Matio 14:1-36

14  Tamin’izany fotoana izany dia ren’i Heroda lehibem-paritra ny lazan’i Jesosy.+  Koa hoy izy tamin’ny mpanompony: “I Jaona Mpanao Batisa izay! Nitsangana tamin’ny maty izy, ka izany no ahavitany fahagagana.”+  I Heroda mantsy efa nisambotra an’i Jaona ka namatotra sy nampiditra azy tao am-ponja, noho ny amin’i Herodiasy vadin’i Filipo rahalahiny,+  satria i Jaona nilaza taminy hoe: “Tsy azonao atao ny maka an-dravehivavy.”+  Te hamono azy i Heroda saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nihevitra an’i Jaona ho mpaminany ireo.+  Fa nony nankalazaina ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i+ Heroda, dia nandihy teo ny zanakavavin’i Herodiasy. Tena nahafaly an’i Heroda izany,  ka nianiana izy fa homeny an-drazazavavy izay rehetra angatahiny.+  Dia hoy razazavavy rehefa avy notoroan-dreniny hevitra: “Ento eto amiko eo ambony vilia ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa.”+  Nalahelo ny mpanjaka, kanefa nandidy ny hanomezana an’izany ihany izy, noho ny fianianany sy noho ireo olona nandry ilika niara-nisakafo taminy.+ 10  Ary naniraka olona hanapaka ny lohan’i Jaona tao am-ponja izy. 11  Koa nentina teo am-bilia ny lohany ka nomena an-drazazavavy, ary razazavavy kosa nitondra izany tany amin-dreniny.+ 12  Farany, dia tonga ny mpianatr’i Jaona ka naka ny faty sy nandevina azy,+ ary nilaza izany tamin’i Jesosy. 13  Ary niala teo i Jesosy nony nandre izany ka nandeha sambokely mba hitokana any amin’ny toerana mangina.+ Ren’ny vahoaka anefa izany, ka niainga avy any an-tanàna ireo ary nandeha an-tongotra nanaraka azy. 14  Nony niala avy tao an-tsambokely i Jesosy, dia nahita vahoaka be. Nangoraka+ an’ireo izy, ka nanasitrana an’izay narary.+ 15  Rehefa hariva ny andro, dia nanatona azy ny mpianany ka niteny hoe: “Mitokana ity toerana ity, ary efa hariva sahady ny andro. Koa ravao ny vahoaka mba handehanany eny an-tanàna hividy zavatra hohanina.”+ 16  Hoy anefa i Jesosy tamin’izy ireo: “Tsy voatery handeha izy, fa omeo zavatra hohanina.”+ 17  Dia hoy ireo: “Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy trondro roa izahay.”+ 18  Ary hoy izy: “Ento atỳ amiko izany.” 19  Dia nasainy nandry ilika teo amin’ny ahitra ny vahoaka. Koa nalainy ny mofo dimy sy ny trondro roa, dia niandrandra ny lanitra izy ka nivavaka.*+ Rehefa notapahiny ny mofo, dia nozarainy tamin’ny mpianany, ary ny mpianatra kosa nizara izany tamin’ny vahoaka.+ 20  Koa nihinana ny rehetra ka voky. Ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno harona roa ambin’ny folo.+ 21  Lehilahy dimy arivo teo ho eo anefa no nihinana, ankoatra ny zaza amam-behivavy.+ 22  Dia notereny hiakatra an-tsambokely avy hatrany ny mpianany mba hialoha azy ho eny ampita, raha mbola nandrava ny vahoaka izy.+ 23  Tamin’ny farany, rehefa avy nandrava ny vahoaka izy, dia niakatra irery tany an-tendrombohitra mba hivavaka.+ Nitoetra irery tany izy na efa alina be aza ny andro. 24  Efa lasa lavitra be ilay sambokely ary natopatopan’ny onja mafy+ satria notoherin’ny rivotra. 25  Nankeny amin’ny mpianatra anefa izy tamin’ny fiambenana fahefatra* tamin’ny alina, ka nandeha teo ambony ranomasina.+ 26  Raha vao nahita azy nandeha teo ambony ranomasina ireo, dia raiki-tahotra ka nilaza hoe: “Misy zavatra hafahafa iny!”+ Koa niantsoantso ireo fa natahotra. 27  Niteny taminy avy hatrany anefa i Jesosy hoe: “Mahereza fa izaho ihany ity.+ Aza matahotra.” 28  Hoy ny navalin’i Petera azy: “Raha ianao tokoa io, Tompoko, dia asaivo manatona anao eny ambony rano aho.” 29  Dia hoy izy: “Avia àry!” Koa nidina avy tao an-tsambokely avy hatrany i Petera,+ ka nandeha teo ambony rano ary nanatona an’i Jesosy. 30  Natahotra anefa izy nony nahita ny tafio-drivotra. Dia nanomboka nilentika izy, ka niantsoantso hoe: “Tompo ô, vonjeo aho!” 31  Koa nanatsotra ny tanany avy hatrany i Jesosy ka nihazona azy, sady niteny taminy hoe: “Ry kely finoana, nahoana ianao no nanjary nisalasala?”+ 32  Ary nitsahatra ny tafio-drivotra raha vao tafakatra tao an-tsambokely izy ireo. 33  Ary ireo tao an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany sady niteny hoe: “Zanak’Andriamanitra tokoa ianao.”+ 34  Rehefa tafita izy ireo, dia niakatra an-tanety tao Genesareta.+ 35  Nony nahafantatra azy ny mponina tao amin’izany toerana izany, dia nampilaza tany amin’ny faritra rehetra manodidina. Koa nentin’ny olona teo aminy izay rehetra narary.+ 36  Ary niangavy ireo mba havela hikasika ny mikiramborambo amin’ny morontongotry ny akanjony ivelany fotsiny.+ Koa sitrana tanteraka izay rehetra nanao izany.

Fanamarihana

Na: “nisaotra na nangata-pitahiana.”
Tamin’izany andro izany dia nozaraina efatra ny alina. Voalohany: 6-9 alina; faharoa: 9-12; fahatelo: 12-3 maraina; fahefatra: 3-6 maraina.