Marka 12:1-44

12  Ary nanomboka nilaza fanoharana tamin’ireo koa izy hoe: “Nisy lehilahy iray nanao tanimboaloboka,+ ka namefy azy manodidina sy nihady lavaka famiazam-boaloboka ary nanangana tilikambo.+ Nampanofainy tamin’ny mpamboly izy io,+ ary lasa nankany an-tany hafa izy.+  Rehefa tonga ny fotoam-piotazana, dia naniraka mpanompo ho any amin’ireo mpamboly izy mba handray ny ampahany amin’ny vokatry ny tanimboaloboka avy tamin’ireo.+  Nalain’ireo anefa ilay mpanompo ka nokapohiny, dia nalefany nody maina.+  Naniraka mpanompo hafa indray ralehilahy ho any amin’ireo mpamboly, nefa nokapohin’ireo teo amin’ny lohany ilay mpanompo sady nalany baraka.+  Ary naniraka olon-kafa indray ralehilahy, nefa novonoin’ireo ho faty iny. Mbola naniraka hafa koa izy, fa ny sasany nokapohin’ireo, ary ny sasany novonoiny ho faty.  Iray sisa no teo aminy, dia ny zanany+ malalany, ka io no nirahiny farany tany amin’ireo, fa hoy izy: ‘Hanaja ny zanako ireo.’+  Nifampiresaka anefa ireo mpamboly ireo hoe: ‘Iny ny mpandova.+ Andao hovonointsika izy dia ho antsika ny lova!’+  Koa nosamborin’ireo izy ka novonoiny ho faty+ ary natsipiny tany ivelan’ny tanimboaloboka.+  Koa inona àry no hataon’ilay tompon’ny tanimboaloboka? Ho avy izy, dia handringana an’ireo mpamboly ireo, ary homeny olon-kafa+ ny tanimboaloboka.+ 10  Mbola tsy novakinareo tao amin’ny Soratra Masina mihitsy ve ny hoe: ‘Ny vato+ nolavin’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro lehibe indrindra,*+ 11  ary i Jehovah no nahatonga izany, ka mahagaga eo imasontsika’?”+ 12  Koa nitady izay fomba hisamborana an’i Jesosy ireo, satria takatr’izy ireo fa izy no tao an-tsain’i Jesosy tamin’ilay fanoharana. Natahotra ny vahoaka anefa izy ireo, ary nandao azy ka lasa.+ 13  Ary nirahin’ireo hankany amin’i Jesosy ny sasany tamin’ny Fariseo sy ny mpomba an’i Heroda+ mba hamandrika azy amin’ny teniny.+ 14  Koa nony tonga ireo dia niteny taminy hoe: “Mpampianatra ô, fantatray fa milaza ny marina foana ianao, ary tsy mba miangatra ianao satria tsy mba matin-kenamaso olona fa marina ny fampianaranao ny lalan’Andriamanitra.+ Koa azo atao ve sa tsia ny mandoa ny hetra isan-dahy amin’i Kaisara? 15  Tokony handoa ve izahay sa tsia?”+ Fantatr’i Jesosy anefa ny fihatsarambelatsihin’ireo, ka hoy izy taminy: “Nahoana ianareo no mamandrika ahy? Itondray denaria iray aho hojerena.”+ 16  Dia nitondran’ireo izy. Ary hoy izy tamin’ireo: “Sarin’iza io ary an’iza io soratra eo io?” Dia hoy ireo taminy: “An’i Kaisara.”+ 17  Koa hoy i Jesosy: “Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara,+ fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.”+ Ary gaga tamin’ny teniny ireo.+ 18  Ary nanatona azy ny Sadoseo, izay milaza fa tsy hisy fitsanganan’ny maty. Koa nanontanian’ireo izy hoe:+ 19  “Mpampianatra ô, nanoratra ho antsika i Mosesy hoe raha maty ny rahalahin’ny olona iray ka namela vady nefa tsy niteraka, dia tokony hampakatra ny vady navelany ny rahalahiny+ mba hiteraka hamelo-maso ny maty.+ 20  Koa nisy fito mirahalahy. Ary nanambady ilay voalohany, nefa maty tsy niteraka.+ 21  Dia nampakatra an-dravehivavy ny faharoa, nefa maty tsy niteraka ihany koa, ary toy izany koa ny fahatelo. 22  Ary samy tsy niteraka izy fito mirahalahy. Maty koa ilay vehivavy tamin’ny farany.+ 23  Koa rehefa hitsangana ny maty, ho vadin’iza ravehivavy? Fa efa samy nanambady azy daholo izy fito mirahalahy.”+ 24  Ary hoy i Jesosy tamin’ireo: “Diso hevitra ianareo satria samy tsy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra.+ 25  Fa rehefa hitsangana ny maty, dia tsy hampaka-bady izy na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra.+ 26  Raha ny amin’ny maty izay hatsangana, tsy novakinareo ve ny ao amin’ny bokin’i Mosesy, tao amin’ny fitantarana momba ilay voaroy, dia ny nilazan’Andriamanitra taminy hoe: ‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba’?+ 27  Tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an’ny velona. Koa diso hevitra mihitsy ianareo.”+ 28  Ary nisy mpanora-dalàna iray nanatona ka nandre azy ireo niady hevitra. Fantany fa nahavaly tsara azy ireo i Jesosy, ka nanontaniany hoe: “Inona no voalohany amin’ny didy rehetra?”+ 29  Dia hoy ny navalin’i Jesosy: “Ny voalohany dia izao: ‘Mihainoa, ry Israely ô: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.+ 30  Koa tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.’+ 31  Ny faharoa dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’+ Tsy misy didy lehibe noho ireo.” 32  Ary hoy ilay mpanora-dalàna taminy: “Mpampianatra ô, marina izay nolazainao hoe: ‘Iray ihany Izy, ary tsy misy afa-tsy Izy.’+ 33  Ary sarobidy lavitra noho ny fanatitra dorana sy ny sorona rehetra ny fitiavana azy amin’ny fo manontolo sy ny fahaiza-misaina manontolo ary ny hery manontolo, sy ny fitiavana ny namana tahaka ny tena.”+ 34  Hitan’i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena ralehilahy, ka hoy izy taminy: “Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao.” Ary tsy nisy sahy nanontany azy intsony.+ 35  Raha mbola nampianatra tao amin’ny tempoly anefa i Jesosy, dia niteny hoe: “Nahoana no lazain’ny mpanora-dalàna fa zanak’i Davida i Kristy?+ 36  I Davida mihitsy no nampitenenin’ny fanahy masina+ hoe: ‘Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko: “Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho eo ambany tongotrao.”’+ 37  I Davida aza niantso azy hoe ‘Tompo’, koa ahoana no maha zanany azy?”+ Ary finaritra nihaino azy ny vahoaka.+ 38  Hoy koa izy nandritra ny fampianarany: “Mitandrema amin’ny mpanora-dalàna,+ izay tia mandehandeha manao akanjo lava, sady tia ny hoarahabaina eny an-tsena 39  sy ny hahazo toerana eny aloha ao amin’ny synagoga ary ny toerana mihaja indrindra any amin’ny sakafo hariva.+ 40  Izy ireny no mandany ny ao an-tranon’ny+ vehivavy mpitondratena ary manao vavaka lava be ho fisehosehoana fotsiny. Koa hahazo fanamelohana mafy kokoa izy ireny.”+ 41  Ary nipetraka teo amin’izay nahatazanany ny vata fandatsaham-bola+ izy, ka nijery ny vahoaka nandatsaka vola tao amin’ireo vata fandatsaham-bola. Ary maro ny mpanankarena nandatsaka vola madinika be dia be.+ 42  Fa tonga kosa ny vehivavy mpitondratena mahantra iray nandatsaka vola madinika roa,* izay vola faran’izay kely vidy.*+ 43  Koa niantso ny mpianany hankeo aminy i Jesosy, ka niteny taminy hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka betsaka kokoa noho izay rehetra nandatsaka vola tao amin’ny vata fandatsaham-bola.+ 44  Izy rehetra mantsy nandatsaka avy tamin’ny ambim-bavany, fa ravehivavy kosa na mahantra aza, dia nandatsaka izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.”+

Fanamarihana

Jereo Mt 21:42 f.a.p.
A.b.t.: “leptona roa.”
A.b.t.: “izay kadrana iray.”