Nosoratan’i Marka 15:1-47

  • Jesosy teo anatrehan’i Pilato (1-15)

  • Nesoin’ny miaramila (16-20)

  • Nofantsihana teo amin’ny tsato-kazo (21-32)

  • Maty i Jesosy (33-41)

  • Nalevina i Jesosy (42-47)

15  Vao nazava ratsy ny andro, dia niara-nidinika ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahy ary ny mpanora-dalàna, izany hoe ny Fitsarana Avo Jiosy manontolo. Ary nofatoran’izy ireo i Jesosy, dia nentiny ka natolony an’i Pilato.+ 2  Nanontanian’i Pilato àry izy hoe: “Ianao ve no Mpanjakan’ny Jiosy?”+ Hoy i Jesosy: “Voalazanao.”+ 3  Ary betsaka ny zavatra niampangan’ny lehiben’ny mpisorona azy. 4  Nanontany azy indray i Pilato hoe: “Ary toa tsy mamaly ianao?+ Be dia be ange izany zavatra iampangany anao izany e!”+ 5  Tsy namaly intsony anefa i Jesosy, ka gaga i Pilato.+ 6  Efa fanaon’i Pilato isaky ny fety ny manafaka voafonja iray nangatahin’ny vahoaka.+ 7  Tamin’izay fotoana izay, dia nisy lehilahy antsoina hoe Barabasy, niara-nigadra tamin’ireo mpikomy tamin’ny fanjakana, izay nahafaty olona tamin’izy ireo nikomy. 8  Dia tonga ny vahoaka ka nanomboka nangataka tamin’i Pilato mba hanao araka izay efa fanaony amin’izy ireo. 9  Hoy i Pilato tamin’izy ireo: “Sao dia mba tianareo hafahako ho anareo ilay Mpanjakan’ny Jiosy?”+ 10  Fantatr’i Pilato mantsy fa fialonana no nahatonga ny lehiben’ny mpisorona hanolotra an’i Jesosy.+ 11  Nampirisihin’ny lehiben’ny mpisorona anefa ny vahoaka mba hoe i Barabasy fa tsy i Jesosy no hangatahin’izy ireo hafahan’i Pilato.+ 12  Hoy indray i Pilato: “Hataoko ahoana àry ilay antsoinareo hoe Mpanjakan’ny Jiosy?”+ 13  Dia niantsoantso mafy indray ireo hoe: “Fantsiho* eo amin’ny tsato-kazo izy!”+ 14  Hoy ihany anefa i Pilato tamin’ireo: “Fa maninona? Fa inona no ratsy nataony?” Vao mainka anefa izy ireo niantsoantso hoe: “Fantsiho* eo amin’ny tsato-kazo izy!”+ 15  Dia nafahan’i Pilato i Barabasy, satria te hampifaly ny vahoaka izy. Rehefa avy nasainy nokaravasina i Jesosy,+ dia natolony hovonoina teo amin’ny tsato-kazo.+ 16  Ary nentin’ny miaramila nankao amin’ny tokotany tao amin’ny tranon’ny governora izy, ka novorin’izy ireo daholo ny miaramila.+ 17  Dia nampanaovin’ireo lamba volomparasy izy. Nandrandrana fehiloha tsilo koa izy ireo, dia nataony teo amin’ny lohany. 18  Ary nanomboka niantsoantso izy ireo hoe: “Miarahaba anao,* ry Mpanjakan’ny Jiosy!”+ 19  Nokapohin’ireo tamin’ny bararata koa ny lohany, dia nororany izy. Ary nandohalika sy niankohoka teo anatrehany ireo. 20  Tamin’ny farany, rehefa avy nanesoeso azy izy ireo, dia nesoriny ilay lamba volomparasy, ary nampanaoviny azy indray ny akanjony ivelany. Nentiny hofantsihana teo amin’ny tsato-kazo+ izy avy eo. 21  Noteren’ireo hitondra ny hazo fijalian’i* Jesosy+ koa ny mpandalo iray avy tany ambanivohitra, dia i Simona avy any Kyrena, rain’i Aleksandra sy Rofosy. 22  Ary nentin’ireo i Jesosy, ho any amin’ilay toerana antsoina hoe Golgota. Raha adika izany dia hoe “Ikarandoha.”+ 23  Nanandrana nanome azy divay nasiana miora mahadomelina ireo,+ fa tsy nety nisotro izy. 24  Dia nofantsihan’ireo teo amin’ny tsato-kazo izy, ary nozarain’izy ireo ny akanjony ivelany ka nanaovany antsapaka mba hahitana an’izay ho azon’izy tsirairay.+ 25  Ora fahatelo* tamin’izay, ary nofantsihan’ireo teo amin’ny tsato-kazo izy. 26  Ary natao terỳ ambony ilay fiampangana azy hoe: “Ny Mpanjakan’ny Jiosy.”+ 27  Nisy jiolahy roa koa nataon’izy ireo teo amin’ny tsato-kazo teo akaikiny, ka ny iray teo ankavanany, ary ny iray teo ankaviany.+ 28  *—— 29  Ary nanevateva azy ny mpandalo, sady nihivingivin-doha+ no niteny hoe: “Izay ka! Hay ianao ilay handrodana ny tempoly dia hanorina azy ao anatin’ny telo andro?+ 30  Vonjeo ny tenanao e, dia midìna avy eny amin’ny hazo fijaliana* eny.” 31  Nanesoeso hoatr’izany koa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia nifampiresaka hoe: “Ny hafa novonjeny, nefa ny tenany tsy hainy vonjena!+ 32  Aleo hidina avy eny amin’ny hazo fijaliana* i Kristy, ilay Mpanjakan’ny Israely, mba ho hitantsika dia amin’izay hino azy isika.”+ Na ireo teo amin’ny tsato-kazo teo akaikiny aza mba nandatsa azy koa.+ 33  Ary nisy haizina nanarona an’ilay faritra manontolo, nanomboka tamin’ny ora fahenina* ka hatramin’ny ora fahasivy.*+ 34  Tamin’ny ora fahasivy, dia niantso mafy i Jesosy hoe: “Ely, Ely, lamà sabaktany?” Raha adika izany dia hoe: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana ianao no nahafoy ahy?”+ 35  Rehefa naheno an’izany ny olona sasany nijoro teo, dia niteny hoe: “Jereo fa miantso an’i Elia izy.” 36  Dia nisy olona iray nihazakazaka ka nanatsoboka spaonjy tao anaty divay marikivy. Dia nataony teo amin’ny bararata iray ilay izy ka nomeny hosotroin’i Jesosy,+ sady hoy izy: “Avelao izy e! Aleo hojerentsika raha ho avy hampidina azy i Elia.” 37  Niantsoantso mafy anefa i Jesosy dia tapitra ny ainy.*+ 38  Dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ilay ridao tao amin’ny toerana masina.+ 39  Rehefa nahita an’izany rehetra izany ilay manamboninahitra nijoro teo akaikin’i Jesosy, sady nahita hoe tapitra ny ain’i Jesosy, dia hoy izy: “Tena Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io.”+ 40  Nisy vehivavy koa nitazana teny lavidavitra teny. Anisan’ireny i Maria Magdalena, sy Maria renin’i Jakoba kely sy Josesy, ary Salome,+ 41  izay samy efa nanaraka an’i Jesosy sy nikarakara azy+ tamin’izy tany Galilia, ary ny vehivavy maro hafa efa niara-niakatra taminy tany Jerosalema. 42  Efa harivariva ny andro tamin’izay sady Andro Fiomanana, izany hoe ilay andro alohan’ny Sabata. 43  Dia tonga i Josefa avy any Arimatia. Lehilahy nanan-kaja anisan’ny Filan-kevitry ny Jiosy izy, ary niandry ny Fanjakan’Andriamanitra koa. Nisikina herim-po izy ka nankany amin’i Pilato, dia nangataka ny fatin’i Jesosy.+ 44  Tian’i Pilato ho fantatra anefa raha efa maty sahady i Jesosy, ka nantsoiny ilay manamboninahitra dia nanontaniany. 45  Rehefa avy naka toky tamin’ilay manamboninahitra àry i Pilato, dia nekeny hoe homena an’i Josefa ilay faty. 46  Rehefa avy nividy lamba rongony tena tsara i Josefa, dia nampidininy ilay faty ka nofonosiny tamin’ilay lamba rongony tena tsara, dia napetrany tao amin’ny fasana+ iray nolavahana tao amin’ny vatolampy. Nanakodia vato teo am-baravaran’ilay fasana izy avy eo.+ 47  Fa i Maria Magdalena sy Maria renin’i Josesy kosa mbola nijery foana an’ilay toerana nametrahana ny fatin’i Jesosy.+

Fanamarihana

Na: “Vonoy.”
Na: “Vonoy.”
Na: “Manahoana.”
Jereo F.T.
Izany hoe tamin’ny 9 maraina teo ho eo.
Jereo F.F. A3.
Jereo F.T.
Jereo F.T.
Izany hoe tamin’ny 3 tolakandro teo ho eo.
Izany hoe tamin’ny 12 antoandro teo ho eo.
Na: “dia niala aina.”