Malakia 1:1-14

1  Fanambarana: Ny tenin’i Jehovah+ momba ny Israely, tamin’ny alalan’i Malakia:  “Tia anareo aho”,+ hoy i Jehovah. Hoy anefa ianareo: “Ahoana no ilazanao fa tia anay ianao?”+ Dia hoy i Jehovah: “Tsy rahalahin’i Jakoba ve i Esao?+ Tiako anefa i Jakoba,+  fa i Esao+ kosa halako, ka nataoko lao ny tendrombohiny+ ary ny lovany nataoko fonenan’ny alikadia any an-tany efitra.”+  “Ary satria i Edoma manao hoe: ‘Notorotoroina izahay, nefa hiverina hanorina ireo tanàna rava’, dia hoy i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Izy ireo hanorina, fa izaho kosa handrava.+ Ary ny olona dia hiantso azy ireo hoe “tanin’ny faharatsiana” sy “vahoaka nomelohin’i Jehovah+ mandritra ny fotoana tsy voafetra.”  Ary hahita maso izany ianareo, ka hilaza hoe: “Hankalazaina anie i Jehovah eran’ny faritry ny Israely.”’”+  “‘Ny zanaka dia manaja ny rainy,+ ary ny mpanompo manaja ny tompony.+ Koa raha ray aho,+ aiza izay fanajana ahy?+ Ary raha Tompo aho, aiza izay fahatahorana+ ahy?’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ry mpisorona manamavo ny anarako!+ “‘Ary hoy ianareo: “Tamin’inona no nanamavoanay ny anaranao?”’  “‘Noho ianareo manolotra mofo+ voaloto eo amin’ny alitarako.’ “‘Dia hoy ianareo: “Tamin’inona no nandotoanay anao?”’ “‘Noho ianareo milaza hoe: “Tsisy ilana azy+ ny latabatr’i+ Jehovah.”  Rehefa manolotra biby jamba ho sorona ianareo, dia manao hoe: “Tsy misy maha ratsy an’izany!” Ary rehefa manolotra biby kilemaina na marary ianareo, dia manao hoe: “Tsy misy maha ratsy an’izany!”’”+ “Mba atero any amin’ny governoranao ange izany e! Ho faly aminao ve izy, na handray tsara anao?”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.  “Aoka re ianareo hampitony+ an’Andriamanitra, mba hiantrany antsika e!+ Ny nataonareo ihany no nahatonga izao. Koa handray tsara anareo ve izy?”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. 10  “Iza aminareo moa no hanidy ny varavarana,+ na handrehitra ny afon’ny alitarako, nefa hanao izany maimaim-poana?+ Tsy mankasitraka anareo velively aho”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, “ary tsy mahafaly ahy mihitsy ny fanatitra ataonareo fanomezana.”+ 11  “Ho be voninahitra ny anarako eo amin’ireo firenena, hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany.+ Ary any amin’ny toerana rehetra no hanolorana setroka ho sorona+ sy hanaovana fanatitra ho an’ny anarako, dia fanomezana madio,+ satria ho be voninahitra eo amin’ireo firenena ny anarako”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. 12  “Fa ianareo kosa manazimbazimba+ ahy satria milaza hoe: ‘Voaloto ny latabatr’i Jehovah, sady tsisy ilana azy ny fanatitra, dia ny sakafo eo amboniny.’+ 13  Milaza koa ianareo fa ‘mandreraka izany!’,+ ka manamavo izany ianareo”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. “Biby nalaina an-keriny sy kilemaina ary marary+ no entinareo hatolotra ho fanatitra. Koa hahafaly ahy ve izay entinareo?”,+ hoy i Jehovah. 14  “Voaozona izay fetsifetsy ka manao sorona biby misy tsininy ho an’i Jehovah rehefa mivoady, nefa misy biby tsy manan-kilema ihany ao amin’ny andiam-bibiny.+ Fa Mpanjaka lehibe+ aho, ary ny anarako dia mendrika hatahoran’ireo firenena”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.

Fanamarihana