Malakia 4:1-6

  • Ho avy alohan’ny andron’i Jehovah i Elia (1-6)

    • ‘Hiposaka ny masoandron’ny fahamarinana’ (2)

4  “Ho avy ilay andro mandoro hoatran’ny lafaoro.+ Amin’izay dia ho lasa hoatran’ny vodivary daholo izay sahisahy ratsy sy mpanao ratsy. Handevona azy ireo ilay andro ho avy”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, “ka tsy hisy hiangana na ny fakany na ny sampany. 2  Hiposaka aminareo manome voninahitra* ny anarako anefa ny masoandron’ny fahamarinana. Ary hitondra fanasitranana ny taratr’ilay* masoandro. Dia hitsambikimbikina hoatran’ny zanak’omby mifahy ianareo.” 3  “Hanitsakitsaka ny ratsy fanahy ianareo, satria ho toy ny vovoka eo ambany faladianareo ireny, amin’ny andro hanatanterahako an’izany”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. 4  “Tsarovy ny Lalàn’i Mosesy mpanompoko, dia ny fitsipika sy didim-pitsarana nomeko tany Horeba, izay nasaiko nankatoavin’ny Israely rehetra.+ 5  “Hirahiko ho any aminareo i Elia mpaminany,+ alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady mampahatahotra.+ 6  Ary hataony hoatran’ny fon’ny zanaka ny fon’ny ray,+ ary hataony hoatran’ny fon’ny ray ny fon’ny zanaka.* Amin’izay aho dia tsy ho avy hamely ny tany ka tsy handravarava azy.”*

Fanamarihana

Abt: “matahotra.”
Abt: “elatr’ilay.”
Na: “hampiverina ny fon’ny ray amin’ny zanaka izy, ary ny fon’ny zanaka amin’ny ray.”
Na: “tsy hanokana azy mba haringana.”