Marka 9:1-50

9  Hoy koa izy tamin’ireo: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa misy amin’izay mijoro eto tsy handia fahafatesana mihitsy, mandra-pahitany ny fanjakan’Andriamanitra efa tonga amin-kery.”+  Enina andro taorian’izay àry, dia nentin’i Jesosy niaraka taminy i Petera sy Jakoba ary Jaona, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo. Ary niova tarehy teo anatrehan’ireo izy,+  ka nanjary namirapiratra ny akanjony ivelany, sady tena fotsy be, ary tsy misy mpanadio lamba mahafotsy lamba toy izany eto an-tany.+  Niseho tamin’ireo koa i Elia sy Mosesy, izay samy niresaka tamin’i Jesosy.+  Koa hoy i Petera tamin’i Jesosy: “Raby ô, tsara ho antsika eto, koa avelao izahay hanangana tranolay telo, ka ny iray ho anao, ny iray ho an’i Mosesy, ary ny iray ho an’i Elia.”+  Tsy fantany, raha ny marina, izay tokony holazainy, fa raiki-tahotra izy ireo.  Ary nisy rahona nanaloka an’ireo mpianatra, dia nisy feo+ avy tao amin’ilay rahona nanao hoe: “Io no Zanako+ malalako. Henoy izy.”+  Tampoka teo anefa dia nijery nanodidina izy ireo, fa tsy nahita afa-tsy i Jesosy irery ihany sisa.+  Raha mbola nidina ny tendrombohitra izy ireo, dia nandidy azy i Jesosy mba tsy hitantara+ izay hitany na amin’iza na amin’iza, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona amin’ny maty.+ 10  Nandray izany am-po ireo, nefa nifampiresaka ny amin’izay dikan’izany fitsanganana amin’ny maty izany. 11  Ary nanontany an’i Jesosy ireo hoe: “Nahoana no milaza ny mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?”+ 12  Dia hoy izy tamin’ireo: “Ho avy tokoa aloha i Elia ka hamerina amin’ny laoniny ny zava-drehetra.+ Nahoana anefa no voasoratra fa tsy maintsy hijaly mafy+ ny Zanak’olona ka hatao tsinontsinona?+ 13  Fa lazaiko aminareo fa efa tonga tokoa i Elia,+ ary nataon’ny olona taminy izay rehetra tiany hanaovana azy, araka ny voasoratra momba azy.”+ 14  Ary nankeny amin’ny mpianatra hafa izy ireo. Tamin’izay dia hitan’izy ireo fa nisy vahoaka be nanodidina ny mpianatra ary nisy mpanora-dalàna niady hevitra taminy.+ 15  Taitra sy gaga anefa ny vahoaka rehetra raha vao nahita an’i Jesosy, ka nihazakazaka nankeo aminy, dia niarahaba azy. 16  Koa nanontaniany ireo hoe: “Inona no iadianareo hevitra amin’ireo?” 17  Ary hoy ny iray tamin’ny vahoaka: “Mpampianatra ô, nentiko atỳ aminao ny zanako lahy fa misy fanahy mampahamoana ao aminy.+ 18  Na aiza na aiza no ahazoan’ilay fanahy azy, dia atontany amin’ny tany izy, ka mamoaka roatram-bava sy mihidy vazana ary lany hery. Nilazako ny mpianatrao mba hamoaka azy, saingy tsy vitany.”+ 19  Hoy ny navaliny azy ireo: “Ry taranaka+ tsy manam-pinoana, mandra-pahoviana no tsy maintsy mbola hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no tsy maintsy handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy.”+ 20  Koa nentin’izy ireo teo aminy ilay zazalahy. Nony nahita an’i Jesosy anefa ilay fanahy, dia nataony nifanintontsintona avy hatrany ilay zaza, ka nianjera tamin’ny tany, dia nikodiadia sady namoaka roatram-bava.+ 21  Ary hoy i Jesosy tamin’ny rainy: “Hafiriana izay no nitrangan’izao taminy?” Dia hoy izy: “Hatramin’ny fahazazany. 22  Atsipin’ilay fanahy matetika ao anaty afo sy ao anaty rano izy mba hamonoany azy.+ Fa raha mba misy azonao atao re, dia mba iantrao izahay ka ampio e!” 23  Hoy anefa i Jesosy taminy: “‘Raha misy azonao atao’ hoe? Tsy misy tsy vitan’ny manam-pinoana ange e!”+ 24  Niantsoantso avy hatrany ny rain’ilay zaza, nanao hoe: “Manam-pinoana aho! Ampio aho eo amin’izay mbola tsy ampy amin’ny finoako!”+ 25  Ary nony hitan’i Jesosy fa nirohotra nanatona ny vahoaka, dia noteneniny mafy+ ilay fanahy maloto hoe: “Ry fanahy mampahamoana sy mampaharenina, mandidy anao aho: Mivoaha ao aminy ka aza miditra ao intsony.” 26  Nivoaka ilay fanahy rehefa avy niantsoantso sy nifanintontsintona be ilay zaza,+ izay tonga toy ny maty. Ary hoy ny ankamaroan’ny olona: “Maty izy!” 27  Fa noraisin’i Jesosy tamin’ny tanany izy ka nareniny, dia nitsangana.+ 28  Ary nony niditra tao amin’ny trano iray i Jesosy, dia nanontany azy mitokana ny mpianany hoe: “Nahoana no tsy vitanay ny namoaka an’iny?”+ 29  Dia hoy izy tamin’ireo: “Tsy tafavoaka iny karazany iny raha tsy amin’ny vavaka ihany.”+ 30  Ary niala teo izy ireo ka namakivaky an’i Galilia, nefa tsy tiany hisy hahafantatra izany. 31  Nampianatra ny mpianany mantsy izy ka niteny taminy hoe: “Hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’olona ka hovonoiny ho faty.+ Na ho faty aza anefa izy, dia hitsangana rehefa afaka telo andro.”+ 32  Tsy azon’ireo anefa izany teny izany, ary natahotra ny hanontany azy izy ireo.+ 33  Ary tonga tao Kapernaomy izy ireo. Koa nony tao an-trano izy dia nanontany an’ireo mpianany hoe: “Inona no nifandiranareo teny an-dalana?”+ 34  Fa tsy nahateny ireo, satria nifanditra ny amin’izay lehibe kokoa izy ireo teny an-dalana.+ 35  Koa nipetraka izy ka nantsoiny ny roa ambin’ny folo lahy ary nilazany hoe: “Raha misy te ho voalohany, dia tsy maintsy ho farany amin’ny rehetra sy hanompo ny rehetra izy.”+ 36  Ary nalainy ny zaza iray ka najorony teo afovoany sady nofihininy. Dia hoy izy tamin’ireo:+ 37  “Izay mandray zaza tahaka ity amin’ny anarako, dia mandray ahy. Ary izay mandray ahy, dia tsy mandray ahy fotsiny, fa mandray an’ilay naniraka ahy koa.”+ 38  Hoy i Jaona taminy: “Mpampianatra ô, nisy lehilahy hitanay namoaka demonia tamin’ny anaranao, ka nandramanay nosakanana izy+ satria tsy niaraka tamintsika.”+ 39  Dia hoy i Jesosy taminy: “Aza mitady hisakana azy, fa tsy misy hanao fahagagana amin’ny anarako ka vetivety eo dia ho afaka hanevateva ahy.+ 40  Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.+ 41  Na iza na iza manome rano eran’ny kaopy+ hosotroinareo satria an’i Kristy ianareo,+ dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very mihitsy ny valisoany. 42  Fa na iza na iza kosa mametraka vato mahatafintohina eo anoloan’ny iray amin’ireny madinika mino ireny, dia tsara kokoa ho azy ny hanantonana vato lehibe fikosoham-bary* eo amin’ny vozony, ka hatsipy any an-dranomasina.+ 43  “Raha mahatonga anao hanota ny tananao, dia tapaho. Fa aleo ianao kilemaina nefa miditra any amin’ny fiainana, toy izay manana tanana roa nefa ho any amin’ny Gehena,* any amin’ny afo tsy mety maty.+ 44 * —— 45  Ary raha mahatonga anao hanota ny tongotrao, dia tapaho. Fa aleo ianao tokan-tongotra+ nefa miditra any amin’ny fiainana, toy izay manana tongotra roa nefa hatsipy any amin’ny Gehena.*+ 46 * —— 47  Ary raha mahatonga anao hanota ny masonao, dia ario.+ Fa aleo ianao toka-maso nefa miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra, toy izay manana maso roa nefa hatsipy any amin’ny Gehena.*+ 48  Fa any dia tsy maty ny olitra amin’ny fatin’izy ireo, ary tsy mety maty ny afo.+ 49  “Fa tsy maintsy hiraraka amin’ny rehetra ny afo, toy ny firaraky ny sira.+ 50  Tsara ny sira, nefa raha ny sira indray no lasa matsatso, inona no hataonareo aminy mba hamerenana ny tsirony?+ Koa manàna sira+ ao anatinareo, ka mihavàna+ tsara hatrany ianareo.”

Fanamarihana

Jereo Mt 18:6 f.a.p.
Jereo F.F. 3E.
Jereo Mt 17:21 f.a.p.
Jereo F.F. 3E.
Jereo Mt 17:21 f.a.p.
Jereo F.F. 3E.