Marka 6:1-56

6  Dia niala teo izy ka tonga tao amin’ny faritra niaviany, ary nanaraka azy ny mpianany.+  Nony tonga ny sabata, dia nanomboka nampianatra tao amin’ny synagoga izy. Ary nitolagaga ny ankamaroan’ireo nihaino, ka niteny hoe: “Taiza no nahazoan’ilehio an’izany?+ Fa ahoana no nahazoany izany fahendrena izany, ary ahoana no ahavitany fahagagana toy izao?  Tsy io ve ilay mpandrafitra+ zanak’i Maria+ sady rahalahin’i Jakoba+ sy Josefa sy Jodasy ary Simona?+ Ary tsy etỳ amintsika ve ireo anabaviny?” Koa tafintohina noho ny aminy izy ireo.+  Hoy anefa i Jesosy tamin’ireo: “Ao amin’ny faritra niaviany+ sy eo amin’ny havany ary ao an-tranony ihany ny mpaminany no tsy mba hajaina.”+  Koa tsy afaka nanao fahagagana teo izy, afa-tsy fametrahan-tanana tamin’ny marary vitsivitsy ka nanasitrana an’ireny.  Gaga tokoa izy noho ny tsy finoan’ireo. Ary nandeha nitety ny tanàna teny amin’ny manodidina izy, sady nampianatra.+  Nasainy nankeo aminy izy roa ambin’ny folo lahy, ary nanomboka naniraka azy tsiroaroa+ izy. Ary nomeny fahefana hamoaka fanahy maloto izy ireo.+  Nodidiany koa ireo mba tsy hitondra na inona na inona any amin’izay halehany, afa-tsy tehina ihany, ka tsy hitondra mofo, na kitapom-batsy,+ na vola varahina ao anaty fehikibo fasiany vola,+  fa hanao kapa kosa, ary tsy hanao akanjo roa.+ 10  Hoy koa izy tamin’ireo: “Na aiza na aiza trano hidiranareo,+ dia mitoera ao mandra-pialanareo amin’izany faritra izany.+ 11  Ary na aiza na aiza toerana tsy handray anareo na tsy hihaino anareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ny faladianareo rehefa miala ao, mba ho vavolombelona aminy.”+ 12  Koa lasa nandeha nitory ireo mba hibebahan’ny olona.+ 13  Ary namoaka demonia+ maro sy nanosotra menaka+ tamin’ny marary maro izy ireo, ka nanasitrana an’ireny.+ 14  Ren’i Heroda Mpanjaka izany, satria nanjary fanta-bahoaka ny anaran’i Jesosy. Ary hoy ny olona: “Nitsangana tamin’ny maty i Jaona Mpanao Batisa, ka izany no ahavitany fahagagana.”+ 15  Hoy kosa ny hafa: “I Elia+ izany.” Nisy koa niteny hoe: “Mpaminany tahaka ny mpaminany rehetra izany.”+ 16  Hoy anefa i Heroda nony nahare izany: “I Jaona izay, ilay notapahiko ny lohany. Izy izay nitsangana izay.”+ 17  I Heroda mantsy efa naniraka olona hisambotra an’i Jaona sy hamatotra azy tao am-ponja, noho ny amin’i Herodiasy vadin’i Filipo rahalahiny. Efa nalainy ho vadiny mantsy ravehivavy.+ 18  Fa imbetsaka i Jaona no niteny tamin’i Heroda hoe: “Tsy azonao atao ny maka ny vadin’ny rahalahinao.”+ 19  Ary nitahiry lolompo+ tamin’i Jaona i Herodiasy ka te hamono azy, saingy tsy afaka.+ 20  Natahotra+ mantsy i Heroda noho ny amin’i Jaona, izay fantany fa olo-marina sy masina+ ka narovany. Isaky ny nihaino+ an’i Jaona izy, dia very hevitra ny amin’izay tokony hataony aminy, nefa nahafaly azy foana ny nihaino azy. 21  Tonga anefa ny andro iray tena nety,+ dia ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i+ Heroda, izay nanaovany fanasana takariva ho an’ny manam-pahefana ambony sy ny mpitari-tafika ary ireo lohandohany tany Galilia. 22  Ary niditra ny zanakavavin’i Herodiasy ka nandihy. Dia nahafaly an’i Heroda sy ireo nandry ilika+ niara-nisakafo taminy izany. Koa hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: “Angataho amiko izay rehetra tianao, fa homeko anao.” 23  Nianiana taminy mihitsy izy hoe: “Na inona na inona angatahinao, dia homeko anao,+ eny fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza.”+ 24  Koa nivoaka razazavavy ka nilaza tamin-dreniny hoe: “Inona no tokony hangatahiko?” Dia hoy ny reniny: “Ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa.”+ 25  Avy hatrany dia niditra faingana tao amin’ny mpanjaka razazavavy ka nangataka hoe: “Tiako raha homenao ahy izao ankehitriny izao eo ambony vilia ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa.” 26  Dia nalahelo mafy ny mpanjaka. Na izany aza, dia tsy te hitsipaka ny tenin-drazazavavy izy, noho ny fianianany sy noho ireo olona nandry ilika nisakafo teo.+ 27  Koa nirahin’ny mpanjaka avy hatrany ny iray tamin’ny mpiaro azy ka nodidiany hitondra ny lohan’i Jaona. Dia lasa io nanapaka ny lohan’i Jaona tao am-ponja.+ 28  Ary nentiny teo am-bilia izany, ka nomeny an-drazazavavy, ary razazavavy kosa nanome izany an-dreniny.+ 29  Nony ren’ny mpianatr’i Jaona izany, dia tonga izy ireo naka ny fatiny ka nametraka izany tany am-pasana.+ 30  Ary niangona teo amin’i Jesosy ny apostoly ka nilaza taminy izay rehetra nataon’izy ireo sy nampianariny.+ 31  Dia hoy izy tamin’ireo: “Andao hitokana any amin’ny toerana mangina,+ dia mialà sasatra kely.”+ Fa maro ny olona nivezivezy ka tsy nanam-potoana hihinanan-kanina akory izy ireo.+ 32  Koa lasa nandeha an-tsambokely ho any amin’ny toerana mangina izy ireo.+ 33  Hitan’ny olona anefa ny niaingan’ireo, ka nanjary fantatry ny maro izany. Ary niala avy any amin’ny tanàna rehetra ny olona ka nihazakazaka nirohotra nankany, ary tonga talohan’ireo.+ 34  Nony niala avy tao an-tsambokely i Jesosy, dia nahita vahoaka be. Nangoraka+ an’ireo anefa izy, satria toy ny ondry tsy misy mpiandry+ ireo. Ary nanomboka nampianatra azy zavatra maro izy.+ 35  Efa hariva ny andro, ary nanatona azy ny mpianany ka niteny hoe: “Mitokana ity toerana ity, ary efa hariva sahady ny andro.+ 36  Koa ravao ny olona mba handehanany eny ambanivohitra eny sy eny amin’ny tanàna manodidina hividy zavatra hohanina.”+ 37  Dia hoy ny navaliny azy ireo: “Omeo zavatra hohanina izy.” Ary hoy ireo taminy: “Handeha hividy mofo azon’ny denaria roanjato ve izahay mba homenay hohanin’ireo olona ireo?”+ 38  Dia hoy izy tamin’ireo: “Firy ny mofo any aminareo? Mandehana jereo!” Rehefa avy namantatra an’izany izy ireo dia niteny hoe: “Mofo dimy sy trondro roa.”+ 39  Ary nasainy nandry ilika teo amin’ny ahi-maitso+ ny olona rehetra ka nasainy nitsitokotoko.+ 40  Koa nitsotsotra ny olona, ary nitsitokotoko zato sy dimampolo avy.+ 41  Ary nalain’i Jesosy ny mofo dimy sy ny trondro roa, dia niandrandra ny lanitra izy ka nivavaka.+ Notapahiny+ ny mofo ka nomeny ny mpianatra, mba haroson’ireo eo anoloan’ny olona. Ary nozarainy ho an’ny rehetra ny trondro roa. 42  Koa nihinana ny rehetra ka voky.+ 43  Ary nangoniny ny sombintsombin’ny mofo, ka nahafeno harona roa ambin’ny folo, ankoatra ny trondro. 44  Lehilahy dimy arivo anefa no nihinana ny mofo.+ 45  Dia notereny hiakatra an-tsambokely avy hatrany ny mpianany mba hialoha azy ho eny ampita ho any Betsaida, raha mbola nandrava ny vahoaka izy.+ 46  Rehefa nataony veloma ny vahoaka, dia nankany an-tendrombohitra izy mba hivavaka.+ 47  Efa maizina ny andro, ary teny afovoan’ny ranomasina ilay sambokely, fa izy kosa irery teny an-tanety.+ 48  Rehefa hitany fa sahirana mafy+ nivoy ireo, fa notoherin’ny rivotra, dia nandeha teo ambony ranomasina izy nanatona an’ireo, tokony ho tamin’ny fotoam-piambenana fahefatra* tamin’ny alina. Ary toy ny hoe hisongona an’ireo izy. 49  Raha vao nahita azy nandeha teo ambony ranomasina ireo, dia nihevitra hoe: “Misy zavatra hafahafa iny!” Ary niantsoantso mafy ireo,+ 50  satria nahita azy izy rehetra ka natahotra. Niteny tamin’ireo avy hatrany anefa izy hoe: “Mahereza fa izaho ihany ity. Aza matahotra.”+ 51  Ary niakatra tao an-tsambokely izy, ka nitsahatra ny rivotra. Ary gaga be mihitsy ireo,+ 52  satria tsy takany ny hevitra tiana hampitaina tamin’ny alalan’ilay fahagagana momba ireo mofo, fa mbola donto ny fony ka tsy azon’izy ireo ny hevitr’izany.+ 53  Nony tafita teny an-tanety izy ireo, dia tonga tao Genesareta ka nandatsaka vatofantsika tsy lavitra teo.+ 54  Raha vao niala teo an-tsambokely anefa izy ireo, dia fantatry ny olona i Jesosy. 55  Ary nihazakazaka nanerana an’izany faritra izany ny olona, ka nitondra ny marary tamin’ny fandriana nankany amin’izay reny fa nisy an’i Jesosy. 56  Ary na taiza na taiza no nidiran’i Jesosy, na tanàna kely na lehibe, na tany ambanivohitra,+ dia napetraky ny olona teny an-tsena ny marary. Dia niangavy izy ireo mba havela hikasika+ ny mikiramborambo amin’ny morontongotry+ ny akanjony ivelany fotsiny. Ary sitrana izay rehetra nikasika izany.+

Fanamarihana

Jereo Mt 14:25 f.a.p.