Malakia 3:1-18

3  “Hirahiko ny irako,+ ary hikarakara ny lalana halehako izy.+ Ary ho avy tampoka ao amin’ny tempoliny+ ilay tena Tompo+ tadiavinareo sy ilay iraky+ ny fifanekena+ izay sitrakareo.+ Ho avy tokoa izy”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.+  “Iza anefa no hahatanty ny andro iaviany,+ ary iza no hahajoro rehefa miseho izy?+ Fa ho toy ny afon’ny mpandrendrika metaly+ izy sady ho toy ny savonin’ny+ mpanasa lamba.+  Ary hipetraka toy ny mpandrendrika sy mpanadio volafotsy izy,+ dia hodioviny ny taranak’i Levy.+ Hodioviny toy ny volamena+ sy volafotsy ireo, ka ho vahoakan’i Jehovah manolotra fanatitra atao fanomezana+ izay atolotra amim-pahamarinana.  Dia hankasitrahan’i Jehovah ny fanatitra hataon’ny Joda sy Jerosalema fanomezana,+ toy ny tamin’ny andro fahiny sy tamin’ireo taona fahagola.+  “Ary hanatona anareo aho mba hitsara anareo,+ ka ho mailaka hijoro ho vavolombelona+ hiampanga ny mpilalao ody,+ sy ny mpanitsakitsa-bady,+ ny mpianiana lainga,+ ny mpanambaka mpiasa rehefa mandoa karama,+ ny mpanambaka ny mpitondratena+ sy ny kamboty ray,+ mbamin’ireo tsy miraharaha ny zon’ny vahiny monina eo aminareo.+ Tsy matahotra ahy ireo”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.  “Fa izaho no Jehovah ary tsy miova aho.+ Taranak’i Jakoba ianareo, ka tsy ho fongotra.+  Efa hatramin’ny andron’ny razanareo ianareo no niala tamin’ny fitsipiko sy tsy nitandrina izany.+ Miverena amiko, dia hiverina aminareo aho”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. Ary hoy ianareo: “Ahoana no hiverenanay aminao?”  “Hisy olona ho sahy handroba an’Andriamanitra ve? Ianareo anefa mandroba ahy.” Dia hoy ianareo: “Tamin’inona izahay no nandroba anao?” “Tamin’ny ampahafolon-karena sy ny fanomezana.  Manozona+ sy mandroba ahy ianareo, eny, ilay firenena manontolo mihitsy. 10  Ento ao an-trano fitehirizana àry ny ampahafolon-karena+ rehetra, mba hisy sakafo ao an-tranoko.+ Ary tsapao toetra amin’izany ange aho e”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, “raha tsy hovohako ho anareo ny vavahadin-dranon’ny lanitra,+ ary handrotsaka fitahiana be dia be ho anareo aho, mihoatra noho izay ilainareo aza.”+ 11  “Ary hoteneniko mafy ny bibikely+ mba tsy hanimba ny vokatry ny taninareo. Dia tsy hisy voaloboka tsy hamoa eny amin’ny sahanareo”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. 12  “Holazain’ny firenena rehetra hoe sambatra ianareo,+ satria ho lasa tany mahafinaritra”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. 13  “Henjana ny teninareo momba ahy”,+ hoy i Jehovah. Nefa hoy ianareo: “Inona no resaka nifanaovanay, ka namely anao?”+ 14  “Nilaza ianareo hoe: ‘Tsy misy dikany ny hanompoana an’Andriamanitra.+ Ary inona moa no mba soa noraisintsika tamin’isika nanao adidy taminy, sy nandeha tamin’alahelo noho ny amin’i Jehovah Tompon’ny tafika?+ 15  Ny olona sahisahy ratsy indray izao no lazaintsika fa sambatra.+ Natao koa izay hahombiazan’ny mpanao ratsy.+ Mitsapa toetra an’Andriamanitra ireny, nefa afa-maina.’”+ 16  Tamin’izany andro izany, dia nifampiresaka tamin’ny namany avy ireo matahotra an’i Jehovah.+ Ary nihaino tsara i Jehovah ka nandre izany.+ Dia nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany,+ ho an’ireo matahotra an’i Jehovah sy misaintsaina ny anarany.+ 17  “Ary ho ahy izy ireo”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, “amin’ny andro hanaovako azy ireo ho fananako manokana.+ Ary hangoraka azy ireo aho, toy ny olona mangoraka ny zanany manompo azy.+ 18  Dia ho hitanareo indray ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy,+ ary ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy.”+

Fanamarihana