Marka 8:1-38

8  Tamin’izany andro izany, dia nisy vahoaka be indray teo, ary tsy nanan-kohanina izy ireo. Koa nasain’i Jesosy nankeo aminy ny mpianany ka nilazany hoe:+  “Mampalahelo ahy+ ny vahoaka, fa efa telo andro izao no nitoerany teto amiko ary tsy manan-kohanina izy.  Raha alefako mody tsy mihinan-kanina ireo, dia ho reraka eny an-dalana. Avy lavitra anefa ny sasany.”  Fa hoy ny navalin’ny mpianany azy: “Aiza atỳ amin’ity toerana mitokana ity no hahitana mofo hahavoky ireo olona ireo?”+  Mbola nanontaniany ihany anefa ireo hoe: “Manana mofo firy ianareo?” Dia hoy ireo: “Fito.”+  Koa nasainy nandry ilika teo amin’ny tany ny vahoaka. Ary noraisiny ny mofo fito ka nisaotra+ an’Andriamanitra izy. Dia notapahiny izany ka nomeny ny mpianany mba haroso. Koa naroson’ireo tamin’ny vahoaka izany.+  Nanana trondro madinika vitsivitsy koa ireo. Rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra izy, dia nasainy naroso koa izany.+  Koa nihinana ny olona ka voky, ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika fito.+  Lehilahy tokony ho efatra arivo anefa no teo. Ary noravany ny olona tamin’ny farany.+ 10  Niakatra avy hatrany tao an-tsambokely izy sy ny mpianany ka tonga tany amin’ny faritr’i Dalmanota.+ 11  Ary nivoaka ny Fariseo ka nanomboka niady hevitra taminy, eny, nitady famantarana avy any an-danitra ireo mba hitsapana azy.+ 12  Koa nalahelo mafy+ i Jesosy tao am-pony tao ka niteny hoe: “Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy misy famantarana homena an’ity taranaka ity.”+ 13  Ary nandao an’ireo izy ka niakatra an-tsambokely indray, dia nankeny ampita. 14  Ary nanadino nitondra mofo ny mpianatra, ka tsy nanana afa-tsy mofo iray monja izy ireo tao an-tsambokely.+ 15  Ary nodidian’i Jesosy mazava ireo hoe: “Aoka ho mailo hatrany ianareo, ka mitandrema amin’ny lalivain’ny Fariseo sy ny lalivain’i Heroda.”+ 16  Koa niady hevitra ireo satria tsy nanana mofo.+ 17  Tsikaritr’i Jesosy izany, ka hoy izy tamin’ireo: “Nahoana ianareo no miady hevitra noho ny tsy fanananareo mofo?+ Mbola tsy takatrareo na azonareo ihany ve? Donto ve ny fonareo ka tsy azonareo ny hevitr’izany?+ 18  ‘Mana-maso ve ianareo nefa tsy mahita, ary manan-tsofina nefa tsy mandre?’+ Tsy tadidinareo ve 19  ny nanapahako mofo+ dimy ho an’ny dimy arivo lahy? Nahafeno harona firy ny sombintsombiny voangonareo?” Dia hoy ireo taminy: “Roa ambin’ny folo.”+ 20  “Ary rehefa nanapaka ny mofo fito ho an’ny efatra arivo lahy aho, nahafeno sobika firy ny sombintsombiny voangonareo?” Hoy ireo taminy: “Fito.”+ 21  Koa hoy izy tamin’ireo: “Mbola tsy azonareo ihany ve ny hevitr’izany?”+ 22  Nony tonga tao Betsaida izy ireo, dia nentin’ny olona nankeo aminy ny lehilahy iray jamba. Ary niangavian’ireo izy hikasika+ an’ilay jamba. 23  Dia notantanany ralehilahy ka nentiny nankany ivelan’ny tanàna. Ary nororany+ ny masony, ka nametrahany tanana izy sady nanontaniany hoe: “Misy zavatra hitanao ve?” 24  Ary niandrandra ralehilahy ka niteny hoe: “Olona no hitako, satria toy ny hazo no hitako nefa mandehandeha.” 25  Ary napetrany teo amin’ny mason-dralehilahy indray ny tanany, dia nahita tsara izy. Ary sitrana izy, ka hitany mazava tsara ny zava-drehetra. 26  Koa nalefan’i Jesosy nody izy, nefa nilazany hoe: “Aza mbola miditra ao an-tanàna aloha.”+ 27  Ary niala teo i Jesosy sy ny mpianany ka nankany amin’ireo tanàna any Kaisaria-Filipo. Teny an-dalana, dia nanontany ny mpianany izy hoe: “Lazain’ny olona ho iza moa aho?”+ 28  Dia hoy ireo taminy: “Jaona Mpanao Batisa.+ Milaza ny hafa hoe Elia,+ ary misy koa manao hoe ny iray amin’ny mpaminany.”+ 29  Koa nanontany an’ireo izy hoe: “Fa ianareo kosa milaza hoe iza aho?” Dia hoy ny navalin’i Petera azy: “Ianao no Kristy.”+ 30  Tamin’izay izy dia nandrara azy ireo mafy tsy hilaza ny momba azy na amin’iza na amin’iza.+ 31  Ary nanomboka nampianatra azy ireo koa izy fa tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona, sady holavin’ny anti-panahy sy ny lehiben’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna ka hovonoina ho faty,+ ary hitsangana rehefa afaka telo andro.+ 32  Tsy niolakolaka mihitsy izy niteny izany. Nentin’i Petera hihataka kely anefa izy ary noteneniny mafy.+ 33  Ary nitodika izy, dia nijery an’ireo mpianany ka niteny mafy an’i Petera hoe: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, satria tsy ny hevitr’Andriamanitra no eritreretinao, fa ny an’ny olombelona.”+ 34  Ary nantsoiny nankeo aminy ny vahoaka sy ny mpianany, ka hoy izy tamin’ireo: “Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handa ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliany ary hanaraka ahy mandrakariva.+ 35  Fa izay te hamonjy ny ainy dia hamoy azy, ary izay mamoy ny ainy noho ny amiko sy ny vaovao tsara kosa dia hamonjy azy.+ 36  Fa inona tokoa moa no soa ho azon’ny olona raha mahazo an’izao tontolo izao izy nefa very ny ainy?+ 37  Fa inona tokoa moa no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?+ 38  Fa na iza na iza menatra noho ny amiko sy ny teniko, eto amin’ity taranaka mpanitsakitsa-bady sy mpanota ity, dia ho menatra+ noho ny aminy koa ny Zanak’olona rehefa tonga amin’ny voninahitry ny Rainy izy, miaraka amin’ny anjely masina.”+

Fanamarihana