritr’izy ireo,+ kanefa hoy ihany izy tamin’ilay lehilahy maty tanana: “Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany etsy.” Dia nitsangana izy ka nijoro.+  Hoy àry i Jesosy tamin’ireo: “Manontany anareo aho: Inona no azo atao amin’ny sabata: Ny manao soa+ sa ny manao ratsy? Ny mamonjy olona sa ny mamono olona?”*+ 10  Nojereny ny olona rehetra nanodidina azy teo, ary hoy izy tamin-dralehilahy: “Atsory ny tananao.” Dia nataony izany ka sitrana ny tanany.+ 11  Tena tezitra mafy anefa ireo, ka niara-nikaon-doha ny amin’izay hanaovany an’i Jesosy.+ 12  Tamin’izany andro izany, dia nankany an-tendrombohitra izy mba hivavaka,+ ary nandritra ny alina manontolo izy no nivavaka tamin’Andriamanitra.+ 13  Niantso ny mpianany izy, rehefa maraina ny andro, ka nifidy roa ambin’ny folo lahy tamin’ireo. Nantsoiny koa hoe “apostoly”+ izy ireo, 14  dia i Simona antsoina koa hoe Petera,+ sy Andrea rahalahiny, Jakoba sy Jaona,+ sy Filipo+ sy Bartolomeo, 15  sy Matio sy Tomasy,+ sy Jakoba zanak’i Alfeo, sy Simona ilay atao hoe “ilay mafana fo”,+ 16  sy Jodasy zanak’i Jakoba ary Jodasy Iskariota, ilay nanjary mpamadika.+ 17  Ary niara-nidina tamin’ireo izy, ka nijanona teo amin’ny lemaka iray. Nisy mpianany maro be teo, ary nisy vahoaka be+ koa, avy any amin’ny faritra rehetra amin’i Jodia sy Jerosalema ary ny tanàna amoron-tsirak’i Tyro sy Sidona. Tonga hihaino azy sy hositraniny tamin’ny aretiny ireo.+ 18  Sitrana hatramin’ireo nampahorin’ny fanahy maloto. 19  Ary nitady hikasika+ azy ny vahoaka rehetra, satria nisy hery+ niala taminy ka nahasitrana azy rehetra. 20  Dia nanopy ny masony tamin’ny mpianany izy, ka nanao hoe:+ “Sambatra ianareo mahantra,+ fa anareo ny fanjakan’Andriamanitra. 21  “Sambatra ianareo noana+ ankehitriny, fa hovokisana ianareo.+ “Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hihomehy ianareo.+ 22  “Sambatra ianareo raha halan’ny olona,+ sy ailikiliny, ary tevatevainy ka laviny+ toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’olona. 23  Miravoravoa amin’izany andro izany, ary aoka ianareo hibitaka, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra. Fa izany zavatra izany koa no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany.+ 24  “Fa lozanareo manankarena+ kosa, satria efa azonareo daholo izay nahafa-po anareo.+ 25  “Lozanareo izay voky ankehitriny, fa mbola ho noana ianareo.+ “Lozanareo izay mihomehy ankehitriny, fa halahelo sy hitomany ianareo.+ 26  “Lozanareo raha milaza soa momba anareo daholo ny rehetra, fa izany koa no nataon’ny razanareo tamin’ny mpaminany sandoka.+ 27  “Fa izao kosa no lazaiko aminareo mihaino ahy: Tiavo foana ny fahavalonareo,+ manaova soa+ mandrakariva amin’izay mankahala anareo, 28  irario soa hatrany izay manozona anareo, ary mivavaha foana ho an’izay manivaiva anareo.+ 29  Raha misy mamely ny takolakao anankiray,+ dia atolory azy koa ny iray. Ary raha misy maka+ ny akanjonao ivelany, dia aza hazonina na ny akanjo anatiny aza. 30  Izay rehetra mangataka aminao dia omeo,+ ary aza takina amin’izay naka azy ny fanananao. 31  “Izay tianareo hataon’ny olona aminareo no ataovy aminy koa.+ 32  “Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, mendrika ny hahazo fiderana ve ianareo amin’izany? Na ny mpanota aza mantsy mba tia an’izay tia azy koa.+ 33  Raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, mendrika ny hahazo fiderana ve ianareo amin’izany? Na ny mpanota aza ange manao toy izany koa e!+ 34  Raha izay antenainareo hamerina ny volanareo ihany no ampisamborinareo tsy misy zanabola,+ mendrika ny hahazo fiderana ve ianareo amin’izany? Na ny samy mpanota aza mifampisambo-bola tsy misy zanany, mba hiverenan’ny volany.+ 35  Mifanohitra amin’izany kosa fa tiavo foana ny fahavalonareo, manaova soa mandrakariva, mampisambora vola+ tsy misy zanany, ary aza manantena valiny. Amin’izay dia ho lehibe ny valisoanareo ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo,+ satria izy tsara fanahy+ amin’izay tsy mankasitraka sy amin’ny ratsy fanahy. 36  Mamindrà fo hatrany, toy ny Rainareo izay mpamindra fo.+ 37  “Aza mitsara intsony dia tsy hotsaraina mihitsy ianareo.+ Ary aza manameloka intsony dia mba tsy homelohina ianareo. Mamelà ny hafa, dia mba havela koa ianareo.+ 38  Aoka ianareo ho zatra manome dia mba homena koa ianareo.+ Fatra tsara sy mifatratra sy nahintsana ary mihoatra no hararaka eo am-pofoanareo. Fa araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo.”+ 39  Ary nilaza fanoharana taminy koa izy hoe: “Ny jamba angaha afaka mitarika jamba? Tsy ho latsaka any an-kady ve izy roa?+ 40  Ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra azy, fa izay rehetra nahazo fampianarana tonga lafatra dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany.+ 41  Koa nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa ny vatan-kazo eo amin’ny masonao tsy mba hitanao?+ 42  Ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe: ‘Aleo hesoriko ny sombin-kazo eo amin’ny masonao, ry rahalahy’, nefa ianao tsy mijery ny vatan-kazo eo amin’ny masonao?+ Ry mpihatsaravelatsihy! Esory aloha ny vatan-kazo eo amin’ny masonao,+ dia ho hitanao tsara ny hanesorana ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao.+ 43  “Tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, ary tsy misy koa hazo ratsy mamoa voa tsara.+ 44  Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo tsirairay.+ Tsy misy olona mioty aviavy amin’ny tsilo, ohatra, na mioty voaloboka amin’ny voaroy.+ 45  Ny olona tsara dia mamoaka zavatra tsara avy amin’ny tahiry tsaran’ny+ fony, fa ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka zavatra ratsy avy amin’ny tahiry ratsy ao aminy. Fa izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.+ 46  “Koa nahoana ianareo no miantso ahy hoe: ‘Tompo ô! Tompo ô!’, nefa tsy manao izay lazaiko?+ 47  Hasehoko anareo hoe mitovy amin’inona moa ny olona manatona ahy sy mihaino ny teniko ka mankatò:+ 48  Tahaka ny olona nanorina trano izy, izay nihady lalina vao nandatsaka fototra teo ambony vatolampy. Ary rehefa tondraka ny rano,+ dia namely mafy an’izany trano izany ny renirano, saingy tsy nampihozongozona azy, satria tsara orina izy.+ 49  Fa izay mandre kosa nefa tsy mankatò,+ dia tahaka ny olona nanorina trano teo ambonin’ny tany nefa tsy nanisy fototra. Namely mafy an’izany trano izany ny renirano, ary tonga dia nirodana izy ka rava+ tanteraka.”+

Fanamarihana

Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.