Marka 10:1-52

10  Ary nitsangana niala teo izy ka nankany amin’ny sisin-tanin’i Jodia sy nankeny ampitan’ny Reniranon’i Jordana. Nisy vahoaka niangona teo aminy indray, ka nampianariny indray, araka ny efa fanaony.+  Ary nisy Fariseo nanatona azy. Koa mba hitsapana azy, dia nanontany azy izy ireo raha azon’ny lehilahy atao ny misaraka amin’ny vadiny.+  Dia hoy ny navaliny azy ireo: “Inona no nandidian’i Mosesy anareo?”  Ary hoy ireo: “Navelan’i Mosesy hanoratra taratasy fisaraham-panambadiana ny lehilahy rehefa misaraka amin’ny vadiny.”+  Fa hoy i Jesosy tamin’ireo: “Noho ny hamafin’ny fonareo+ no nanoratany izany didy izany ho anareo.  Fa hatrany am-piandohan’ny famoronana, dia ‘lahy sy vavy no nanaovany ny olona.+  Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny,  ary ho nofo iray ihany izy roa.’+ Koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany.  Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.”+ 10  Nony tao an-trano+ indray izy, dia nanontanian’ny mpianany momba izany. 11  Dia hoy izy tamin’ireo: “Izay misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady.+ 12  Ary raha manambady olon-kafa ny vehivavy nisaraka tamin’ny vadiny, dia manitsakitsa-bady.”+ 13  Ary nisy zaza nentin’ny olona teo amin’i Jesosy mba hokasihiny, nefa nibedy an’ireny ny mpianatra.+ 14  Koa tezitra i Jesosy nony nahita izany ka niteny tamin’ireo hoe: “Avelao ny zaza hanatona ahy fa aza mitady hisakana azy, fa an’izay toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.+ 15  Lazaiko aminareo marina tokoa fa izay tsy mandray ny fanjakan’Andriamanitra toy ny ataon’ny zaza, dia tsy ho tafiditra ao mihitsy.”+ 16  Ary nitrotro an’ireo zaza izy ka nitso-drano azy, sady nametra-tanana taminy.+ 17  Nony niala teo izy, dia nisy lehilahy nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany sady nanontany hoe: “Mpampianatra Tsara ô, inona no tsy maintsy ataoko mba handovako fiainana mandrakizay?”+ 18  Hoy anefa i Jesosy taminy: “Nahoana aho no antsoinao hoe tsara?+ Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany, dia Andriamanitra.+ 19  Fantatrao ny didy hoe: ‘Aza mamono olona.+ Aza manitsakitsa-bady.+ Aza mangalatra.+ Aza mijoro ho vavolombelona mandainga.+ Aza manambaka.+ Hajao ny rainao sy ny reninao.’”+ 20  Dia hoy ralehilahy taminy: “Mpampianatra ô, efa notandremako hatramin’ny fahazazako izany rehetra izany.” 21  Nijery azy i Jesosy ary tia azy, dia hoy izy taminy: “Zavatra iray sisa no mbola tsy nataonao: Mandehana amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanana harena any an-danitra ianao, ary andao hanara-dia ahy.”+ 22  Nanjombona ralehilahy tamin’izany teny izany ka lasa tamin’alahelo izy, satria maro ny fananany.+ 23  Ary nijery manodidina azy i Jesosy ka niteny tamin’ny mpianany hoe: “Ho sarotra tokoa ny hidiran’ny mpanam-bola+ ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra!”+ 24  Dia gaga+ ny mpianatra tamin’izany teniny izany, ka hoy indray i Jesosy taminy: “Tena sarotra, anaka, ny hidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra! 25  Mora kokoa ny hidiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaitra, noho ny hidiran’ny mpanankarena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”+ 26  Fa vao mainka gaga ireo ka niteny taminy hoe: “Koa hisy ho voavonjy ve raha izany?”+ 27  Nibanjina azy ireo i Jesosy ka niteny hoe: “Tsy hain’olombelona izany, fa hain’Andriamanitra. Hain’Andriamanitra mantsy ny zava-drehetra.”+ 28  Ary hoy i Petera taminy: “Izahay efa nahafoy ny zava-drehetra ary nanaraka anao.”+ 29  Fa hoy i Jesosy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy misy olona efa nahafoy trano na rahalahy na anabavy na reny na ray na zanaka na saha noho ny amiko sy ny vaovao tsara+ 30  ka tsy hahazo avo zato heny+ amin’izao andro izao, eny, hahazo trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy saha mbamin’ny fanenjehana,+ ary fiainana mandrakizay ao amin’ilay tontolo ho avy. 31  Maro anefa ny voalohany no ho farany, ary ny farany ho voalohany.”+ 32  Rehefa niakatra ho any Jerosalema izy ireo, dia nandeha teo alohan’ny mpianatra i Jesosy, ka gaga ireo. Natahotra anefa ireo olona nanaraka azy. Ary nentiny nihataka kely indray izy roa ambin’ny folo lahy ka nilazany izao zavatra efa voatendry hanjo azy izao:+ 33  “Miakatra ho any Jerosalema isika izao. Ary hatolotra amin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny Zanak’olona, ka homelohiny ho faty, dia hatolony amin’ireo hafa firenena,+ 34  ka hataon’ireo ho fihomehezana sy hororany sy hokaravasiny ary hovonoiny ho faty. Hitsangana anefa izy rehefa afaka telo andro.”+ 35  Ary nanatona izy roa lahy zanak’i Zebedio, dia i Jakoba sy Jaona,+ ka niteny taminy hoe: “Mpampianatra ô, mba tianay hataonao aminay izay angatahinay aminao.”+ 36  Ary hoy izy tamin’ireo: “Inona no tianareo hataoko aminareo?” 37  Dia hoy ireo: “Mba avelao izahay hipetraka eo anilanao, ka ny iray eo ankavananao, ary ny iray eo ankavianao, rehefa ao amin’ny voninahitrao ianao.”+ 38  Hoy anefa i Jesosy tamin’ireo: “Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Hainareo ve ny hisotro amin’ny kaopy izay efa isotroako, na ny hatao batisa amin’ny batisa izay efa anaovana batisa ahy?”+ 39  Dia hoy ireo: “Hainay.” Ary hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Hisotro amin’ny kaopy izay efa isotroako ianareo, ary hatao batisa amin’ny batisa izay efa anaovana batisa ahy.+ 40  Fa ny hipetraka eo ankavanako na eo ankaviako, dia tsy anjarako ny manome izany.+ Fa ho an’izay efa nanomanana azy ihany izany toerana izany.” 41  Ary tezitra tamin’i Jakoba sy Jaona izy folo lahy nony nandre izany.+ 42  Niantso azy ireo hankeo aminy anefa i Jesosy ka nilaza hoe: “Fantatrareo fa manjakazaka amin’ny firenena entiny ireo heverina ho mpitondra, ary manampatra ny fahefany ireo lehibe.+ 43  Tsy mba toy izany kosa eo aminareo. Fa na iza na iza te ho lehibe aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo,+ 44  ary na iza na iza te ho voalohany aminareo dia tsy maintsy manompo ny rehetra.+ 45  Fa na ny Zanak’olona aza tsy tonga mba hotompoina+ fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana+ ho takalon’ny maro.”+ 46  Tonga tao Jeriko izy ireo. Ary rehefa nivoaka an’i Jeriko izy sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka be, dia nipetraka teo amoron-dalana i Bartimeo, jamba mpangataka, zanak’i Timeo.+ 47  Nony reny fa i Jesosy avy any Nazareta no nandalo, dia nanomboka niantsoantso mafy izy hoe: “Mba iantrao aho,+ ry Jesosy, Zanak’i Davida ô!”+ 48  Ary maro no niteny azy mafy mba hangina, nefa vao mainka izy niantsoantso mafy hoe: “Mba iantrao aho, ry Zanak’i Davida ô!”+ 49  Koa nijanona i Jesosy dia niteny hoe: “Antsoy izy.” Ary nantsoin’ny olona ilay jamba, ka nilazany hoe: “Mahereza, mitsangàna, fa miantso anao izy.”+ 50  Koa nesoriny haingana ny akanjony ivelany, dia niantsambotra nankeo amin’i Jesosy izy. 51  Ary hoy i Jesosy taminy: “Inona no tianao hataoko aminao?”+ Dia hoy ilay jamba: “Rabôny* ô, mba ataovy mahita indray aho.”+ 52  Ary hoy i Jesosy: “Mandehana, ny finoanao no nahasitrana anao.”+ Ary tonga dia nahita indray ralehilahy,+ ka nanomboka nanaraka azy teny an-dalana.+

Fanamarihana

Midika hoe “Mpampianatra.”