Matio 22:1-46

22  Ary mbola namaly azy ireo ihany i Jesosy, ka nilaza fanoharana hafa koa, nanao hoe:+  “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka iray nanao fanasambe+ tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy.  Ary nirahiny ny mpanompony hiantso an’ireo nasaina ho amin’ilay fanasambe,+ kanefa tsy nety ireo nasaina.+  Naniraka mpanompo hafa indray izy,+ ka nilaza hoe: ‘Lazao amin’ireo nasaina hoe: “Efa voaomako ny sakafo antoandro,+ ary efa voavono ny ombiko sy ny biby nohataveziko, ka vonona ny zava-drehetra. Koa tongava atỳ amin’ny fanasambe.”’+  Tsy niraharaha anefa ireo nasaina fa ny iray lasa nankany amin’ny sahany, ny iray nandeha nivarotra,+  ary ny sisa nisambotra an’ireo mpanompo, ka nanompa sy nampijaly azy ary namono azy ho faty.+  “Koa tezitra ny mpanjaka ka nandefa ny tafiny, ary nandringana an’ireo mpamono olona ireo sy nandoro ny tanànany.+  Ary hoy izy tamin’ny mpanompony: ‘Efa vonona tanteraka ny fanasambe, kanefa tsy mendrika ireo nasaina.+  Koa mandehana eny amin’ny lalana mankeny ivelan’ny tanàna, ary asao ho amin’ny fanasambe izay rehetra hitanareo.’+ 10  Dia lasa nankeny an-dalana ireo mpanompo ireo ka nanangona izay rehetra hitany, na ratsy fanahy na tsara fanahy.+ Ary feno olona nandry ilika+ hisakafo ilay efitra fanaovana fampakaram-bady. 11  “Rehefa niditra ny mpanjaka mba hijery ireo nasaina, dia nahita lehilahy iray tsy nanao akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady+ izy. 12  Koa hoy izy taminy: ‘Ry sakaiza, nahoana ianao no niditra tato, nefa ianao tsy manao akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?’+ Tsy nahateny ralehilahy. 13  Hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: ‘Afatory ny tanany sy ny tongony ka atsipazo ho any amin’ny haizina any ivelany izy. Any izy no hitomany sy hitoloko.’+ 14  “Fa maro no asaina, nefa vitsy no fidina.”+ 15  Ary lasa nikaon-doha mba hamandrihana an’i Jesosy amin’ny teniny, ny Fariseo.+ 16  Koa nirahiny ho any amin’i Jesosy ny mpianatr’izy ireo, niaraka tamin’ireo mpomba an’i Heroda,+ hiteny hoe: “Mpampianatra ô, fantatray fa milaza ny marina foana ianao, sady marina ny fampianaranao ny lalan’Andriamanitra, ary tsy mba miangatra ianao satria tsy mba matin-kenamaso olona.+ 17  Lazao aminay àry izay hevitrao: Azo atao ve sa tsia ny mandoa ny hetra isan-dahy amin’i Kaisara?”+ 18  Fantatr’i Jesosy anefa ny haratsiam-panahin’ireo, ka hoy izy: “Nahoana ianareo no mamandrika ahy, ry mpihatsaravelatsihy?+ 19  Asehoy ahy ny vola madinika andoavana ny hetra isan-dahy.” Koa nitondran’ireo denaria iray izy. 20  Ary hoy izy tamin’ireo: “Sarin’iza io ary an’iza io soratra eo io?”+ 21  Dia hoy ireo: “An’i Kaisara.” Ary hoy izy tamin’ireo: “Aloavy amin’i Kaisara àry izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.”+ 22  Gaga ireo nony nandre izany, ka lasa nandao azy.+ 23  Ary nanatona azy tamin’iny andro iny ny Sadoseo, izay milaza fa tsy hisy fitsanganan’ny maty. Nanontanian’ireo izy hoe:+ 24  “Mpampianatra ô, nilaza i Mosesy hoe: ‘Raha misy lehilahy maty tsy niteraka, dia tsy maintsy mampakatra ny vady navelany ny rahalahiny mba hiteraka hamelo-maso ny maty.’+ 25  Koa nisy fito mirahalahy teto aminay. Nanambady ilay voalohany, ary maty. Tsy niteraka anefa izy ka namela ny vadiny ho an’ny rahalahiny.+ 26  Toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin’ny fahafito.+ 27  Ary maty koa ilay vehivavy tamin’ny farany. 28  Koa rehefa hitsangana ny maty, ho vadin’iza amin’izy fito mirahalahy ravehivavy? Fa efa samy nanambady azy daholo izy rehetra.”+ 29  Hoy ny navalin’i Jesosy azy: “Diso hevitra ianareo, satria samy tsy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra.+ 30  Fa rehefa hitsangana ny maty, dia tsy hampaka-bady izy na havoaka hampakarina,+ fa ho tahaka ny anjely any an-danitra. 31  Raha ny amin’ny fitsanganan’ny maty, tsy novakinareo ve izay nolazain’Andriamanitra taminareo hoe:+ 32  ‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba’?+ Tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an’ny velona.”+ 33  Rehefa nandre izany ny vahoaka, dia nitolagaga tamin’ny fampianarany.+ 34  Nony ren’ny Fariseo fa nataon’i Jesosy tsy nahateny ny Sadoseo, dia niara-nivory avokoa izy ireo. 35  Ary namandrika azy ny iray taminy, izay nahay Lalàna,+ ka nanontany hoe: 36  “Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra ao amin’ny Lalàna?”+ 37  Dia hoy i Jesosy taminy: “‘Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.’+ 38  Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany. 39  Ny faharoa, izay toy izany ihany, dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’+ 40  Ireo didy roa ireo no fototry ny Lalàna manontolo sy ny Mpaminany.”+ 41  Raha mbola tafangona teo ny Fariseo, dia nanontanian’i Jesosy hoe:+ 42  “Ahoana ny hevitrareo momba an’i Kristy? Zanak’iza moa izy?” Dia hoy ireo taminy: “Zanak’i Davida.”+ 43  Ary hoy izy tamin’ireo: “Nahoana àry i Davida no niantso azy hoe ‘Tompo’, araka ny nambaran’ny fanahy masina taminy,+ ka nilaza hoe: 44  ‘Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko: “Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho eo ambany tongotrao”’?+ 45  Koa raha niantso azy hoe ‘Tompo’ àry i Davida, ahoana no maha zanany azy?”+ 46  Ary tsy nisy nahavaly azy, sady tsy nisy sahy nanontany azy intsony nanomboka tamin’iny andro iny.+

Fanamarihana