Matio 11:1-30

11  Rehefa avy nanome toromarika ny mpianany roa ambin’ny folo lahy i Jesosy, dia niala teo ka nitety tanàna mba hampianatra sy hitory tany amin’ny tanàna hafa.+  Ary ren’i Jaona tany am-ponja+ ny asa nataon’i Kristy. Koa naniraka ny mpianany izy  hilaza taminy hoe: “Ianao ve Ilay ho avy, sa hafa no tokony handrasanay?”+  Hoy ny navalin’i Jesosy: “Mandehana, lazao amin’i Jaona izao renareo sy hitanareo izao:  Mahiratra ny jamba,+ mandeha ny malemy,+ voadio ny boka,+ mandre ny marenina,+ atsangana ny maty,+ ary itoriana ny vaovao tsara+ ny mahantra.  Ary sambatra izay tsy tafintohina noho ny amiko.”+  Nony lasa ireo, dia izao no nolazain’i Jesosy tamin’ny vahoaka, momba an’i Jaona: “Hijery inona no nivoahanareo nankany an-tany efitra?+ Bararata ahetsiketsiky ny rivotra ve?+  Sa hijery inona no nivoahanareo? Olona manao akanjo vita tamin’ny ravin-damba malefaka ve? Any an-tranon’ny mpanjaka no misy manao akanjo toy izany.+  Inona marina àry no antony nivoahanareo? Hijery mpaminany ve? Eny, lazaiko aminareo fa mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.+ 10  Fa izao no voasoratra momba azy: ‘Hirahiko mialoha anao ny irako, izay hanomana ny lalanao eo alohanao!’+ 11  Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin’izay natera-behivavy,+ dia mbola tsy nisy lehibe noho i Jaona Mpanao Batisa. Izay kely indrindra ao amin’ny fanjakan’ny+ lanitra anefa dia lehibe noho izy. 12  Hatramin’ny andron’i Jaona Mpanao Batisa ka hatramin’izao, dia ny fanjakan’ny lanitra no tanjona isesehan’ny olona, ary mandrombaka azy izay misesika ho amin’izany.+ 13  Fa samy naminany izy rehetra, na ny Mpaminany na ny Lalàna, mandra-pahatongan’i Jaona.+ 14  Izy no ‘Elia izay voatendry ho avy’, raha tianareo ny hanaiky izany.+ 15  Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.+ 16  “Ohariko amin’inona ity taranaka ity?+ Toy ny ankizy mipetraka eny an-tsena sady miantsoantso an’ireo mpiara-milalao aminy,+ 17  hoe: ‘Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo. Efa nidradradradra izahay, nefa tsy nikapo-tratra noho ny alahelo ianareo.’+ 18  Toy izany koa fa tonga i Jaona, tsy nihinana na nisotro,+ nefa hoy ny olona: ‘Misy demonia izy.’ 19  Tonga kosa ny Zanak’olona, nihinana sy nisotro,+ nefa hoy ihany ny olona: ‘Olona tendan-kanina sy mpiboboka divay izy, sady naman’ny mpamory hetra sy ny mpanota!’+ Ny fahendren’ny olona anefa dia hamarinin’izay ataony.”+ 20  Ary nanomboka nanome tsiny an’ireo tanàna nahavitany ny ankamaroan’ny fahagagana nataony izy, satria tsy nibebaka ireo:+ 21  “Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida!+ Raha tany Tyro sy Sidona mantsy no nanaovana ny fahagagana natao tao aminareo, dia ho efa nibebaka hatry ny ela ireo ka niakanjo gony sy nihosin-davenona.+ 22  Koa lazaiko aminareo fa ho mora kokoa ny hanjo an’i Tyro sy Sidona amin’ny Andro Fitsarana,+ noho ny hanjo anareo.+ 23  Ary ianao, ry Kapernaomy,+ hasandratra ho any an-danitra ve ianao? Any amin’ny Fasana*+ kosa no hidinanao,+ satria raha mba tany Sodoma no natao ny fahagagana natao tao aminao, dia ho naharitra mandraka androany izy. 24  Koa lazaiko aminareo fa ho mora kokoa ny hanjo ny tanin’i Sodoma amin’ny Andro Fitsarana, noho ny hanjo anao.”+ 25  Koa hoy i Jesosy tamin’izay fotoana izay: “Ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany ô, midera anao ampahibemaso aho, satria efa nafeninao tamin’ny hendry sy ny mahira-tsaina izany, fa nahariharinao tamin’ny zaza kosa.+ 26  Eny, Ray ô, satria mifanaraka amin’ny sitraponao izany. 27  Natolotry ny Raiko ahy ny zava-drehetra,+ ary tsy misy tena mahafantatra ny Zanaka afa-tsy ny Ray,+ na tena mahafantatra ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hampiharihariana azy.+ 28  Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana,+ fa hamelombelona anareo aho. 29  Ento ny ziogako+ ka mianara amiko,+ fa malemy fanahy+ sy manetry tena* aho, dia ho velombelona+ ianareo. 30  Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.”+

Fanamarihana

Gr.: haides. Jereo F.F. 3D.
A.b.t.: “manetry tena am-po.”