Marka 2:1-28

2  Nony afaka andro vitsivitsy anefa, dia niditra tao Kapernaomy indray i Jesosy, ary ren’ny olona fa tao an-trano izy.+  Koa maro be ny olona tafangona tao, ka tsy nisy toerana intsony na teo akaikin’ny varavarana aza. Dia nanomboka nitory+ ny vaovao tsara tamin’ny olona izy.  Ary nisy lehilahy nalemy nentin’ny olona teo aminy. Efa-dahy no nitondra azy io.+  Tsy afaka nitondra azy teo amin’i Jesosy anefa ireo noho ny habetsahan’ny vahoaka, ka nesoriny ny tafo teo ambonin’i Jesosy ary noloahany ka teo no nampidinany ny fandriana nisy an’ilay nalemy.+  Rehefa hitan’i Jesosy ny finoan’ireo,+ dia hoy izy tamin’ilay nalemy: “Voavela ny helokao, anaka.”+  Ary nisy mpanora-dalàna nipetraka teo, ka nieritreritra tao am-pony+ hoe:  “Nahoana ilehio no miteny toy izany? Manevateva an’Andriamanitra izy. Fa iza no afaka mamela heloka afa-tsy Andriamanitra ihany?”+  Avy hatrany anefa dia fantatr’i Jesosy tany an-tsainy tany ny eritreritr’ireo, ka hoy izy taminy: “Nahoana ianareo no mieritreritra izany ao am-ponareo?+  Inona no mora kokoa: Ny milaza amin’ilay malemy hoe: ‘Voavela ny helokao’, sa ny milaza hoe: ‘Mitsangàna ka batao ny fandriananao ary mandehana?’+ 10  Mba hahafantaranareo anefa fa manana fahefana eto an-tany hamela heloka+ ny Zanak’olona...”,+ dia hoy izy tamin’ilay nalemy: 11  “Izao no lazaiko aminao: Mitsangàna, batao ny fandriananao, ary modia any an-tranonao.”+ 12  Koa nitsangana ralehilahy ary tonga dia nibata ny fandrianany ka nandeha nivoaka teo imason’ny olona rehetra.+ Dia talanjona avokoa izy rehetra ka nanome voninahitra an’Andriamanitra, sady niteny hoe: “Mbola tsy nahita ny toy izao mihitsy isika.”+ 13  Nivoaka nankeny amoron-dranomasina indray izy ka tonga teo aminy ny vahoaka rehetra, dia nampianariny. 14  Teny an-dalana izy dia nahita an’i Levy+ zanak’i Alfeo nipetraka tao amin’ny birao famorian-ketra. Raha vao nahita azy izy, dia niteny taminy hoe: “Andao hanara-dia ahy.” Koa nitsangana i Levy ka nanaraka azy.+ 15  Taoriana kelin’izay dia nandry ilika* nisakafo tao an-tranon’i Levy i Jesosy. Ary nisy mpamory hetra+ sy mpanota maro tao nandry ilika nisakafo niaraka tamin’i Jesosy sy ny mpianany, fa nisy maro ireny. Ary tonga mpanara-dia an’i Jesosy ireny.+ 16  Nony nahita an’i Jesosy niara-nihinana tamin’ny mpanota sy ny mpamory hetra anefa ny mpanora-dalàna anisan’ny Fariseo, dia niteny tamin’ny mpianany hoe: “Fa angaha izy miara-mihinana amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?”+ 17  Ren’i Jesosy izany ka hoy izy tamin’ireo: “Tsy ny matanjaka no mila dokotera, fa ny marary. Tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota.”+ 18  Nifady hanina matetika ny mpianatr’i Jaona sy ny Fariseo. Koa nanatona ireo ka niteny taminy hoe: “Nahoana izahay mpianatr’i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?”+ 19  Dia hoy i Jesosy taminy: “Afaka mifady hanina ve ny naman’ny mpampakatra, raha mbola eo aminy ny mpampakatra?+ Tsy afaka mifady hanina izy ireo raha mbola eo aminy koa ny mpampakatra.+ 20  Ho avy anefa ny andro hanesorana ny mpampakatra tsy ho eo aminy, ka amin’izany andro izany izy ireo vao hifady hanina.+ 21  Tsy misy manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao. Raha izany mantsy, dia hisintona be ilay tapa-damba ka handrirotra an’ilay akanjo ary vao mainka hitatra ny rovitra.+ 22  Tsy misy koa olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra efa tonta. Fa raha izany, dia hamaky an’ilay siny ilay divay ka hafoy avokoa na ny divay na ny siny.+ Fa atao ao anaty siny hoditra vaovao ny divay vaovao.”+ 23  Ary nandeha teny amin’ny saha nisy voly varimbazaha izy tamin’ny sabata, ary nioty+ salohim-barimbazaha teny am-pandehanana ny mpianany.+ 24  Koa hoy ny Fariseo taminy: “Jereo ange e! Nahoana ireo no manao izay tsy azo atao amin’ny sabata?”+ 25  Fa hoy izy tamin’ny Fariseo: “Mbola tsy novakinareo mihitsy ve izay nataon’i Davida+ rehefa tsy nanan-kohanina izy ka noana, dia izy sy izay niaraka taminy?+ 26  Fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy, araka ny fitantarana momba an’i Abiatara+ lehiben’ny mpisorona, ka nihinana ny mofo atolotra,+ izay tsy azon’iza+ na iza hanina afa-tsy ny mpisorona ihany. Ary nomeny koa izay niaraka taminy.”+ 27  Hoy koa izy tamin’ireo: “Ny sabata no natao ho an’ny olona,+ fa tsy ny olona no natao ho an’ny sabata.+ 28  Noho izany, dia Tompon’ny sabata ny Zanak’olona.”+

Fanamarihana

Jereo Mt 8:11 f.a.p.