Nosoratan’i Marka 11:1-33

  • Niditra tamim-boninahitra tao Jerosalema i Jesosy (1-11)

  • Nanozona aviavy naniry (12-14)

  • Nanadio ny tempoly i Jesosy (15-18)

  • Lesona avy amin’ilay aviavy nalazo (19-26)

  • Avy amin’iza ny fahefan’i Jesosy? (27-33)

11  Rehefa nanakaiky an’i Jerosalema sy Betifaga ary Betania,+ izay teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, izy ireo, dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany izy.+ 2  Hoy izy tamin’ireo: “Mandehana ao amin’irỳ tanàna kely irỳ. Vao tafiditra ao ianareo, dia hahita zanak’ampondra mifatotra, mbola tsy nitaingenan’olona mihitsy. Vahao ilay izy dia ento atỳ. 3  Ary raha misy milaza aminareo hoe: ‘Fa maninona io no vahanareo?’, dia lazao hoe: ‘Misy ilan’ny Tompo azy, fa tonga dia haveriny eto ihany rehefa avy eo.’” 4  Dia lasa izy ireo ary hitany ilay zanak’ampondra nifatotra teo akaikin’ny varavarana, teo ivelany teo amin’ny lalankely, ka novahany.+ 5  Nisy tamin’ireo olona nijoro teo anefa niteny hoe: “Fa maninona no vahanareo io zanak’ampondra io?” 6  Dia ilay notenenin’i Jesosy mihitsy no nolazain’ny mpianatra tamin’ireo, ka navelany handeha izy ireo. 7  Ary nentin’ireo tany amin’i Jesosy ilay zanak’ampondra,+ ka napetrak’izy ireo teo ambonin’ilay izy ny akanjon’izy ireo ivelany, dia nitaingina teo i Jesosy.+ 8  Be dia be koa ny olona namelatra ny akanjony ivelany teo amin’ny lalana, fa ny an’ny sasany indray rantsankazo nisy raviny avy notapahiny tany an-tsaha.+ 9  Ary izay nandeha teo alohany sy tao aorianany dia niantsoantso tsy an-kijanona hoe: “Mba vonjeo re izy e!+ Hotahina anie ilay tonga amin’ny anaran’i Jehovah!*+ 10  Hotahina anie ilay Fanjakana ho avy, izay an’i Davida razambenay!+ Mba vonjeo re izy, ry any amin’ny avo indrindra ô!” 11  Ary niditra tao Jerosalema izy, ka nankao amin’ny tempoly, dia nijerijery ny zava-drehetra. Nivoaka nankany Betania izy sy ny 12 Lahy avy eo, satria efa hariva ny andro.+ 12  Ny ampitson’iny, tamin’izy ireo nivoaka an’i Betania, dia noana izy.+ 13  Ary nahita aviavy feno raviny teny lavidavitra izy, ka nankeo mba hijery sao mahita voany. Tsy nahita afa-tsy raviny fotsiny anefa izy rehefa tonga teo, satria tsy fotoanan’ny aviavy tamin’izay. 14  Hoy àry izy tamin’ilay hazo: “Enga anie tsy hisy hihinana voa avy aminao intsony mandrakizay!”+ Ary nihaino an’izany ny mpianany. 15  Tonga tao Jerosalema izy ireo avy eo. Dia niditra tao amin’ny tempoly izy, ka nanomboka nandroaka an’izay nivarotra sy nividy tao. Nazerany koa ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ny mpivarotra voromailala.+ 16  Tsy nisy navelany hanivaka teo amin’ny tempoly koa izay olona nitondra entana. 17  Dia nampianatra izy hoe: “Angaha tsy voasoratra hoe: ‘Ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra’?+ Fa ianareo kosa manao azy ho lava-bato fiafenan’ny jiolahy.”+ 18  Ary naheno an’izany ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ka nitady hevitra hamonoana azy.+ Natahotra azy mantsy izy ireo, satria gaga tamin’ny fampianarany daholo ny vahoaka.+ 19  Nivoaka ny tanàna i Jesosy sy ny mpianany, rehefa harivariva ny andro. 20  Rehefa teny an-dalana anefa izy ireo ny ampitso vao maraina, dia nahita fa efa nalazo hatramin’ny fakany ilay aviavy.+ 21  Tadidin’i Petera ilay izy ka hoy izy tamin’i Jesosy: “Raby ô, io fa nalazo ilay aviavy nozoninao.”+ 22  Dia hoy i Jesosy tamin’ireo: “Manàna finoana an’Andriamanitra. 23  Lazaiko marina aminareo fa raha misy miteny amin’ity tendrombohitra ity hoe: ‘Mialà eto dia mianjerà any an-dranomasina’, sady tsy misalasala izy ao am-pony ao fa manam-pinoana hoe hitranga tokoa izay lazainy, dia ho tanteraka izany.+ 24  Izany no antony itenenako aminareo hoe: Izay rehetra angatahinareo amim-bavaka, dia minoa hoe efa azonareo izany, dia ho azonareo izany.+ 25  Ary rehefa mitsangana hivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan’ilay Rainareo any an-danitra koa ny helokareo.”+ 26  *—— 27  Tonga tao Jerosalema indray izy ireo. Rehefa nandehandeha tao amin’ny tempoly izy, dia nanatona azy ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny anti-panahy, 28  ka niteny taminy hoe: “Fahefana avy aiza no anaovanao an’izao? Ary iza no nanome anao fahefana hanao an’izao?”+ 29  Ary hoy i Jesosy tamin’ireo: “Hanontany zavatra iray aminareo aho. Valio aho, dia holazaiko aminareo koa hoe avy aiza ny fahefana anaovako an’izao. 30  Avy any an-danitra sa avy amin’ny olona no nahazoan’i Jaona fahefana hanao batisa?+ Mba valio aho.”+ 31  Dia nifampiresaka ireo hoe: “Raha miteny izao isika hoe: ‘Avy any an-danitra’, dia hiteny izy hoe: ‘Koa naninona ianareo no tsy nino azy?’ 32  Ho sahintsika anefa ve ny hiteny hoe: ‘Avy amin’ny olona’?” Natahotra ny vahoaka mantsy izy ireo, satria nihevitra daholo izy rehetra hoe tena mpaminany i Jaona.+ 33  Hoy àry izy ireo tamin’i Jesosy: “Tsy fantatray.” Dia hoy i Jesosy: “Izaho koa tsy hiteny aminareo hoe fahefana avy aiza no anaovako an’izao.”

Fanamarihana

Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A3.