Marka 7:1-37

7  Ary nisy Fariseo sy mpanora-dalàna avy any Jerosalema niangona teo aminy.+  Hitan’ireo fa nisy mpianatr’i Jesosy nihinan-kanina tamin’ny tanana maloto, izany hoe tsy nisasa.+  Ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra anefa tsy mba nihinana raha tsy efa nanasa tanana hatreo amin’ny kiho, satria nitana mafy ny fomban-drazana.  Rehefa avy any an-tsena izy ireo, dia tsy nihinana raha tsy efa nidio tamin’ny rano afafy. Nisy fomban-drazana+ maro hafa koa narahiny, toy ny fandrobohana kaopy sy zinga ary fitaovana varahina ao anaty rano.+  Koa nanontany an’i Jesosy ireo Fariseo sy mpanora-dalàna ireo hoe: “Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fomban-drazana, fa mihinana amin’ny tanana maloto?”+  Ary hoy izy tamin’ireo: “Marina ny naminanian’i Isaia momba anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra+ hoe: ‘Manaja ahy an-tendro-molotra fotsiny ity vahoaka ity, fa ny fony kosa lavitra ahy.+  Koa very maina ny mbola ivavahany foana amiko, satria didin’olombelona no ampianariny.’+  Ataonareo tsinontsinona ny didin’Andriamanitra fa ny fomban-drazana no ifikiranareo.”+  Hoy koa izy tamin’ireo: “Kinga erỳ ianareo manilika ny didin’Andriamanitra+ mba hihazonanareo ny fomban-drazana. 10  Nilaza, ohatra, i Mosesy hoe: ‘Hajao ny rainao sy ny reninao’,+ ary hoe: ‘Aoka ho faty izay manevateva ny rainy na ny reniny.’+ 11  Fa hoy kosa ianareo: ‘Raha misy miteny amin’ny rainy na ny reniny hoe: “Efa korbana, izany hoe fanomezana voatokana+ ho an’Andriamanitra, ny fananako rehetra azonao andraisan-tsoa avy amiko”’+... 12  Ary tsy avelanareo intsony izy hanao na inona na inona ho an’ny rainy na ny reniny.+ 13  Koa ataonareo tsy manan-kery ny tenin’Andriamanitra+ noho ny fomban-drazana nampitampitainareo. Ary manao zavatra maro+ tahaka izany ianareo.” 14  Nantsoiny hankeo aminy indray ny vahoaka, ka hoy izy tamin’ireo: “Mihainoa ahy ianareo rehetra, ka fantaro ny hevitry ny teniko:+ 15  Tsy misy mahaloto ny olona izay zavatra avy eny ivelan’ny tenany ka mandalo ao anatiny. Fa izay mivoaka avy amin’ny olona no mandoto azy.”+ 16 * —— 17  Ary nony niala teo amin’ny vahoaka izy ka niditra tao amin’ny trano iray, dia nanontany azy momba ilay fanoharana ny mpianany.+ 18  Koa hoy izy tamin’ireo: “Tsy mahataka-javatra tahaka ireny olona ireny koa ve ianareo?+ Tsy fantatrareo ve fa tsy misy mahaloto ny olona izay zavatra avy eny ivelan’ny tenany ka mandalo ao anatiny, 19  satria tsy miditra ao am-pony izany fa ao amin’ny tsinainy, dia mivoaka ka mankany amin’ny lavaka fanariana maloto?”+ Koa nambarany tamin’izany fa madio ny sakafo rehetra.+ 20  Hoy koa izy: “Izay mivoaka avy amin’ny olona no mandoto azy.+ 21  Fa avy ao anatin’ny olona, eny, avy ao am-pony,+ no ivoahan’ny eritreri-dratsy, dia fijangajangana,+ halatra, vonoan’olona,+ 22  fanitsakitsaham-bady, fitsiriritana,+ fanaovan-dratsy, fitaka, fitondran-tena baranahiny,+ maso feno fitsiriritana, fanevatevana, fanambonian-tena, fanaovana hadalana. 23  Avy ao anatin’ny olona avokoa ireo zava-dratsy rehetra ireo, ka mandoto azy.”+ 24  Ary nitsangana niala teo izy ka nankany amin’ny faritr’i Tyro sy Sidona,+ dia niditra tao amin’ny trano iray. Ary tsy tiany hisy hahafantatra izany. Nisy nahamarika ihany anefa izy.+ 25  Avy hatrany dia nahare momba azy ny vehivavy iray nanan-janaka vavikely nisy fanahy maloto, ka tonga niankohoka teo an-tongony.+ 26  Grika ravehivavy saingy olom-pirenena syrianina-fenisianina. Ary nitalaho naharitra taminy ravehivavy mba hamoahany ilay demonia tamin’ny zanany vavy.+ 27  Hoy anefa i Jesosy taminy: “Avelao aloha ho voky ny zaza, fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza+ ka atsipy ho an’ny alikakely.”+ 28  Hoy anefa ny navalin-dravehivavy: “Marina izany, tompoko, kanefa ny alikakely eo ambany latabatra mba mihinana ihany amin’ny poti-mofon-jaza.”+ 29  Ary hoy izy: “Noho ianao niteny izany, dia mandehana fa efa niala tamin’ny zanakao vavy ilay demonia.”+ 30  Koa lasa nody ravehivavy ka hitany+ fa nandry teo am-pandriana ilay zaza ary efa niala ilay demonia. 31  Ary niverina avy tany amin’ny faritr’i Tyro izy ka nandalo an’i Sidona sy ny faritr’i Dekapolisy, dia tonga tany amin’ny ranomasin’i Galilia.+ 32  Ary nentin’ny olona teo aminy ny lehilahy iray marenina sady niraiki-dela, ka niangavian’ireo izy hametra-tanana aminy.+ 33  Koa nentin’i Jesosy nihataka tamin’ny vahoaka ralehilahy, nankany amin’ny toerana mitokana. Ary nampidiriny tao an-tsofin-dralehilahy ny rantsantanany, ka rehefa avy nandrora izy, dia nokasihiny ny lelan-dralehilahy.+ 34  Ary niandrandra ny lanitra+ izy sady nisento+ lalina ka niteny tamin-dralehilahy hoe: “Efata”, izany hoe: “Misokafa.” 35  Koa nandre ralehilahy,+ ary nivaha ny fatoran’ny lelany, dia nanomboka niteny ara-dalàna izy. 36  Ary nodidian’i Jesosy ny olona tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza,+ kanefa arakaraka ny nandidiany azy ireo no vao mainka nampielezan’ireo izany.+ 37  Fa gaga+ tsy nisy toy izany ireo ka niteny hoe: “Tsara avokoa izay rehetra ataony. Vitany mihitsy aza ny manao izay handrenesan’ny marenina sy hitenenan’ny moana.”+

Fanamarihana

Jereo Mt 17:21 f.a.p.