Matio 15:1-39

15  Ary nisy Fariseo sy mpanora-dalàna avy any Jerosalema+ nankeo amin’i Jesosy, ka nilaza hoe:  “Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fomban-drazana? Tsy manasa tanana izy, ohatra, rehefa hisakafo.”+  Hoy ny navaliny azy ireo: “Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny fomban-drazanareo?+  Nilaza, ohatra, Andriamanitra hoe: ‘Hajao ny rainao sy ny reninao’,+ ary hoe: ‘Aoka ho faty izay manevateva ny rainy na ny reniny.’+  Fa hoy kosa ianareo: ‘Izay miteny amin’ny rainy na ny reniny hoe: “Efa fanomezana voatokana ho an’Andriamanitra ny fananako rehetra azonao andraisan-tsoa avy amiko”,  dia tsy voatery hanaja an-drainy.’+ Koa ataonareo tsy manan-kery ny tenin’Andriamanitra noho ny fomban-drazanareo.+  Ry mpihatsaravelatsihy,+ marina ny naminanian’i Isaia+ momba anareo hoe:  ‘Manaja ahy an-tendro-molotra fotsiny ity vahoaka ity, fa ny fony kosa lavitra ahy.+  Koa very maina ny mbola ivavahany foana amiko, satria didin’olombelona no ampianariny.’”+ 10  Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy izy ka nilaza taminy hoe: “Mihainoa ka fantaro ny hevitr’izao:+ 11  Tsy izay miditra amin’ny vavany no mandoto ny olona, fa izay mivoaka avy amin’ny vavany no mandoto azy.”+ 12  Ary nanatona azy ny mpianatra ka nilaza hoe: “Fantatrao ve fa tafintohina ny Fariseo nony nandre izay nolazainao?”+ 13  Dia hoy ny navaliny: “Hongotana ny zavamaniry rehetra tsy nambolen’ny Raiko izay any an-danitra.+ 14  Avelao izy, fa mpitarika jamba. Koa raha jamba no mitarika jamba, dia samy hianjera any an-kady izy ireo.”+ 15  Hoy ny navalin’i Petera azy: “Hazavao aminay ilay fanoharana.”+ 16  Dia hoy izy: “Mbola tsy mahataka-javatra koa ve ianareo?+ 17  Tsy fantatrareo ve fa izay rehetra miditra ao am-bava dia mandalo ao amin’ny tsinay ary mivoaka, ka mankany amin’ny lavaka fanariana maloto? 18  Izay mivoaka avy amin’ny vava kosa anefa dia avy ao am-po, ka izany no mandoto ny olona.+ 19  Avy ao am-po, ohatra, no ivoahan’ny eritreri-dratsy,+ ny vonoan’olona, ny fanitsakitsaham-bady, ny fijangajangana, ny halatra, ny fijoroana ho vavolombelona mandainga, ary ny fanevatevana zava-masina.*+ 20  Izany no mandoto ny olona, fa ny mihinana amin’ny tanana tsy misasa tsy mandoto ny olona.”+ 21  Ary niala teo i Jesosy ka nankany amin’ny faritr’i Tyro sy Sidona.+ 22  Ary nisy vehivavy fenisianina+ avy ao amin’ireo faritra ireo nivoaka sady niantsoantso mafy hoe: “Mba iantrao aho,+ ry Tompo Zanak’i Davida ô! Marary mafy ny zanako vavy fa azon’ny demonia.” 23  Tsy namaly an-dravehivavy anefa izy. Koa nanatona azy ny mpianany ka nangataka hoe: “Asaivo mandeha any izy fa miantsoantso foana ao aoriantsika ao.” 24  Hoy ny navaliny: “Tsy nirahina afa-tsy ho amin’ny ondry very amin’ny taranak’Israely aho.”+ 25  Nanatona azy anefa ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany sady nilaza hoe: “Tompo ô, ampio aho!”+ 26  Ary hoy ny navaliny: “Tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ho an’ny alikakely.” 27  Dia hoy ravehivavy: “Marina izany, Tompo ô, kanefa ny alikakely koa mba mihinana ihany amin’ny poti-mofo latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony.”+ 28  Ary hoy ny navalin’i Jesosy azy: “Ravehivavy, lehibe ny finoanao. Aoka ho tonga aminao izany araka izay irinao.” Dia sitrana tamin’izay ora izay ny zanany vavy.+ 29  Ary niala teo i Jesosy, dia tonga tany akaikin’ny ranomasin’i Galilia.+ Dia niakatra teny an-tendrombohitra+ izy, ka nipetraka teo. 30  Ary nisy vahoaka be nanatona azy, sady nitondra olona nalemy tongotra, kilemaina, jamba, moana sy maro hafa koa. Dia napetrak’izy ireo teo an-tongony ireny, ka nositraniny.+ 31  Koa talanjona ny vahoaka rehefa nahita ny moana niteny sy ny nalemy tongotra nandeha ary ny jamba nahita, ka nanome voninahitra an’Andriamanitry ny Israely izy ireo.+ 32  Ary nantsoin’i Jesosy nankeo aminy ny mpianany ka hoy izy:+ “Mampalahelo+ ahy ny vahoaka, fa efa telo andro izao no nijanonany teto amiko, ary tsy manan-kohanina izy. Tsy tiako anefa ny handefa azy tsy mihinan-kanina, sao ho reraka eny an-dalana izy.” 33  Hoy anefa ny mpianatra taminy: “Aiza no hahitantsika mofo hahavoky vahoaka be toy izao, atỳ amin’ity toerana mitokana ity?”+ 34  Ary hoy i Jesosy taminy: “Manana mofo firy ianareo?” Dia hoy ireo: “Fito. Ary misy trondro madinika vitsivitsy koa.” 35  Koa nasainy nandry ilika teo amin’ny tany ny vahoaka, 36  ary noraisiny ny mofo fito sy ny trondro. Rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra izy, dia notapahiny izany ka nozarainy tamin’ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nizara izany tamin’ny vahoaka.+ 37  Dia nihinana ny rehetra ka voky, ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika fito.+ 38  Lehilahy efatra arivo anefa no nihinana, ankoatra ny zaza amam-behivavy. 39  Rehefa noravany ny vahoaka tamin’ny farany, dia niakatra an-tsambokely izy ka tonga tany amin’ny faritr’i Magadana.+

Fanamarihana

Jereo Mt 12:31 f.a.p.