Nosoratan’i Marka 16:1-8

  • Natsangana tamin’ny maty i Jesosy (1-8)

16  Rehefa tapitra ny Sabata,+ dia nividy zava-manitra i Maria+ Magdalena, sy Maria renin’i Jakoba, ary Salome, fa te ho any am-pasana izy ireo mba hanosotra an’izany amin’ny fatin’i Jesosy.+ 2  Dia nankany am-pasana vao maraina be izy ireo, tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro.+ 3  Dia nifampiresaka izy ireo hoe: “Iza re no hasaintsika hanakodia an’ilay vato hiala eo amin’ny varavaram-pasana e?” 4  Rehefa nitraka anefa izy ireo, dia hitany fa efa voakodia ilay vato, na dia ngezabe aza.+ 5  Rehefa niditra tao am-pasana izy ireo, dia gaga nahita tovolahy nanao akanjo fotsy lava nipetraka teo ankavanana. 6  Hoy ilay tovolahy tamin’ireo: “Aza gaga ianareo.+ Fantatro fa mitady an’i Jesosy avy any Nazareta, ilay novonoina teo amin’ny tsato-kazo, ianareo. Efa natsangana+ izy ka tsy ato. Jereo fa teto no nametrahana azy.+ 7  Mandehana milaza amin’ny mpianany sy amin’i Petera hoe: ‘Hialoha anareo any Galilia izy,+ dia any no hahitanareo azy, araka ny efa nolazainy taminareo.’”+ 8  Dia nivoaka tao amin’ilay fasana izy ireo ka nandositra, sady nangovitra no nihetsi-po be. Ary tsy niteny na inona na inona tamin’olona izy ireo, fa natahotra.*+

Fanamarihana

Rehefa jerena ny sora-tanana azo antoka taloha kokoa, dia tapitra eo amin’ny and. 8 ny Filazantsaran’i Marka. Jereo F.F. A3.