Marka 3:1-35

3  Niditra tao amin’ny synagoga indray izy, ary nisy lehilahy maty tanana tao.+  Ary nijery azy tsara ny olona raha hanasitrana an-dralehilahy amin’ny sabata izy na tsia, mba hiampangany azy.+  Dia hoy izy tamin’ilay lehilahy maty tanana: “Mitsangàna ka mankanesa etsy afovoany etsy.”  Ary hoy izy tamin’ny olona: “Inona no azo atao amin’ny sabata: Ny manao soa sa ny manao ratsy, ny mamonjy olona sa ny mamono olona?”*+ Tsy niteny tsy nivolana anefa ireo.  Dia nijery tamin-katezerana an’ireo olona nanodidina azy izy sady nalahelo mafy noho ny hamafin’ny fon’ireo,+ ka hoy izy tamin-dralehilahy: “Atsory ny tananao.” Ary natsotrany ny tanany, ka sitrana.+  Tamin’izay dia nivoaka ny Fariseo, ka nikaon-doha avy hatrany niaraka tamin’ireo mpomba an’i Heroda+ ny amin’ny fomba hamonoana an’i Jesosy.+  Fa niala teo i Jesosy sy ny mpianany ka nankany an-dranomasina. Ary nisy olona maro be avy any Galilia sy Jodia nanaraka azy.+  Nisy olona maro be koa tonga teo aminy nony nandre ny amin’ny zavatra maro nataony, eny, tonga teo hatramin’ny olona avy any Jerosalema sy Idomea sy tany ampitan’i Reniranon’i Jordana sy ny manodidina an’i Tyro+ sy Sidona.  Ary nilazany ny mpianany mba hanomana sambokely hiandry azy eo foana, sao hifanesika eo aminy ny vahoaka. 10  Nanasitrana olona maro mantsy izy, ka nitangorona teo aminy mba hikasika azy+ izay rehetra nijaly noho ny aretina. 11  Ary na ny fanahy* maloto+ aza, isaky ny nahita azy, dia niankohoka teo anatrehany sady niantso mafy hoe: “Ianao no Zanak’Andriamanitra.”+ 12  Imbetsaka anefa izy no nandrara mafy an’ireny mba tsy hilazalaza ny momba azy.+ 13  Ary niakatra teny an-tendrombohitra izy, dia nantsoiny izay tiany,+ ka nankeo aminy.+ 14  Ary naka roa ambin’ny folo lahy izay nantsoiny koa hoe “apostoly” izy, mba hiaraka aminy sy hirahiny hitory+ 15  ary hanam-pahefana hamoaka demonia.+ 16  Ireto avy izy roa ambin’ny folo lahy: I Simona, izay nantsoiny koa hoe Petera,+ 17  sy Jakoba zanak’i Zebedio sy Jaona rahalahiny+—izy roa lahy ireo koa nomeny anarana hoe Boanerjesy, izay midika hoe Zanaky ny Varatra—, 18  sy Andrea sy Filipo sy Bartolomeo sy Matio sy Tomasy sy Jakoba zanak’i Alfeo, sy Tadeo sy Simona Kananeanina, 19  ary Jodasy Iskariota, ilay namadika azy tatỳ aoriana.+ Ary niditra tao amin’ny trano iray izy, 20  dia niangona indray ny vahoaka, ka tsy nahafahany nihinan-kanina akory.+ 21  Nony nandre izay nitranga ny havany,+ dia nivoaka hisambotra azy, fa hoy ireo: “Voa ny sainy.”+ 22  Nilaza koa ny mpanora-dalàna izay nidina avy any Jerosalema hoe: “I Belzeboba no ao aminy, ary amin’ny alalan’ny lehiben’ny demonia no amoahany demonia.”+ 23  Ary nantsoin’i Jesosy hankeo aminy ireo, ka nilazany fanoharana hoe: “Ahoana no ahafahan’i Satana mamoaka an’i Satana? 24  Raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy afaka ny haharitra izany fanjakana izany.+ 25  Raha misy ankohonana miady an-trano, dia tsy haharitra izany ankohonana izany.+ 26  Koa raha mitsangana hanohitra ny tenany i Satana ka manjary voazarazara, dia tsy afaka ny haharitra izy, fa hifarana hatreo ny aminy.+ 27  Tsy misy tafiditra ao an-tranon’ny lehilahy matanjaka mantsy ka afaka mandroba+ ny entany raha tsy fatorany aloha ralehilahy, vao handroba ny ao an-tranony izy.+ 28  Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho voavela avokoa ny zava-drehetra ataon’ny zanak’olombelona, na inona na inona fahotana sy fanevatevana zava-masina* ataony.+ 29  Fa na iza na iza kosa manevateva ny fanahy masina, dia tsy hahazo famelan-keloka mihitsy na rahoviana na rahoviana, fa meloka noho ny ota mandrakizay izy.”+ 30  Nilaza izany izy, satria hoy ireo: “Misy fanahy* maloto izy.”+ 31  Ary tonga ny reniny sy ny rahalahiny,+ ka nijoro teo ivelany ary naniraka olona hiantso azy.+ 32  Nisy vahoaka nipetraka anefa nanodidina azy, koa hoy ireo taminy: “Ao ivelany ao ny reninao sy ny rahalahinao, mitady anao.”+ 33  Hoy anefa ny navaliny azy ireo: “Iza moa no reniko sy rahalahiko?”+ 34  Nojereny ireo nipetraka nanodidina azy ka hoy izy: “Ireo no reniko sy rahalahiko!+ 35  Fa na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”+

Fanamarihana

Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.
Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.
Mety ho teny fanevatevana an’Andriamanitra na zava-masina izany.
Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.