Matio 13:1-58

13  Nony niala tao an-trano i Jesosy tamin’io andro io, dia nipetraka teo amoron-dranomasina.  Ary nisy vahoaka be niangona teo aminy. Koa niakatra tao an-tsambokely izy dia nipetraka,+ fa ny vahoaka rehetra kosa nitsangana teo amin’ny torapasika.  Ary fanoharana no nilazany zavatra maro tamin’ireo, nanao hoe: “Nisy mpamafy nivoaka mba hamafy.+  Ary rehefa namafy izy, dia latsaka teny amoron-dalana ny voa sasany, ka lanin’ny vorona tonga teo.+  Ny voa hafa kosa latsaka teny amin’ny toerana be vato, izay tsy nisy nofon-tany firy. Koa nitsimoka avy hatrany ny voa satria tsy lalina ny nofon-tany.+  Rehefa niposaka anefa ny masoandro, dia may ireo tsimoka ka nalazo satria tsy namaka lalina.+  Nisy voa hafa latsaka teny amin’ny tsilo, ary naniry ny tsilo ka nangeja azy.+  Ny voa hafa kosa latsaka teny amin’ny tany tsara ary nanomboka namoa,+ ka nisy avo zato heny, nisy enimpolo heny, ary nisy telopolo heny.+  Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.”+ 10  Koa nanatona azy ny mpianany ka niteny taminy hoe: “Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?”+ 11  Hoy ny navaliny: “Ianareo no navela hahazo ny hevitry ny zava-miafina masina+ momba ny fanjakan’ny lanitra, fa ireny kosa tsy navela.+ 12  Fa izay manana dia homena bebe kokoa ka hatao izay hananany be dia be.+ Fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia halaina aminy.+ 13  Noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy, satria mijery izy fa tsy mahita, mandre izy fa tsy mihaino, sady tsy mahazo ny hevitr’izany.+ 14  Koa tanteraka aminy ny faminanian’i Isaia hoe: ‘Hihaino ianareo ka handre nefa tsy hahazo ny hevitr’izany mihitsy, ary hijery ianareo nefa tsy hahita mihitsy.+ 15  Fa efa nanjary donto ny fon’ity vahoaka ity, ary efa nandre ny sofiny fa tsy rototra izy, ary efa nakimpiny ny masony, sao hahita ny masony sy handre ny sofiny ary hahazo ny hevitr’izany ny fony, dia hiverina izy ka hositraniko.’+ 16  “Sambatra kosa anefa ianareo, satria mahita ny masonareo,+ ary mandre ny sofinareo. 17  Lazaiko aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany+ sy olo-marina naniry hahita izay hitanareo nefa tsy nahita,+ ary naniry handre izay renareo nefa tsy nandre.+ 18  “Henoy àry ilay fanoharana momba ny mpamafy:+ 19  Rehefa misy mandre ny teny momba ilay fanjakana nefa tsy mahazo ny heviny, dia tonga ilay ratsy+ ka manala izay nafafy tao am-pony. Izany ilay nafafy teny amoron-dalana. 20  Fa ilay nafafy teny amin’ny toerana be vato, dia izay mandre ny teny ka manaiky izany avy hatrany amim-pifaliana.+ 21  Tsy mamaka ao aminy anefa ny teny, fa maharitra vetivety ihany. Koa mihemotra avy hatrany izy raha vao mipoitra ny fahoriana na ny fanenjehana noho ny teny.+ 22  Ilay nafafy teny amin’ny tsilo, dia izay mandre ny teny, kanefa ny fanahiana eto amin’ity tontolo ity+ sy ny famitahan’ny harena dia mangeja ny teny, ka manjary tsy mamoa izy.+ 23  Fa ilay nafafy teny amin’ny tany tsara kosa, dia izay mandre ny teny ka mahazo ny heviny, ary tena mamoa sy mamokatra, ka misy avo zato heny, misy enimpolo heny, ary misy telopolo heny.”+ 24  Ary nilaza fanoharana hafa taminy izy hoe: “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy iray namafy voa tsara teny an-tanimbariny.+ 25  Raha mbola natory ny olona, dia tonga ny fahavalony namafy tsimparifary* teo amin’ny vary,* dia lasa. 26  Rehefa naniry ny vary ka niteraka, dia nipoitra koa ny tsimparifary. 27  Koa tonga ny mpanompon-dralehilahy ka nilaza taminy hoe: ‘Tompoko, tsy voa tsara ve no nafafinao teny an-tanimbarinao?+ Koa nahoana no misy tsimparifary+ koa?’ 28  Dia hoy izy tamin’ireo: ‘Fahavalo no nanao izany.’+ Ary hoy ireo: ‘Tianao àry ve ny handehananay hanangona an’ireny?’ 29  Hoy izy: ‘Tsia! Sao manongotra ny vary koa ianareo rehefa manangona ny tsimparifary. 30  Avelao ihany hiara-maniry izy roa tonta mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana. Amin’izay fotoana izay aho no hilaza amin’ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary ka afatory ho amboarany mba hodorana,+ ary avy eo vao angony ny vary ka ataovy ao an-trano fitehirizako vokatra.’”+ 31  Ary nilaza fanoharana hafa taminy izy+ hoe: “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy,*+ izay nalain’olona ka namboleny tany an-tsahany. 32  Io voa io tokoa no bitika indrindra amin’ny voa rehetra. Rehefa maniry anefa izy, dia izy no anana lehibe indrindra ka tonga hazo. Koa tonga ny voro-manidina+ maka toerana eo amin’ny sampany.”+ 33  Nilaza fanoharana hafa taminy koa izy hoe: “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lalivay+ nalain’ny vehivavy iray ka nampifangaroiny tamin’ny* lafarinina intelon’ny famarana lehibe, mandra-pitombon’ny koba manontolo.” 34  Fanoharana no nilazan’i Jesosy izany rehetra izany tamin’ny vahoaka. Tsy niteny taminy tokoa izy raha tsy tamin’ny fanoharana,+ 35  mba ho tanteraka izay nolazaina tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe: “Hilaza fanoharana aho, ary hanambara zavatra nafenina hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.”+ 36  Rehefa avy nandrava ny vahoaka izy, dia niditra tao an-trano. Ary nanatona azy ny mpianany ka nilaza hoe: “Hazavao aminay ny hevitr’ilay fanoharana momba ny tsimparifary teny an-tanimbary.” 37  Koa hoy izy: “Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’olona, 38  ny tanimbary dia izao tontolo izao,+ ny voa tsara dia ny zanak’ilay fanjakana, fa ny tsimparifary kosa dia ny zanak’ilay ratsy,+ 39  ary ny fahavalo namafy izany dia ny Devoly.+ Ny fotoam-pijinjana+ dia ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity,+ ary ny mpijinja dia anjely. 40  Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy, dia ho toy izany koa amin’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.+ 41  Haniraka ny anjeliny ny Zanak’olona mba hanangona an’izay rehetra mahatonga ny hafa hanota*+ sy izay mpandika lalàna, ka hamoaka an’ireny avy ao amin’ny fanjakany, 42  ary hanipy azy any amin’ny lafaoro mirehitra.+ Any ireny no hitomany sy hitoloko.+ 43  Amin’izany fotoana izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra+ tahaka ny masoandro+ ao amin’ny fanjakan’ny Rainy. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.+ 44  “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan’olona ka nafeniny. Ary noho ny hafaliany, dia lasa izy nivarotra+ izay nananany ka nividy izany saha izany.+ 45  “Ny fanjakan’ny lanitra koa dia tahaka ny mpivaro-mandeha mitady perla faran’izay tsara. 46  Rehefa nahita perla iray sarobidy+ izy, dia lasa nivarotra avy hatrany an’izay rehetra nananany ka nividy an’ilay perla.+ 47  “Ary ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato tarihina izay nalatsaka tao an-dranomasina ka nanangona ny karazan-trondro rehetra.+ 48  Rehefa feno ilay harato, dia notarihin’ny mpanarato nankeo amin’ny torapasika. Ary nipetraka ireo ka nanangona ny tsara+ ho ao anaty fitoerany, fa ny ratsy+ kosa nariany. 49  Ho toy izany koa amin’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity: Hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy+ amin’ny olo-marina,+ 50  ary hanipy an’ireny any amin’ny lafaoro mirehitra. Any ireny no hitomany sy hitoloko.+ 51  “Azonareo ve ny hevitr’izany rehetra izany?” Dia hoy ireo: “Eny.” 52  Ary hoy izy tamin’ireo: “Raha izany àry no izy, dia izao: Ny mpampianatra ampahibemaso rehetra izay nampianarina momba ny fanjakan’ny lanitra,+ dia tahaka ny tompon-trano izay mamoaka zavatra vaovao sy tranainy avy ao amin’ny trano fitehirizany.”+ 53  Ary niala teo i Jesosy nony vitany ireo fanoharana ireo. 54  Nampianatra ny olona tao amin’ny synagoga izy+ rehefa tonga tao amin’ny faritra niaviany.+ Koa nitolagaga ireo ka niteny hoe: “Taiza no nahazoan’ilehio fahendrena toy izany sy fahaiza-manao fahagagana toy izao? 55  Tsy io ve ilay zanaky ny mpandrafitra?+ Tsy Maria ve no anaran-dreniny, ary tsy i Jakoba sy Josefa sy Simona ary Jodasy ve no rahalahiny? 56  Ary tsy eto amintsika avokoa ve ny anabaviny?+ Taiza àry no nahazoan’ilehio izany rehetra izany?”+ 57  Koa tafintohina noho ny aminy* izy ireo.+ Hoy anefa i Jesosy tamin’ireo: “Ao amin’ny faritra niaviany sy ao an-tranony ihany ny mpaminany no tsy mba hajaina.”+ 58  Ary tsy nanao fahagagana maro teo izy noho ny tsy finoan’ireo.+

Fanamarihana

Gr.: zizaniôn. Karazana ahitra naniry tany Israely izay misy poizina ny voany.
Varimbazaha no resahina eto.
Gr.: sinapi. Zavamaniry ny sinapy, na motarda.
A.b.t.: “nafeniny tao anatin’ny.”
A.b.t.: “zava-drehetra mahatafintohina.”
Na: “tsy nety nino azy.”