Matio 10:1-42

10  Koa nasainy nankeo aminy ny mpianany roa ambin’ny folo lahy, ka nomeny fahefana hamoaka fanahy* maloto+ sy hanasitrana ny karazan’aretina rehetra sy ny karazana kilema rehetra.  Ireto avy ny anaran’ny+ apostoly roa ambin’ny folo:+ Voalohany, Simona, ilay antsoina hoe Petera,+ sy Andrea+ rahalahiny; avy eo Jakoba zanak’i Zebedio+ sy Jaona rahalahiny;  Filipo sy Bartolomeo;+ Tomasy+ sy Matio+ mpamory hetra; Jakoba zanak’i Alfeo,+ sy Tadeo;  Simona Kananeanina+ ary Jodasy Iskariota, ilay namadika+ an’i Jesosy tatỳ aoriana.  Dia nirahin’i Jesosy izy roa ambin’ny folo lahy, ka nodidiany hoe:+ “Aza mandeha any amin’ny lalan’ny hafa firenena, ary aza miditra ao amin’ny tanànan’ny Samaritanina,+  fa any amin’ny ondry very eo amin’ny taranak’Israely+ ihany mandeha.  Rehefa mandeha ianareo, dia mitoria hoe: ‘Efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.’+  Sitrano ny marary,+ atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia. Efa nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.+  Aza mitady volamena na volafotsy na varahina hatao ao anaty fehikibo fasianareo vola,+ 10  ary aza mitady kitapom-batsy hoentina any amin’izay halehanareo, na akanjo roa, na kapa na tehina. Fa ny mpiasa mendrika hahazo ny sakafony.+ 11  “Any amin’izay tanàna na vohitra idiranareo, dia tadiavo izay mendrika ao, ka mitoera ao mandra-pialanareo.+ 12  Rehefa miditra ao an-trano ianareo, dia arahabao ny ao. 13  Raha mendrika ny ao an-trano, dia aoka ho tonga aminy ny fiadanana irinareo ho azony,+ fa raha tsy mendrika kosa, dia aoka hiverina aminareo ny fiadananareo. 14  Na aiza na aiza misy tsy mandray anareo na tsy mihaino ny teninareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo rehefa miala ao amin’izany trano na tanàna izany ianareo.+ 15  Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho mora kokoa ny hanjo ny tanin’i Sodoma+ sy Gomora amin’ny Andro Fitsarana, noho ny hanjo izany tanàna izany.+ 16  “Maniraka anareo aho, ka ho toy ny ondry eo afovoan’ny amboadia+ ianareo. Koa aoka ianareo ho malina tahaka ny bibilava,+ nefa tsy hanan-tsiny tahaka ny voromailala.+ 17  Mitandrema amin’ny olona,+ fa hatolony amin’ny fitsarana eo an-toerana ianareo,+ ary hokaravasiny+ any amin’ny synagogany.+ 18  Hotaritarihina hankeo anatrehan’ny governora sy ny mpanjaka+ ianareo noho ny amiko, ka izany dia ho vavolombelona+ aminy sy amin’ireo firenena. 19  Rehefa atolony anefa ianareo, dia aza manahy ny amin’ny fomba hitenenanareo sy izay holazainareo, fa homena anareo amin’izany ora izany izay tokony holazainareo.+ 20  Tsy hoe ianareo fotsiny mantsy no miteny, fa ny fanahin’ny Rainareo no miteny amin’ny alalanareo.+ 21  Ary ny rahalahy+ koa hanolotra ny rahalahiny ho faty, ny ray hanolotra ny zanany, ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny ray aman-dreniny ka hampamono azy ho faty.+ 22  Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.+ Fa izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.+ 23  Rehefa enjehiny ao amin’ny tanàna iray ianareo, dia mandosira any amin’ny tanàna hafa.+ Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho tapitra voatetinareo daholo ny tanànan’ny+ Israely, mandra-pahatongan’ny Zanak’olona.+ 24  “Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra azy, na ny mpanompo noho ny tompony.+ 25  Efa ampy raha ny mpianatra no tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo tahaka ny tompony.+ Raha ny tompon-trano aza antsoin’ny olona hoe Belzeboba,+ tsy mainka ve fa ny ankohonan’ilay tompon-trano? 26  Koa aza matahotra an’ireny olona ireny, fa tsy misy misarona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra.+ 27  Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina dia lazao ao amin’ny mazava, ary izay bitsibitsihina aminareo dia torio eny an-tampon-trano.+ 28  Ary aza matahotra+ an’izay mamono mahafaty anareo, nefa tsy mahafoana ny fiainanareo* ho avy, fa aleo matahotra an’ilay+ mahavita mandringana anareo ao amin’ny Gehena.*+ 29  Tsy vola madinika kely vidy* ve no ivarotana fody roa?+ Tsy hisy ho latsaka amin’ny tany anefa ireny na iray aza, ka tsy ho fantatry ny Rainareo.+ 30  Ary na ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.+ 31  Koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo.+ 32  “Izay manaiky ahy eo anatrehan’ny olona, dia hekeko+ koa eo anatrehan’ny Raiko any an-danitra. 33  Fa izay mandà ahy eo anatrehan’ny olona kosa, dia holaviko+ koa eo anatrehan’ny Raiko any an-danitra. 34  Aza mihevitra fa tonga hitondra fihavanana eto an-tany aho. Tsy tonga hitondra fihavanana aho+ fa hitondra sabatra. 35  Fa tonga aho hampisaraka ny lehilahy amin’ny rainy, ny zanakavavy amin’ny reniny, ary ny vinantovavy amin’ny rafozambaviny.+ 36  Ary ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony. 37  Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany ahy dia tsy mendrika ahy, ary izay tia zanakalahy na zanakavavy mihoatra noho ny fitiavany ahy dia tsy mendrika ahy.+ 38  Ary izay tsy manaiky hitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka ahy, dia tsy mendrika ahy.+ 39  Izay mamonjy ny ainy* no hamoy izany, ary izay mamoy ny ainy noho ny amiko kosa no hamonjy izany.+ 40  “Izay mandray anareo dia mandray ahy, ary izay mandray ahy dia mandray an’ilay naniraka ahy koa.+ 41  Izay mandray mpaminany satria mpaminany ilay raisiny, dia hahazo ny valisoan’ny mpaminany.+ Izay mandray olo-marina satria olo-marina ilay raisiny, dia hahazo ny valisoan’ny olo-marina.+ 42  Ary izay manome rano mangatsiaka na eran’ny kaopy fotsiny aza, hosotroin’ny iray amin’ireto madinika ireto satria fantany fa mpianatro ilay omeny, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very mihitsy ny valisoany.”+

Fanamarihana

Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.
Jereo F.F. 3E.
Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.
A.b.t.: “asariona iray.”
Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.