Marka 1:1-45

1  Ny fiandohan’ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy:  Araka izay nosoratan’i Isaia mpaminany, manao hoe: “Hirahiko hialoha anao ny irako, hanomana ny lalanao.+  Injay misy miantso mafy any an-tany efitra hoe: ‘Omano ny lalana halehan’i Jehovah, ataovy mahitsy ny lalan-kalehany’”,+  dia niseho tany an-tany efitra i Jaona Mpanao Batisa, ka nitory ny batisa, izay mariky ny fibebahana hahazoana famelan-keloka.+  Koa nivoaka nankany aminy ny tany amin’ny faritr’i Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin’ny Reniranon’i Jordana, ary niaiky ampahibemaso ny fahotany izy ireny.+  Volon-drameva ny fitafian’i Jaona, fehikibo hoditra no teo amin’ny andilany,+ ary valala+ sy tantelidia+ no fihinany.  Ary nitory izy hoe: “Misy mahery noho izaho ho avy ao aoriako. Tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany akory aza aho.+  Izaho nanao batisa anareo tamin’ny rano, fa izy kosa hanao batisa anareo amin’ny fanahy* masina.”+  Tamin’izany andro izany dia tonga avy any Nazareta any Galilia i Jesosy ka nataon’i Jaona batisa tao amin’ny Reniranon’i Jordana.+ 10  Raha vao niakatra avy tao anaty rano i Jesosy, dia hitany ny lanitra nisokatra sy ny fanahy masina nidina toy ny voromailala nankeo amboniny.+ 11  Ary nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: “Ianao no Zanako malalako, ianao no sitrako.”+ 12  Ary nentanin’ny fanahy masina avy hatrany mba ho any an-tany efitra izy.+ 13  Koa nitoetra efapolo andro+ tany izy, ary nalain’i Satana fanahy.+ Nisy bibidia tany, nefa nikarakara azy ny anjely.+ 14  Rehefa voasambotra i Jaona, dia nankany Galilia i Jesosy+ ka nitory ny vaovao tsaran’Andriamanitra,+ 15  nanao hoe: “Efa tonga ny fotoana voatondro,+ ary efa manakaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Mibebaha+ ianareo, ka minoa ny vaovao tsara.” 16  Rehefa nandeha teny amoron’ny ranomasin’i Galilia izy, dia nahita an’i Simona+ sy Andrea rahalahiny nanipy ny haratony tao an-dranomasina, fa mpanarato ireo.+ 17  Koa hoy i Jesosy taminy: “Andao hanaraka ahy, fa hataoko izay hahatonga anareo ho mpanarato olona.”+ 18  Dia nandao ny haratony avy hatrany ireo ka nanaraka azy.+ 19  Ary mbola nandroso lavidavitra ihany izy, ka nahita an’i Jakoba zanak’i Zebedio, sy Jaona rahalahiny. Tao an-tsambokeliny izy mirahalahy, nanamboatra ny simba tamin’ny haratony.+ 20  Nantsoin’i Jesosy avy hatrany izy ireo, ka nandao an’i Zebedio rainy teo an-tsambokely sy ny olona nokaramaina, ary nanaraka an’i Jesosy. 21  Ary nankany Kapernaomy+ izy ireo. Raha vao tonga ny sabata, dia niditra tao amin’ny synagoga izy ka nanomboka nampianatra. 22  Nitolagaga ny olona noho ny fomba fampianany,+ satria nampianatra azy toy izay manana fahefana izy, fa tsy toy ny mpanora-dalàna.+ 23  Tamin’izay fotoana izay indrindra, dia nisy lehilahy azon’ny fanahy maloto tao amin’ilay synagoga. Niantsoantso mafy izy+ 24  hoe: “Misy zavatra iombonanay aminao angaha moa, ry Jesosy avy any Nazareta?+ Tonga mba handringana anay ve ianao? Fantatro+ tsara ange fa ianao Ilay Masin’Andriamanitra+ e!”+ 25  Niteny mafy azy anefa i Jesosy hoe: “Mangìna, ary mivoaha aminy!”+ 26  Ary nivoaka tamin-dralehilahy ilay fanahy maloto, rehefa avy nampifanintontsintona azy sy nikiakiaka faran’izay mafy.+ 27  Dia gaga be avokoa ny rehetra ka nifampiresaka hoe: “Fa ahoana izao? Fampianarana vaovao izao! Na ny fanahy maloto aza baikoiny sady ananany fahefana, ka mankatò azy.”+ 28  Teo no ho eo ihany dia niely hatraiza hatraiza nanerana ny faritra manodidina an’i Galilia ny lazany.+ 29  Ary niala tao amin’ny synagoga avy hatrany izy ireo ka nankany an-tranon’i Simona+ sy Andrea, niaraka tamin’i Jakoba sy Jaona. 30  Teo am-pandriana ny rafozambavin’i+ Simona fa nanavy.+ Tonga dia noresahin’ireo tamin’i Jesosy ny momba azy. 31  Koa nanatona an-dravehivavy izy ka nandray ny tanany ary nanarina azy. Dia niala tamin-dravehivavy ny fanaviany,+ ary nikarakara an’ireo izy.+ 32  Nony hariva ny andro ka efa nilentika ny masoandro, dia nentin’ny olona teo aminy izay rehetra narary+ sy nisy demonia+ 33  ka niangona teo am-baravarana avokoa ny tao an-tanàna. 34  Koa nanasitrana olona maro azon’aretina+ isan-karazany izy, ary namoaka demonia maro. Tsy navelany hiteny anefa ny demonia, satria fantatr’ireo fa izy no Kristy.+ 35  Vao maraina be, raha mbola maizina ny andro, dia nitsangana izy ka lasa nankany amin’ny toerana mitokana,+ ary nivavaka+ tany. 36  Nitady azy fatratra anefa i Simona sy ireo niaraka taminy 37  ka nahita azy. Dia hoy ireo taminy: “Mitady anao ny olona rehetra.” 38  Hoy anefa izy tamin’ireo: “Andao isika ho any an-toeran-kafa, ho any amin’ny tanàna manodidina, mba hitoriako+ any koa, fa izany no nahatongavako.”+ 39  Ary lasa izy nitory tany amin’ny synagoga nanerana an’i Galilia manontolo sady namoaka demonia.+ 40  Nisy boka koa tonga teo aminy, ka nandohalika sady niangavy azy mafy hoe: “Raha mba sitrakao fotsiny mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.”+ 41  Koa nangoraka azy izy+ ka nanatsotra ny tanany sady nikasika azy, ary niteny taminy hoe: “Sitrako tokoa. Madiova ianao.”+ 42  Koa afaka taminy avy hatrany ny habokana, ka nanjary nadio izy.+ 43  Nofeperan’i Jesosy mafy koa izy ary nasainy nandeha avy hatrany 44  sady nilazany hoe: “Tandremo sao milazalaza amin’olona! Fa mandehana miseho any amin’ny mpisorona,+ ary noho ny nanadiovana anao, dia atolory ny zavatra nandidian’i Mosesy,+ mba ho porofo amin’izy ireo fa sitrana ianao.”+ 45  Nony lasa anefa ralehilahy, dia nanomboka niresaka be momba izany sy nampiely izany tantara izany izy. Koa tsy nisy tanàna azon’i Jesosy nidirana an-karihary, ka nitoetra tany ivelan’ny tanàna, tany amin’ny toerana mitokana, izy. Tonga teo aminy foana anefa ny olona avy teny rehetra teny.+

Fanamarihana

Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.