Marka 5:1-43

5  Ary tonga teny ampitan’ny ranomasina, tao amin’ny faritra nisy ny Gerasianina,+ izy ireo.  Raha vao niala ny sambokely izy, dia nifanena tamin’ny lehilahy iray azon’ny fanahy maloto. Avy teny amin’ireo fasana+ io lehilahy io.  Mpankeny am-pasana izy, ary tsy nisy nahafatotra azy mihitsy hatramin’izay, na tamin’ny rojo vy aza.  Fa matetika izy no nofatorana tamin’ny gadra vy sy rojo vy, nefa ny rojo vy notapahiny ary ny gadra vy nopotipotehiny. Eny, tsy nisy nanan-kery hoenti-mamolaka azy.  Ary niantsoantso mafy tsy an-kijanona teny am-pasana sy teny an-tendrombohitra izy, na andro na alina, ary nodidididiany tamin’ny vato ny tenany.  Raha vao nahita an’i Jesosy teny lavidavitra anefa izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany.  Ary niantsoantso mafy+ izy, ka niteny hoe: “Misy zavatra iombonako aminao angaha moa, ry Jesosy Zanak’ilay Andriamanitra Avo Indrindra?+ Miangavy anao aho hianiana+ amin’ny anaran’Andriamanitra mba tsy hampijaly ahy.”+  Efa niteny taminy mantsy i Jesosy hoe: “Mivoaha amin’ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.”+  Nanontany anefa i Jesosy hoe: “Iza no anaranao?” Ary hoy ilay fanahy maloto taminy: “Andian-tafika no anarako,+ satria maro izahay.”+ 10  Ary niangavy an’i Jesosy imbetsaka izy mba tsy handroaka an’ireo fanahy maloto ireo hiala amin’ilay faritra.+ 11  Ary nisy kisoa+ maro be nandrasana teo amin’ilay tendrombohitra.+ 12  Koa niangavy an’i Jesosy ireo fanahy maloto hoe: “Mba avelao hiditra ao amin’iretsy kisoa iretsy izahay.” 13  Dia neken’i Jesosy izany. Koa nivoaka ireo fanahy maloto ka niditra tao amin’ireo kisoa. Ary nirifatra nankeny amin’ny hantsana ilay andiany, izay nisy kisoa roa arivo teo ho eo, ka nivarina tany an-dranomasina dia maty an-drano avokoa.+ 14  Ireo mpiandry kisoa kosa nandositra ka nilaza tany an-tanàna sy tany ambanivohitra. Ary tonga nijery izay nitranga ny olona.+ 15  Koa tonga teo amin’i Jesosy ireo, ka nahita fa nipetraka sy efa niakanjo sady efa salama saina ilay lehilahy nisy demonia, dia ilay nisy an’ilay andian-tafika. Koa natahotra ny olona. 16  Ary izay nahita izany kosa nitantara tamin’olona izay nitranga tamin’ilay lehilahy nisy demonia sy izay nanjo an’ireo kisoa. 17  Koa niangavian’ny olona i Jesosy hiala tao amin’ilay faritra nisy azy ireo.+ 18  Nony niakatra tao an-tsambokely izy, dia niangavy ny hiaraka taminy ilay lehilahy nivoahan’ny demonia.+ 19  Tsy navelan’i Jesosy anefa ralehilahy, fa hoy izy taminy: “Modia any amin’ny havanao,+ ka lazao aminy izay rehetra nataon’i Jehovah+ taminao sy ny namindrany fo+ taminao.” 20  Koa lasa ralehilahy, dia nanomboka nanambara tany amin’ny faritr’i Dekapolisy+ ny amin’izay rehetra nataon’i Jesosy taminy, ary gaga avokoa ny olona.+ 21  Rehefa avy nita an-tsambokely indray i Jesosy ka tody teny ampita, dia nisy vahoaka be niangona teo aminy, ary teo amoron-dranomasina izy.+ 22  Ary tonga ny lehilahy iray atao hoe Jairo, izay anisan’ny mpitantana ny synagoga. Niankohoka teo an-tongotr’i Jesosy+ izy raha vao nahita azy, 23  ka niangavy azy imbetsaka hoe: “Efa ho faty ny zanako vavikely. Mba afaka mankany ve ianao, hametra-tanana+ aminy mba ho sitrana izy ka ho velona?”+ 24  Dia lasa niaraka tamin-dralehilahy i Jesosy. Ary nisy vahoaka be nanaraka azy sady nifanesika taminy.+ 25  Ary nisy vehivavy nandeha ra+ efa nandritra ny roa ambin’ny folo taona.+ 26  Nijaly mafy tamin’ny fitsaboana nataon’ny dokotera+ maro izy sady efa nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nahasoa azy izany, fa vao mainka aza niharatsy ny fahasalamany. 27  Rehefa reny ny momba an’i Jesosy, dia nanatona azy avy tao aoriana izy tao anaty vahoaka, ka nikasika+ ny akanjony ivelany, 28  fa hoy izy: “Raha mikasika ny akanjony ivelany fotsiny aho, dia ho sitrana.”+ 29  Ary ritra avy hatrany ny ra nandeha taminy, ka tsapany tao amin’ny vatany fa sitrana tamin’ilay aretina nampijaly izy.+ 30  Tsapan’i Jesosy avy hatrany koa fa nisy hery+ niala taminy, ka nitodika izy, tao anaty vahoaka, ary niteny hoe: “Iza no nikasika ny akanjoko teo?”+ 31  Fa hoy ny mpianany taminy: “Hitanao fa mifanesika aminao ny vahoaka,+ ka nahoana ianao no milaza hoe: ‘Iza no nikasika ahy?’” 32  Nijery manodidina azy anefa izy mba hahitana an’ilay vehivavy nanao izany. 33  Natahotra sy tora-kovitra ravehivavy, sady nahafantatra izay nitranga tamin’ny tenany, rehefa nanatona an’i Jesosy ka nandohalika teo anatrehany, ary nilaza taminy ny marina rehetra.+ 34  Dia hoy izy tamin-dravehivavy: “Ny finoanao no nahasitrana anao, anaka. Mirary soa ho anao aho,+ ary ho sitrana amin’iny aretina nampijaly anao iny anie ianao!”+ 35  Ary raha mbola niteny izy, dia nisy lehilahy tonga avy tany an-tranon’ilay mpitantana ny synagoga, nilaza hoe: “Maty ny zanakao! Nahoana no mbola manahirana ny mpampianatra ihany ianao?”+ 36  Sendra ren’i Jesosy anefa izany, ka hoy izy tamin’ilay mpitantana ny synagoga: “Aza matahotra fa minoa fotsiny.”+ 37  Ary tsy nisy navelany hanaraka azy, afa-tsy i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahin’i Jakoba.+ 38  Koa tonga tao an-tranon’ilay mpitantana ny synagoga izy ireo. Ary hitan’i Jesosy ireo olona nitabataba, mbamin’ireo nitomany sy nidradradradra. 39  Rehefa niditra izy, dia nilaza tamin’ireo hoe: “Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty ilay zaza fa matory.”+ 40  Dia nihomehezan’ireo izy. Navoakany anefa izy rehetra, ary nentiny ny ray aman-drenin’ilay zaza sy ireo niaraka taminy, ka niditra tao amin’ny nisy an’ilay zaza izy.+ 41  Ary noraisiny ny tanan’ilay zaza ka hoy izy taminy: “Talita komy”, raha adika dia hoe: “Ry zazavavy, hoy aho aminao: Miarena!”+ 42  Dia niarina avy hatrany razazavavy ka nanomboka nandeha, fa roa ambin’ny folo taona izy. Raha vao nahita izany ny ray aman-dreniny, dia faly tsy nisy hoatr’izany.+ 43  Nodidian’i Jesosy imbetsaka anefa ireo mba tsy hampahafantatra+ izany na amin’iza na amin’iza. Ary nilaza izy fa tokony homena hanina razazavavy.

Fanamarihana