Lioka 9:1-62

9  Ary nantsoiny ny roa ambin’ny folo lahy ka nomeny hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hanasitrana aretina.+  Koa nirahiny hitory ny fanjakan’Andriamanitra sy hanasitrana izy ireo,  ka hoy izy taminy: “Aza mitondra na inona na inona any amin’izay alehanareo, na tehina na kitapom-batsy na mofo na vola, ary aza mitondra akanjo anankiroa.+  Fa na aiza na aiza trano hidiranareo, dia mitoera ao ary avy ao indray miainga.+  Ary izay tanàna tsy mandray anareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo rehefa miala ao ianareo,+ mba ho vavolombelona hiampanga azy.”+  Dia lasa izy ireo namakivaky an’ilay faritany ka nandeha isan-tanàna, nitory ny vaovao tsara ary nanasitrana teny rehetra teny.+  Ren’i Heroda lehibem-paritra ny zava-drehetra nitranga, ka tena very hevitra izy, satria nisy nilaza fa efa nitsangana tamin’ny maty i Jaona.+  Ny sasany anefa nilaza hoe i Elia no niseho, fa ny hafa kosa niteny hoe ny anankiray tamin’ny mpaminany fahiny no nitsangana tamin’ny maty.  Koa hoy i Heroda: “Raha i Jaona, dia efa notapahiko ny lohany.+ Koa iza indray àry izany reko manao izany zavatra izany?” Koa nitady+ izay hahitana an’i Jesosy izy. 10  Rehefa niverina ny apostoly, dia nitantara tamin’i Jesosy izay rehetra nataon’izy ireo.+ Ary nentiny nitokana+ nankany amin’ny tanàna atao hoe Betsaida izy ireo. 11  Fantatry ny vahoaka anefa izany, ka nanaraka azy izy ireo, ary noraisin’i Jesosy tsara. Koa niresaka taminy momba ny fanjakan’Andriamanitra+ izy, sady nanasitrana an’ireo nila fanasitranana.+ 12  Efa ho hariva ny andro tamin’izay, ary nanatona azy ny roa ambin’ny folo lahy, ka nanao hoe: “Ravao ny vahoaka mba handehanany eny amin’ny manodidina eny, hitady toerana hatoriana sy sakafo eny an-tanàna sy eny ambanivohitra, fa mitokana ity misy antsika ity.”+ 13  Hoy anefa izy tamin’izy ireo: “Omeo zavatra hohanina izy.”+ Dia hoy ireo: “Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy trondro roa izahay,+ raha tsy hoe handeha hividy hanina ho an’ireto olona rehetra ireto angaha izahay.”+ 14  Fa lehilahy tokony ho dimy arivo+ no teo. Hoy anefa izy tamin’ny mpianany: “Asaivo mandry ilika toy ny rehefa misakafo izy, ary ataovy mitsitokotoko dimampolo eo ho eo avy.”+ 15  Dia nataon’ny mpianany izany, ka nasainy nandry ilika ny olona rehetra. 16  Ary nalain’i Jesosy ny mofo dimy sy ny trondro roa, dia niandrandra ny lanitra izy sady nisaotra, ary notapahiny izany ka natolony ny mpianatra mba haroso teo anoloan’ny vahoaka.+ 17  Koa nihinana ny rehetra ka voky. Ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno harona roa ambin’ny folo.+ 18  Nivavaka irery izy taoriana kelin’izay, ary tamin’izay no tonga teo aminy daholo ny mpianatra, ka nanontaniany hoe: “Lazain’ny vahoaka ho iza moa aho?”+ 19  Hoy ny navalin’ireo: “Jaona Mpanao Batisa. Fa misy milaza hoe Elia, ary misy koa manao hoe ny anankiray amin’ny mpaminany fahiny no efa nitsangana tamin’ny maty.”+ 20  Ary hoy izy taminy: “Fa ianareo kosa milaza hoe iza aho?” Dia namaly i Petera+ hoe: “Kristin’Andriamanitra.”+ 21  Koa noteneniny mafy izy ireo mba tsy hilazalaza izany tamin’olona.+ 22  Ary hoy koa izy: “Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona sady holavin’ny anti-panahy sy ny lehiben’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, ka hovonoina ho faty+ ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.”+ 23  Dia hoy ihany izy tamin’ny rehetra: “Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handa ny tenany+ ka hitondra ny hazo fijaliany isan’andro ary hanaraka ahy mandrakariva.+ 24  Fa izay te hamonjy ny ainy dia hamoy azy, ary izay mamoy ny ainy noho ny amiko kosa dia hamonjy azy.+ 25  Inona tokoa moa no soa azon’ny olona raha mahazo an’izao tontolo izao izy nefa afoiny ny ainy, na hamoy ny zava-drehetra izy?+ 26  Fa na iza na iza menatra noho ny amiko sy ny teniko, dia ho menatra noho ny aminy koa ny Zanak’olona rehefa tonga amin’ny voninahiny sy ny voninahitry ny Ray ary ny an’ny anjely masina.+ 27  Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa misy amin’izay mijoro eto tsy handia fahafatesana mihitsy, mandra-pahitany ny fanjakan’Andriamanitra.”+ 28  Valo andro teo ho eo taorian’ny nilazany ireo teny ireo, dia nentiny niaraka taminy i Petera sy Jaona ary Jakoba, ka niakatra tany an-tendrombohitra izy ireo mba hivavaka.+ 29  Dia niova ny fahitana+ ny tarehin’i Jesosy raha mbola nivavaka izy, ary nanjary fotsy nanjelanjelatra ny akanjony.+ 30  Ary indreo nisy roa lahy niresaka taminy, dia i Mosesy sy Elia,+ 31  izay niseho tamim-boninahitra, sady niresaka momba ny hahalasanan’i Jesosy, izay efa voatendry hitranga any Jerosalema.+ 32  Ary navesatry ny torimaso ny mason’i Petera sy ireo niaraka taminy. Rehefa taitra tsara anefa izy ireo, dia hitany ny voninahitr’i Jesosy+ ary hitany koa ireo roa lahy niara-nijoro taminy. 33  Ary raha iny nisaraka tamin’i Jesosy iny izy roa lahy, dia hoy i Petera tamin’i Jesosy: “Mpampianatra ô, tsara ho antsika eto, koa avelao izahay hanangana tranolay telo, ka ny iray ho anao, ny iray ho an’i Mosesy, ary ny iray ho an’i Elia.” Tsy fantany anefa izay nolazainy.+ 34  Fa raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona nanaloka azy ireo, ary natahotra izy ireo rehefa voasaron’ilay rahona.+ 35  Dia nisy feo+ avy tao amin’ilay rahona nanao hoe: “Io no Zanako, ilay nofidiko.+ Henoy izy.”+ 36  I Jesosy irery sisa no hita teo,+ tamin’ny fotoana nandrenesana ilay feo. Ary nangina ireo ka tsy nolazalazainy tamin’ny olona tamin’izany andro izany ny zavatra hitany.+ 37  Nisy vahoaka be nitsena an’i Jesosy+ rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo, ny ampitson’iny. 38  Ary niantsoantso avy tao amin’ny vahoaka ny lehilahy anankiray hoe: “Mpampianatra ô, miangavy anao aho, mba jereo re ny zanako e! Fa zanako lahitokana+ izy+ 39  nefa azon’ny fanahy maloto+ ka miantsoantso tampoka, ary ataony mifanintontsintona sy mamoaka roatram-bava. Ary efa mongomongo mihitsy ny zanako vao ialany, nefa mahalana izy vao miala aminy. 40  Efa niangavy ny mpianatrao aho hamoaka azy, saingy tsy vitany.”+ 41  Dia hoy i Jesosy: “Ry taranaka tsy manam-pinoana sy ratsy fanahy,+ mandra-pahoviana no tsy maintsy mbola hitoerako eto aminareo sy handeferako aminareo? Ento atỳ ny zanakao.”+ 42  Rehefa nihananakaiky ilay zazalahy dia natontan’ilay demonia tamin’ny tany, sady nataony nifanintontsintona mafy. Notenenin’i Jesosy mafy anefa ilay fanahy maloto, ka sitrana ilay zazalahy ary natolotr’i Jesosy an-drainy.+ 43  Dia nitolagaga ny rehetra noho ny hery lehiben’Andriamanitra.+ Raha mbola gaga ny rehetra noho ny zava-drehetra nataon’i Jesosy, dia hoy izy tamin’ny mpianany: 44  “Tadidio tsara izao teny izao, fa efa voatendry hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’olona.”+ 45  Mbola tsy azon’ireo ihany anefa ny hevitr’izany teny izany, sady nafenina azy koa mba tsy ho takany. Natahotra ny hanontany azy momba izany anefa izy ireo.+ 46  Ary nanjary nieritreritra ny mpianatra hoe iza no ho lehibe indrindra tamin’izy rehetra.+ 47  Fa fantatr’i Jesosy ny eritreritry ny fony, ka nalainy ny zaza anankiray, ary nataony teo anilany,+ 48  dia hoy izy tamin’ireo: “Izay mandray ity zaza ity amin’ny anarako dia mandray ahy, ary izay mandray ahy dia mandray an’ilay naniraka ahy.+ Izay mitondra tena toy ny kely indrindra+ aminareo rehetra dia izy no lehibe.”+ 49  Dia hoy i Jaona: “Mpampianatra ô, nisy lehilahy hitanay namoaka demonia+ tamin’ny anaranao, ka nandramanay nosakanana+ izy satria tsy anisantsika.”+ 50  Hoy anefa i Jesosy: “Aza mitady hisakana azy, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.”+ 51  Ny ho any Jerosalema ihany no masaka tao an-tsain’i Jesosy nony tena tonga ny fotoana hakana azy hiakatra.+ 52  Koa nandefa iraka nialoha azy izy. Ary lasa ireo ka niditra tao amin’ny tanànan’ny Samaritanina,+ mba hanomana ny fahatongavany. 53  Tsy nandray an’i Jesosy anefa ireo, satria ny ho any Jerosalema ihany no masaka tao an-tsain’i Jesosy.+ 54  Hitan’i Jakoba sy Jaona+ mpianatra izany, ka hoy ireo: “Tompo ô, tianao ve ny hitenenanay mba hisy afo+ hilatsaka avy any an-danitra handringana an’ireo?” 55  Nitodika anefa izy ka noteneniny mafy izy roa lahy. 56  Dia lasa nankany amin’ny tanàna kely hafa izy sy ny mpianany. 57  Rehefa nandeha teny an-dalana izy ireo, dia nisy niteny taminy hoe: “Hanaraka anao aho na aiza na aiza alehanao.”+ 58  Fa hoy i Jesosy taminy: “Ny amboadia manan-davaka hisitrihana, ary ny voro-manidina manam-pialofana, fa ny Zanak’olona kosa tsy mba manana izay hametrahany ny lohany.”+ 59  Ary hoy izy tamin’ny anankiray hafa: “Andao hanara-dia ahy.” Fa hoy ilay lehilahy: “Avelao aho aloha handeha handevina ny raiko.”+ 60  Hoy anefa izy taminy: “Avelao ny maty+ handevina ny maty eo aminy, fa ianao kosa mandehana ka torio hatraiza hatraiza ny fanjakan’Andriamanitra.”+ 61  Ary mbola nisy hafa koa nanao hoe: “Hanaraka anao ihany aho, Tompo ô, fa avelao aloha aho hanao veloma+ ny ao an-tranoko.” 62  Dia hoy i Jesosy: “Tsy misy olona mitana angadinomby+ ary mitodika any aoriana,+ ka mendrika ny fanjakan’Andriamanitra.”

Fanamarihana