Lioka 7:1-50

7  Niditra tao Kapernaomy+ i Jesosy, rehefa vitany teo anatrehan’ny olona izany teny rehetra izany.  Ary nisy manamboninahitra nanana mpanompo tena tiany. Narary efa ho faty anefa ilay mpanompo.+  Koa rehefa nandre ny amin’i Jesosy ilay manamboninahitra, dia naniraka anti-panahin’ny Jiosy ho any amin’i Jesosy, mba hangataka azy ho avy ka hanasitrana an’ilay mpanompo.  Niangavy mafy an’i Jesosy àry ireo olona tonga tany aminy, ka nanao hoe: “Mendrika ny hanaovanao izany izy,  satria tia ny firenentsika+ izy sady nanorina synagoga teto.”  Nandeha niaraka tamin’ireo àry i Jesosy. Ary rehefa tsy lavitra an’ilay trano izy, dia nisy naman’ilay manamboninahitra efa nirahiny hilaza taminy hoe: “Aza misahirana mankatỳ amiko, tompoko, fa tsy mendrika ny handray anao ao ambany tafontranoko aho.+  Izany no antony nieritreretako hoe tsy mendrika hankeny aminao aho. Fa mitenena fotsiny, dia ho sitrana ny mpanompoko.  Fa izaho koa mba eo ambany fahefan’olona, sady manana miaramila eo ambany fahefako. Koa raha miteny amin’ny anankiray aho hoe: ‘Mandehana!’, dia lasa izy, ary amin’ny anankiray kosa hoe: ‘Avia!’, dia tonga izy, ary amin’ny mpanompoko hoe: ‘Ataovy ity!’ dia ataony izany.”+  Ary gaga i Jesosy nahare izany teniny izany, dia nitodika tany amin’ny vahoaka nanaraka azy, ka nanao hoe: “Lazaiko aminareo fa mbola tsy nahita finoana lehibe toy izany aho, na teo amin’ny Israely aza.”+ 10  Dia nody tany an-trano ireo iraka ireo ka nahita fa efa salama ilay mpanompo.+ 11  Taoriana kelin’izay, dia nankany amin’ny tanàna atao hoe Naina izy, ary nisy vahoaka be niara-dia taminy, ankoatra ny mpianany. 12  Rehefa nanakaiky ny vavahadin’ny tanàna izy, dia nisy faty+ nentina nivoaka, izay zanaka lahitokan-dreniny,+ ary efa mpitondratena koa ravehivavy. Ary nisy vahoaka be avy ao an-tanàna niaraka tamin-dravehivavy. 13  Raha vao nahita azy ny Tompo, dia nangoraka+ azy ka nanao taminy hoe: “Aza mitomany intsony.”+ 14  Dia nanatona izy ka nikasika an’ilay filanjana faty ary nijanona ny mpilanja. Koa hoy izy: “Ry tovolahy, hoy aho aminao: Miarena!”+ 15  Dia niarina ny maty ary nanomboka niteny, ka natolotr’i Jesosy an-dreniny.+ 16  Ary raiki-tahotra+ ny rehetra ka nanome voninahitra an’Andriamanitra nanao hoe: “Mpaminany+ lehibe no efa mitsangana eto amintsika”, sy hoe: “Mitsinjo ny vahoakany Andriamanitra.”+ 17  Dia niely eran’i Jodia sy ny faritra rehetra manodidina izany vaovao momba azy izany. 18  Nanambara izany rehetra izany tamin’i Jaona ny mpianany.+ 19  Koa niantso anankiroa tamin’ny mpianany i Jaona ka naniraka azy tany amin’ny Tompo mba hilaza hoe: “Ianao ve Ilay ho avy, sa hafa no tokony handrasanay?”+ 20  Rehefa tonga tany aminy ireo, dia nanao hoe: “Nirahin’i Jaona Mpanao Batisa izahay hanontany anao hoe: ‘Ianao ve Ilay ho avy, sa hafa no tokony handrasanay?’” 21  Tamin’izay ora izay i Jesosy dia nanasitrana olona maro tsy salama+ sy azon’aretina nampijaly ary nisy fanahy ratsy. Nampahiratra jamba maro koa izy. 22  Koa namaly azy roa lahy izy hoe: “Mandehana,+ lazao amin’i Jaona izao hitanareo sy renareo izao: Mahiratra ny jamba,+ mandeha ny malemy, voadio ny boka, mandre ny marenina, atsangana ny maty, ary itoriana ny vaovao tsara ny mahantra.+ 23  Ary sambatra izay tsy tafintohina noho ny amiko.”+ 24  Nony lasa ireo irak’i Jaona, dia izao no nolazainy tamin’ny vahoaka, momba an’i Jaona: “Hijery inona no nivoahanareo nankany an-tany efitra? Bararata ahetsiketsiky ny rivotra ve?+ 25  Sa hijery inona no nivoahanareo? Olona manao akanjo vita tamin’ny ravin-damba malefaka ve?+ Any an-tranon’ny mpanjaka no misy manao akanjo mirenty sy miaina ao anatin’ny renty!+ 26  Hijery inona tokoa anefa no nivoahanareo? Mpaminany+ ve? Eny, lazaiko aminareo fa mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.+ 27  Fa izao no voasoratra momba azy: ‘Hirahiko mialoha anao ny irako,+ izay hanomana ny lalanao eo alohanao.’+ 28  Lazaiko aminareo fa amin’izay natera-behivavy, dia tsy misy lehibe noho+ i Jaona. Izay kely indrindra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra anefa dia lehibe noho izy.”+ 29  Rehefa nandre izany ny olona rehetra sy ny mpamory hetra, dia nanambara fa marina+ Andriamanitra. Natao batisa tamin’ny batisan’i Jaona mantsy izy ireo.+ 30  Fa ny Fariseo sy ireo nahay Lalàna kosa tsy niraharaha ny sitrapon’Andriamanitra+ momba azy ireo, ka tsy nataon’i Jaona batisa. 31  “Hohariko amin’iza ny olona amin’ity taranaka ity? Ary toa an’iza izy?+ 32  Toy ny ankizy mipetraka eny an-tsena, izay mifampiantsoantso hoe: ‘Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo. Efa nidradradradra izahay, nefa tsy nitomany ianareo.’+ 33  Toy izany koa fa tonga i Jaona Mpanao Batisa, tsy nihinana mofo na nisotro divay, nefa hoy ianareo: ‘Misy demonia izy.’+ 34  Tonga kosa ny Zanak’olona, nihinana sy nisotro, nefa hoy ianareo: ‘Olona tendan-kanina sy mpiboboka divay izy, sady naman’ny mpamory hetra sy ny mpanota!’+ 35  Ny fahendren’ny+ olona anefa dia hamarinin’ny zanany* rehetra.”+ 36  Ary nanasa azy foana hiara-misakafo taminy ny Fariseo iray. Koa niditra tao an-tranon’ilay+ Fariseo izy ary nandry ilika hisakafo. 37  Ary nisy vehivavy anankiray nalaza ho mpanota tao amin’ilay tanàna. Fantatr’io vehivavy io fa nandry ilika nisakafo tao an-tranon’ilay Fariseo i Jesosy, ka nitondra tavoahangy vatosanga+ nisy menaka manitra izy. 38  Nankeo ivohon’i Jesosy teo an-tongony izy, ary nitomany ka kotsan’ny ranomasony ny tongotr’i Jesosy, izay nohamaininy tamin’ny volon-dohany. Nanorokoroka sy nanisy menaka manitra ny tongotr’i Jesosy izy. 39  Rehefa nahita izany ilay Fariseo nanasa azy, dia niteny anakampo hoe: “Raha mpaminany+ ity, dia ho nahalala hoe iza io mikasika azy io, ary karazam-behivavy toy inona. Tokony ho fantany fa mpanota io.”+ 40  Izao anefa no navalin’i Jesosy azy: “Ry Simona, manan-kolazaina aminao aho.” Dia hoy izy: “Lazao àry, Mpampianatra ô!” 41  “Nisy roa lahy nananan’olona trosa. Ny an’ny anankiray denaria+ dimanjato fa ny an’ny anankiray kosa dimampolo. 42  Rehefa tsy nanan-kaloa ireo, dia namela+ tanteraka ny trosan’izy roa lahy izy. Koa iza amin’izy roa lahy àry no ho tia azy bebe kokoa?” 43  Namaly i Simona hoe: “Ataoko fa ilay namoizany bebe kokoa.” Dia hoy izy: “Marina ny anao.” 44  Dia nitodika tany amin’ilay vehivavy izy, ka nanao tamin’i Simona hoe: “Hitanao io vehivavy io? Niditra tato an-tranonao aho, nefa tsy nanome rano+ ahy hanasana ny tongotro ianao. Fa io vehivavy io kosa nahakotsa ny tongotro tamin’ny ranomasony, ary nanamaina izany tamin’ny volon-dohany. 45  Ianao tsy nanoroka+ ahy, nefa io vehivavy io tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatramin’ny nidirako tato. 46  Ianao tsy nanisy menaka ny lohako,+ nefa io vehivavy io nanisy menaka manitra ny tongotro. 47  Noho izany, dia lazaiko aminao fa voavela ny helony,+ na dia betsaka aza, satria be fitiavana izy. Fa izay voavela tamin’ny kely, dia kely fitiavana.” 48  Koa hoy izy tamin-dravehivavy: “Voavela ny helokao.”+ 49  Ary niteny anakampo ireo nandry ilika niara-nisakafo taminy hoe: “Fa iza àry io no mamela heloka?”+ 50  Hoy anefa izy tamin-dravehivavy: “Ny finoanao no efa namonjy anao.+ Mirary soa ho anao aho.”+

Fanamarihana

Na: “ny vokany.”