Matio 21:1-46

21  Rehefa nanakaiky an’i Jerosalema izy ireo ka tonga tao Betifaga, izay teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy i Jesosy,+  ka nilaza taminy hoe: “Mankanesa ao amin’irỳ tanàna kely tazanareo irỳ. Tonga dia hahita ampondra mifatotra miaraka amin’ny zanany ianareo. Vahao ireo ka ento etỳ amiko.+  Ary raha misy manontany anareo, dia lazao hoe: ‘Misy ilan’ny Tompo azy.’ Dia halefany avy hatrany ireo.”  Nitranga tokoa izany mba ho tanteraka izao nolazaina tamin’ny alalan’ny mpaminany izao:  “Lazao amin’i Ziona zanakavavy hoe: ‘Iny avy iny ny Mpanjakanao.+ Malemy fanahy+ izy, ary mitaingina ampondra, eny, zanak’ampondra, dia zanaky ny biby mpitondra entana.’”+  Lasa nandeha àry ireo mpianatra ka nanao araka izay nandidian’i Jesosy azy.  Ary nentin’izy roa lahy ilay ampondra sy ny zanany, ka nametrahany ny akanjony ivelany, ary teo amin’izany i Jesosy no nipetraka.+  Namelatra ny akanjony ivelany+ teo amin’ny lalana kosa ny ankamaroan’ny vahoaka, ary nisy koa nanapaka sampan-kazo izay novelariny teo amin’ny lalana.+  Ary ny vahoaka izay nialoha an’i Jesosy sy nanaraka tao aoriana, dia niantsoantso tsy an-kijanona hoe: “Mba vonjeo re*+ ny Zanak’i Davida e!+ Mahazo fitahiana ilay tonga amin’ny anaran’i Jehovah!+ Mba vonjeo re izy, ry any amin’ny avo indrindra ô!”+ 10  Rehefa niditra tao Jerosalema izy,+ dia nisahotaka ny iray tanàna, sady niteny hoe: “Fa iza io?” 11  Tsy nitsaha-niteny ny vahoaka hoe: “Io no Jesosy mpaminany,+ avy any Nazareta any Galilia!” 12  Ary niditra tao amin’ny tempoly i Jesosy ka nandroaka an’izay rehetra nivarotra sy nividy tao, ary nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ny mpivarotra voromailala.+ 13  Dia hoy izy tamin’ireo: “Voasoratra hoe: ‘Ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana’,+ fa ianareo kosa manao azy ho lava-bato fieren-jiolahy.”+ 14  Ary nisy jamba sy malemy tongotra koa nanatona azy tao amin’ny tempoly, ka nositraniny. 15  Tezitra ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna rehefa nahita ny zava-mahagaga nataony+ sy nahita ny ankizilahy niantsoantso tao amin’ny tempoly hoe: “Mba vonjeo re+ ny Zanak’i Davida e!”+ 16  Ary niteny taminy izy ireo hoe: “Renao ve izay lazain’ireo?” Dia hoy i Jesosy taminy: “Eny. Mbola tsy novakinareo+ mihitsy ve ny hoe: ‘Avy amin’ny vavan’ny zaza madinika sy ny zaza minono no anomezanao fiderana’?”+ 17  Ary nandao an’ireo izy ka niala tao an-tanàna hankany Betania, ary nijanona tany tamin’ny alina.+ 18  Rehefa niverina vao maraina tao an-tanàna izy, dia noana.+ 19  Ary nahita aviavy naniry teo amoron-dalana izy ka nankeo, nefa tsy nahita+ afa-tsy raviny fotsiny, ka hoy izy tamin’ilay hazo: “Aoka tsy hamoa intsony ianao mandrakizay.”+ Dia nalazo teo no ho eo ilay hazo. 20  Gaga ny mpianatra nony nahita izany, ka nilaza hoe: “Ahoana no nampahalazo teo no ho eo an’ilay aviavy?”+ 21  Dia hoy ny navalin’i Jesosy azy ireo: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa raha mba manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala,+ dia ho vitanareo izay nataoko tamin’ilay aviavy. Ary tsy izany ihany fa raha hilaza amin’ity tendrombohitra ity ianareo hoe: ‘Mialà eto ka mianjerà any an-dranomasina’, dia hitranga tokoa izany.+ 22  Ary ho azonareo izay rehetra angatahinareo amim-bavaka, rehefa manam-pinoana ianareo.”+ 23  Rehefa nankao amin’ny tempoly izy, dia nanatona azy ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahin’ny vahoaka, raha mbola nampianatra tao izy.+ Dia hoy izy ireo: “Fahefana avy aiza no anaovanao an’izao? Ary iza no nanome anao izany fahefana izany?”+ 24  Hoy ny navalin’i Jesosy azy: “Izaho koa mba hanontany zavatra iray aminareo. Raha valianareo izany, dia holazaiko aminareo koa hoe avy aiza ny fahefana anaovako an’izao:+ 25  Avy aiza no nahazoan’i Jaona fahefana hanao batisa? Avy any an-danitra sa avy amin’ny olona?”+ Ary nifampiresaka ireo hoe: “Raha hoy isika hoe: ‘Avy any an-danitra’, dia hilaza amintsika izy hoe: ‘Koa nahoana ianareo no tsy nino azy?’+ 26  Fa raha hoy isika hoe: ‘Avy amin’ny olona’, dia ny vahoaka indray no atahorantsika,+ satria mihevitra izy rehetra fa mpaminany i Jaona.”+ 27  Koa hoy ny navaliny an’i Jesosy: “Tsy fantatray.” Ary izy kosa nilaza hoe: “Izaho koa tsy hilaza aminareo hoe fahefana avy aiza no anaovako an’izao.+ 28  “Ahoana ny hevitrareo ny amin’izao? Nisy lehilahy nanan-janaka roa lahy.+ Nankeo amin’ny voalohany izy ka niteny hoe: ‘Andeha, anaka, miasa any an-tanimboaloboka anio.’ 29  Ary namaly io hoe: ‘Eny, tompoko, handeha aho’,+ nefa tsy nandeha izy. 30  Dia nankeo amin’ny faharoa ralehilahy ka niteny toy izany koa. Fa hoy ny navalin’io: ‘Tsy handeha aho.’ Nanenina+ anefa izy nony avy eo, ka nandeha ihany. 31  Iza amin’izy mirahalahy no nanao ny sitrapon-drainy?”+ Dia hoy ireo: “Ilay faharoa.” Ary hoy i Jesosy taminy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa mialoha anareo ho any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny mpamory hetra sy ny mpivaro-tena. 32  Fa tonga teo aminareo i Jaona nampianatra ny lalan’ny fahamarinana,+ kanefa tsy nino azy ianareo,+ fa ny mpamory hetra sy ny mpivaro-tena kosa nino azy.+ Ary na nahita izany aza ianareo, dia tsy nanenina avy eo, mba hahafahanareo hino azy. 33  “Henoy indray izao fanoharana izao: Nisy lehilahy iray nanan-tany.+ Nanao tanimboaloboka izy ka namefy azy manodidina sy nihady lavaka famiazam-boaloboka teo ary nanangana tilikambo.+ Nampanofainy tamin’ny mpamboly izy io, ary lasa nankany an-tany hafa izy.+ 34  Rehefa akaiky ny fotoam-piotazana, dia nirahiny ho any amin’ireo mpamboly ny mpanompony mba handray ny vokatra. 35  Nosamborin’ireo mpamboly anefa ireo mpanompo, ka ny iray nokapohiny, ny iray novonoiny ho faty, ary ny iray notorahany vato ho faty.+ 36  Naniraka mpanompo hafa indray izy, maro noho ny teo aloha, kanefa mbola nataon’ireo toy izany koa.+ 37  Farany, nirahiny tany amin’ireo ny zanany lahy, fa hoy izy: ‘Hanaja ny zanako ireo.’ 38  Nony nahita ny zanany anefa ireo mpamboly, dia nifampiresaka hoe: ‘Iny ny mpandova.+ Andao hovonointsika izy hahazoantsika ny lovany!’+ 39  Koa nosamborin’ireo izy ka noroahiny ho eny ivelan’ny tanimboaloboka, dia novonoiny ho faty.+ 40  Rehefa tonga àry ny tompon’ny tanimboaloboka, hataony ahoana ireo mpamboly ireo?” 41  Dia hoy ireo taminy: “Ho loza tokoa ny handringanany+ azy, satria ratsy fanahy ireo. Ary ny tanimboaloboka dia hampanofainy amin’ny mpamboly hafa, izay hanome azy ny vokatra amin’ny fotoam-piotazana.”+ 42  Ary hoy i Jesosy taminy: “Mbola tsy novakinareo tao amin’ny Soratra Masina mihitsy ve ny hoe: ‘Ny vato nolavin’ny mpanao trano+ no tonga vato fehizoro lehibe indrindra,*+ ary i Jehovah no nahatonga izany, ka mahagaga eo imasontsika’? 43  Izany no antony ilazako aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka izay firenena mamokatra voa mendrika an’ilay fanjakana no homena azy.+ 44  Ary ho potipotika izay mianjera eo amin’izany vato izany, ary ho torotoro izay ianjerany.”+ 45  Nony nandre ireo fanoharana ireo ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo, dia takatr’izy ireo fa izy no noresahin’i Jesosy.+ 46  Na te hisambotra azy aza anefa ireo, dia natahotra ny vahoaka, satria nihevitra an’i Jesosy ho mpaminany ny vahoaka.+

Fanamarihana

Gr.: hôsanna.
Amin’ny teny grika io dia ilay vato apetraka eny ambony indrindra amin’ny zoron-trano.