Matio 1:1-25

1  Ny bokin’ny tantaran’i+ Jesosy Kristy, zanak’i Davida,+ zanak’i Abrahama:+   I Abrahama niteraka an’i Isaka;+Isaka niteraka an’i Jakoba;+Jakoba niteraka an’i Joda+ sy ireo rahalahiny;   Joda niteraka an’i Pereza+ sy Zera tamin’i Tamara;Pereza niteraka an’i Hezrona;+Hezrona niteraka an’i Rama;+   Rama niteraka an’i Aminadaba;Aminadaba niteraka an’i Nasona;+Nasona niteraka an’i Salmona;+   Salmona niteraka an’i Boaza tamin’i Rahaba;+Boaza niteraka an’i Obeda tamin’i Rota;+Obeda niteraka an’i Jese;+   Jese niteraka an’i Davida+ Mpanjaka;+ Davida niteraka an’i Solomona+ tamin’ny vadin’i Oria;   Solomona niteraka an’i Rehoboama;+Rehoboama niteraka an’i Abia;Abia+ niteraka an’i Asa;+   Asa niteraka an’i Josafata;+Josafata niteraka an’i Jorama;+Jorama niteraka an’i Ozia;   Ozia niteraka an’i Jotama;Jotama+ niteraka an’i Ahaza;+Ahaza niteraka an’i Hezekia;+ 10  Hezekia niteraka an’i Manase;+Manase+ niteraka an’i Amona;+Amona+ niteraka an’i Josia; 11  Josia+ niteraka an’i Jekonia+ sy ireo rahalahiny tamin’ny fotoana nandefasana ny Jiosy tany an-tsesitany tany Babylona;+ 12  Jekonia niteraka an’i Sealtiela+ tany Babylona;Sealtiela niteraka an’i Zerobabela;+ 13  Zerobabela niteraka an’i Abihoda;Abihoda niteraka an’i Eliakima;Eliakima niteraka an’i Azora; 14  Azora niteraka an’i Zadoka;Zadoka niteraka an’i Akima;Akima niteraka an’i Elihoda; 15  Elihoda niteraka an’i Eleazara;Eleazara niteraka an’i Matana;Matana niteraka an’i Jakoba; 16  Jakoba niteraka an’i Josefa vadin’i Maria, ary i Maria niteraka an’i Jesosy,+ izay antsoina hoe Kristy.+ 17  Ny taranaka rehetra nanomboka tamin’i Abrahama ka hatramin’i Davida àry, dia nisy efatra ambin’ny folo; ary nanomboka tamin’i Davida ka hatramin’ny sesitany tany Babylona, dia efatra ambin’ny folo; ary nanomboka tamin’ny sesitany tany Babylona ka hatramin’i Kristy, dia efatra ambin’ny folo. 18  Toy izao no nahaterahan’i Jesosy Kristy: Efa voafofo+ ho vadin’i Josefa i Maria renin’i Jesosy no* nitoe-jaza noho ny herin’ny fanahy* masina,+ raha mbola tsy niray trano izy roa. 19  Olo-marina anefa i Josefa vadiny, sady tsy te hanala baraka azy ampahibemaso,+ ka nikasa hisaraka+ taminy mangingina. 20  Rehefa avy nieritreritra tsara momba izany anefa i Josefa, dia niseho taminy tao amin’ny nofy ny anjelin’i Jehovah, ka nilaza hoe: “Ry Josefa zanak’i Davida, aza matahotra ny hitondra an’i Maria vadinao ho ao an-tranonao, fa avy tamin’ny fanahy masina ny zaza ao an-kibony.+ 21  Hiteraka zazalahy izy, ary ataovy hoe Jesosy* ny anarany,+ fa izy no hamonjy+ ny fireneny+ ho afaka amin’ny fahotan’izy ireo.”+ 22  Nitranga tokoa izany rehetra izany mba ho tanteraka izay nolazain’i Jehovah+ tamin’ny alalan’ny mpaminaniny+ hoe: 23  “Ho bevohoka ny virjiny+ ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Imanoela.”+ Raha adika izany dia hoe: “Momba Anay Andriamanitra.”+ 24  Dia nifoha tamin’ny torimasony i Josefa, ka nanao araka izay nasain’ilay anjelin’i Jehovah nataony, ary nentiny tany an-tranony ny vadiny. 25  Tsy nanao firaisana+ taminy anefa i Josefa mandra-piterany zazalahy.+ Ary nataony hoe Jesosy ny anarany.+

Fanamarihana

A.b.t.: “no hita fa.”
Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.
Heb.: “Jesoa”, midika hoe “I Jehovah dia Famonjena.”