Nosoratan’i Marka 13:1-37

  • REHEFA HIFARANA IZAO TONTOLO IZAO (1-37)

    • Ady, horohoron-tany, mosary (8)

    • Hotorina ny vaovao tsara (10)

    • Fahoriana lehibe (19)

    • Ho avy ny Zanak’olona (26)

    • Fanoharana momba ny aviavy (28-31)

    • Miambena foana (32-37)

13  Ary rehefa nivoaka ny tempoly izy, dia hoy ny iray tamin’ny mpianany: “Mpampianatra ô, jereo ange e! Tsara be ireo vato sy trano ireo e?”+ 2  Hoy anefa i Jesosy taminy: “Hitanao ve ireo trano be ireo? Tsy hisy vato havela hifanaingina mihitsy eo, fa harodana daholo.”+ 3  Tamin’izy nipetrapetraka teo amin’ny Tendrombohitra Oliva sady nahatazana ny tempoly, dia nanontany azy mitokana i Petera sy Jakoba sy Jaona ary Andrea hoe: 4  “Lazao aminay hoe rahoviana no hitranga izany, ary inona no ho famantarana rehefa hifarana izany rehetra izany?”+ 5  Koa niteny taminy i Jesosy hoe: “Mitandrema sao hisy hamitaka anareo.+ 6  Fa maro no hisandoka ny anarako, dia hiteny hoe: ‘Izaho no izy’, ka be dia be no ho voafitany. 7  Ary aza matahotra rehefa maheno ady ianareo sy rehefa misy milaza aminareo hoe misy ady any an-toeran-kafa. Tsy maintsy hitranga izany, nefa mbola tsy ho tonga ny farany.+ 8  “Fa hisy firenena hiady amin’ny firenena, ary hisy fanjakana hiady amin’ny fanjakana.+ Hisy horohoron-tany any amin’ny toerana samihafa, ary hisy mosary koa.+ Izany no fiandohan’ny fahoriana.+ 9  “Ianareo kosa mitandrema, fa hanolotra anareo any amin’ny fitsarana ny olona.+ Hokapohina any amin’ny synagoga ianareo,+ ary hoentina any amin’ny governora sy ny mpanjaka noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo anatrehany.+ 10  Ankoatra izany, dia tsy maintsy hotorina any amin’ny firenena rehetra aloha ny vaovao tsara.+ 11  Rehefa entiny mba hatolotra an’ireo manam-pahefana ianareo, dia aza manahy ny amin’izay holazainareo. Hampahatsiahy anareo izay tokony holazaina amin’izany ora izany ny fanahy masina, satria tsy ianareo no miteny, fa ny fanahy masina.+ 12  Ny rahalahy koa hanolotra ny rahalahiny hovonoina ho faty, ny ray hanolotra ny zanany, ary ny zanaka hanohitra ny ray aman-dreniny ka hampamono azy ho faty.+ 13  Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.+ Izay miaritra hatramin’ny farany+ anefa no hovonjena.+ 14  “Rehefa hitanareo anefa fa mitsangana eo amin’izay tsy tokony hitsanganany ilay zava-maharikoriko mahatonga faharavana+—aoka ny mpamaky handinika tsara—, dia mila mandositra any an-tendrombohitra izay any Jodia.+ 15  Izay any an-tampon-trano koa tsy tokony hidina na hiditra ao an-tranony mba haka zavatra ao, 16  ary izay any an-tsaha tsy tokony hiverina any amin’izay efa nilaozany mba haka ny akanjony ivelany. 17  Loza no hanjo ny bevohoka sy ny mampinono, amin’izany andro izany!+ 18  Mivavaha foana mba tsy ho amin’ny ririnina izany no hitranga. 19  Fa izany andro izany dia ho andro fahoriana+ izay mbola tsy nisy hoatr’izany hatramin’ny niandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra ka hatramin’izany fotoana izany, sady tsy hisy intsony.+ 20  Raha tsy nohafohezin’i Jehovah* mantsy izany andro izany, dia tsy hisy olona* ho voavonjy. Noho ny olom-boafidiny anefa, dia nohafoheziny izany andro izany.+ 21  “Ary aza mino raha misy milaza aminareo hoe: ‘Atỳ Kristy!’, na hoe: ‘Arỳ izy!’+ 22  Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka ho avy,+ ka hanao famantarana sy fahagagana, satria tiany havily lalana ny olom-boafidy, raha azony atao. 23  Mitandrema àry ianareo.+ Efa nolazaiko taminareo mialoha ny zava-drehetra. 24  “Amin’izany andro izany, aorian’ilay fahoriana, dia ho maizina ny masoandro, tsy hanome hazavana ny volana,+ 25  ho latsaka avy any an-danitra ny kintana, ary hohozongozonina ny hery eny amin’ny lanitra.* 26  Dia avy eo ho hitan’ny olona ho avy ao amin’ny rahona ny Zanak’olona,+ sady ho avy amin-kery lehibe sy voninahitra.+ 27  Dia hirahiny ny anjely ka hangonin’izy ireo avy any amin’ny vazan-tany efatra ny olom-boafidiny, hatrany amin’ny faran’ny tany ka hatrany amin’ny faravodilanitra.+ 28  “Makà lesona avy amin’ity fanoharana momba ny aviavy ity: Raha vao mitsimoka ny rantsany ka manomboka misy raviny, dia fantatrareo fa efa akaiky ny fahavaratra.+ 29  Hoatr’izany koa fa rehefa hitanareo hoe miseho izany zavatra izany, dia fantaro fa efa akaiky izy, efa eo am-baravarana.+ 30  Lazaiko marina aminareo fa tsy ho tapitra mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon’izany rehetra izany.+ 31  Ny lanitra sy ny tany ho levona,+ fa ny teniko tsy mba ho levona mihitsy.+ 32  “Tsy misy mahalala an’izany andro na ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.+ 33  Mitandrema foana sy miambena foana,+ fa tsy fantatrareo hoe rahoviana ny fotoana voatondro.+ 34  Hoatran’ny lehilahy iray nandeha any an-tany hafa izany. Talohan’ny nandehanany, dia nomeny fahefana ny mpanompony+ sady nomeny asa tsirairay, ary ny mpiandry varavarana koa nasainy niambina foana.+ 35  Miambena foana àry, fa tsy fantatrareo hoe rahoviana ny tompon-trano no ho avy,+ na amin’ny takariva, na amin’ny misasakalina, na amin’ny maneno akoho,* na vao maraina be.+ 36  Dia amin’izay ianareo tsy ho hitany matory,+ rehefa tonga tampoka izy. 37  Izay lazaiko aminareo anefa dia lazaiko amin’ny rehetra hoe: Miambena foana.”+

Fanamarihana

Abt: “nofo.”
Jereo F.F. A5.
Mety ho ny masoandro sy ny volana ary ny kintana.
Na: “raha mbola tsy mazava ratsy ny andro.”