Malakia 2:1-17

2  “Ho anareo izao didy izao, ry mpisorona.+  Raha tsy mihaino anefa ianareo,+ ka tsy mandatsaka am-po+ izany mba hanomezam-boninahitra ny anarako”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, “dia hozoniko ianareo,+ ary hovako ho ozona ny tsodrano omenareo.+ Eny, efa novako ho ozona mihitsy aza izany, satria tsy nandatsaka am-po ilay didy ianareo.”  “Hopotehiko ny voa nafafinareo.+ Hafafiko eny amin’ny tavanareo ny taim-biby avy amin’ny fetinareo, ary hatsipy eny amin’ireny ianareo.  Ary ho fantatrareo fa izaho no nanome anareo izao didy izao,+ mba haharetan’ny fifanekena+ nataoko tamin’i Levy”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.  “Ny fifanekena nataoko taminy no nanomezako azy fiainana sy fiadanana,+ mba hatahorany ahy. Ary natahotra ahy+ foana izy, eny, nihorohoro izy noho ny anarako.+  Teo am-bavany ny lalàn’ny fahamarinana,+ ary tsy mba nisy tsy fahamarinana teo amin’ny molony. Niara-nandeha tamiko tamim-piadanana sy tamim-pahitsiana izy,+ ary maro no nampiany hiala tamin’ny fahadisoana.+  Ny molotry ny mpisorona mantsy no tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna no tokony hotadiavin’ny vahoaka avy amin’ny vavany,+ satria izy no mpitondra hafatr’i Jehovah Tompon’ny tafika.+  “Ianareo kosa anefa niala tamin’ny lala-mahitsy,+ sady nahatonga ny maro ho tafintohina tamin’ny lalàna.+ Nivadika tamin’ny fifanekena natao tamin’i Levy koa ianareo”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.  “Dia hataoko izay hahatonga anareo hotsiratsiraina sy hambanin’ny olona rehetra,+ satria tsy nitandrina ny lalako ianareo, fa niangatra rehefa nampihatra ny lalàna.”+ 10  “Tsy tokana ihany ve ny raintsika rehetra?+ Tsy Andriamanitra iray ihany ve no namorona antsika?+ Koa nahoana isika no mifamitaka,+ ka manazimbazimba ny fifanekena nataon’ny razantsika?+ 11  Efa nivadika i Joda, ary zava-maharikoriko no atao eto amin’ny Israely sy Jerosalema.+ Nozimbazimbain’i Joda mantsy ny fahamasinan’i Jehovah,+ dia ilay fahamasinana tian’Andriamanitra. Nanambady zanakavavin’ny andriamani-kafa koa i Joda.+ 12  Haringan’i Jehovah tsy ho ao amin’ny tranolain’i Jakoba izay manao izany,+ dia izay mifoha sy izay mamaly, ary izay manolotra fanatitra atao fanomezana+ ho an’i Jehovah Tompon’ny tafika.” 13  “Ary ilay zavatra faharoa ataonareo, dia mahatonga ny alitaran’i Jehovah ho vonton-dranomaso, noho ny fitomaniana sy ny fisentoana. Koa tsy ankasitrahany intsony ny fanatitra ataonareo fanomezana, sady tsy mahafaly azy izay atolotrareo.+ 14  Ary hoy ianareo: ‘Fa nahoana?’+ Satria i Jehovah no mijoro ho vavolombelona miampanga anao eo anatrehan’ny vadin’ny fahatanoranao,+ izay nivadihanao na dia namanao sy vady vita fifanekena+ taminao aza. 15  Nisy iray tsy mba nanao toy izany anefa, satria mbola nisy fanahy masin’Andriamanitra ihany tao aminy. Fa inona no notadiavin’io iray io? Tsy inona fa ny taranak’Andriamanitra.+ Koa tandremo ny toe-tsainareo,+ ary aza misy mivadika amin’ny vadin’ny fahatanoranareo.+ 16  Fa halako ny fisaraham-panambadiana”,+ hoy i Jehovah Andriamanitry ny Israely. “Halako koa ny olona mandoto ny akanjony amin’ny herisetra”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. “Koa tandremo ny toe-tsainareo, ary aza mivadika.+ 17  “Mandreraka an’i Jehovah ianareo amin’ny teninareo,+ nefa hoy ianareo: ‘Nahoana izahay no lazaina fa mandreraka azy?’ Noho ianareo milaza hoe: ‘Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’i Jehovah, sady mahafinaritra azy’,+ na hoe: ‘Aiza ilay Andriamanitra tia rariny?’”+

Fanamarihana