Matio 23:1-39

23  Ary hoy i Jesosy tamin’ny vahoaka sy ny mpianany:+  “Mipetraka eo amin’ny toeran’i Mosesy+ ny mpanora-dalàna+ sy ny Fariseo.  Koa ataovy sy araho izay rehetra lazainy+ aminareo, kanefa aza manao izay ataony,+ satria miteny izy nefa tsy manao.  Enta-mavesatra no feheziny ka apetrany eo an-tsoroky ny olona,+ nefa na ny tenany aza tsy te hanetsika izany amin’ny rantsantanany.+  Ary ataony mba ho hitan’ny olona izay rehetra ataony.+ Fa halehibeaziny ny azy ilay boaty+ ataony ody fiarovan-tena, izay misy andininy ao amin’ny Soratra Masina, ary ataony lava kokoa ny mikiramborambo+ amin’ny morontongotr’akanjony.  Tiany ny toerana mihaja indrindra+ any amin’ny sakafo hariva, ny toerana eny aloha ao amin’ny synagoga,+  ny hoarahabaina+ eny an-tsena, ary ny hantsoin’ny olona hoe Raby.*+  Fa ianareo kosa, aza mety hantsoina hoe Raby, satria iray ny mpampianatra+ anareo, ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.  Ankoatra izany, dia aza miantso na iza na iza ho rainareo eto an-tany, fa iray ny Rainareo,+ dia Ilay any an-danitra. 10  Aza mety hantsoina koa hoe ‘mpitarika’+ ianareo, fa iray ny Mpitarika anareo, dia i Kristy. 11  Fa izay lehibe indrindra aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo.+ 12  Izay manandra-tena no haetry,+ ary izay manetry tena no hasandratra.+ 13  “Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! Fa hidianareo+ eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra, ka ianareo+ tsy miditra, ary izay miditra tsy avelanareo hiditra. 14 * —— 15  “Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy!+ Fa mitety ranomasina sy mitety tany ianareo mba hampiova finoana olona iray, ary rehefa miova finoana izy, dia ataonareo mendrika ny Gehena* avo roa heny noho ianareo. 16  “Lozanareo mpitarika jamba!+ Fa hoy ianareo: ‘Raha misy mianiana amin’ny tempoly, dia tsy mampaninona izany, fa raha misy mianiana amin’ny volamenan’ny tempoly kosa, dia tsy maintsy mitana ny teny nataony izy.’+ 17  Ry adala sy jamba! Fa inona no lehibe kokoa: ny volamena sa ny tempoly izay mahamasina ilay volamena?+ 18  Hoy koa ianareo: ‘Raha misy mianiana amin’ny alitara, dia tsy mampaninona izany, fa raha misy mianiana amin’ny fanomezana eo amboniny kosa, dia tsy maintsy mitana ny teny nataony izy.’ 19  Ry jamba! Fa inona no lehibe kokoa: ny fanomezana sa ny alitara+ izay mahamasina ilay fanomezana? 20  Koa izay mianiana amin’ny alitara dia mianiana aminy sy amin’izay rehetra eo amboniny, 21  ary izay mianiana amin’ny tempoly dia mianiana aminy sy amin’ilay monina ao anatiny,+ 22  ary izay mianiana amin’ny lanitra dia mianiana amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra+ sy amin’ilay mipetraka eo amboniny. 23  “Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! Fa manome ny ampahafolon’ny+ anana toy ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa tsy miraharaha izay mavesa-danja kokoa ao amin’ny Lalàna, dia ny manao ny rariny+ sy ny mamindra fo+ ary ny ho mendri-pitokisana.+ Tsy maintsy atao ireo, nefa tsy tokony havela koa ny zavatra hafa. 24  Ry mpitarika jamba,+ tantavaninareo ny moka+ amin’ny zava-pisotronareo, nefa atelinareo ny rameva!+ 25  “Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! Fa diovinareo ny ivelan’ny kaopy+ sy ny vilia, nefa ny ao anatiny feno zavatra norobaina+ sy feno fanaranam-po. 26  Ry Fariseo jamba,+ diovy aloha ny atin’ny kaopy+ sy ny vilia, mba hadio koa ny ivelany. 27  “Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy!+ Fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy,+ izay tsara tarehy erỳ etỳ ivelany, nefa ao anatiny feno taolam-paty sy izao karazam-pahalotoana rehetra izao. 28  Tahaka izany koa ianareo: Miseho ho olo-marina amin’ny olona ianareo etỳ ivelany,+ nefa ao anatinareo dia feno fihatsarambelatsihy sy fandikan-dalàna. 29  “Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy!+ Fa manamboatra ny fasan’ny mpaminany sy mandravaka ny fasan’ny olo-marina ianareo,+ 30  sady milaza hoe: ‘Raha velona tamin’ny andron’ny razanay izahay, dia tsy ho niombon-keloka taminy handatsaka ny ran’ny mpaminany.’+ 31  Koa ianareo ihany no miampanga tena ho zanak’ireo namono ny mpaminany.+ 32  Fenoy tanteraka àry ny famarana+ ny fahotan’ny razanareo. 33  “Ry bibilava, taranaky ny menarana,+ hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny Gehena?*+ 34  Noho izany no anirahako+ mpaminany sy olon-kendry ary mpampianatra ampahibemaso ho any aminareo.+ Ny sasany hovonoinareo ho faty+ sy hofantsihanareo amin’ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokaravasinareo+ ao amin’ny synagoganareo sy henjehinareo isan-tanàna. 35  Amin’izay dia hanody anareo ny ran’ny olo-marina rehetra nalatsaka teto ambonin’ny tany,+ nanomboka tamin’ny ran’i Abela+ olo-marina+ ka hatramin’ny ran’i Zakaria, zanak’i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ny toerana masina sy ny alitara.+ 36  Lazaiko aminareo marina tokoa fa hanody an’ity taranaka ity izany rehetra izany.+ 37  “Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mpamono ny mpaminany+ sy mpitora-bato+ an’izay irahina ho any aminy!+ Impiry aho no te hanangona ny zanakao, tahaka ny fanangon’ny reniakoho ny zanany ao ambany elany!+ Tsy nety anefa ianareo.+ 38  Hilaozana ny tranonareo*+ ka havela ho anareo.+ 39  Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita ahy intsony ianareo manomboka izao, mandra-pilazanareo hoe: ‘Mahazo fitahiana ilay tonga amin’ny anaran’i Jehovah!’”+

Fanamarihana

Anaram-boninahitry ny mpampianatra jiosy.
Jereo Mt 17:21 f.a.p.
Jereo F.F. 3E.
Jereo F.F. 3E.
Izany hoe ny tempoly.