Matio 24:1-51

24  Ary niala teo amin’ny tempoly i Jesosy ka lasa nandeha. Nanatona azy anefa ny mpianany mba hampiseho taminy an’ireo trano tao amin’ny tempoly.+  Dia hoy izy tamin’ireo: “Tsy hitanareo ve ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy havela hisy vato hifanaingina mihitsy eto ka tsy harodana.”+  Raha mbola nipetraka teo amin’ny Tendrombohitra Oliva izy, dia nanatona azy mitokana ny mpianany, ka niteny hoe: “Lazao aminay hoe rahoviana no hitranga izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao*+ sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?”*+  Hoy ny navalin’i Jesosy azy: “Mitandrema sao hisy hamitaka anareo.+  Maro no ho tonga amin’ny anarako, hilaza hoe: ‘Izaho no Kristy’, ka maro no ho voafitany.+  Handre ady sy filazana ady ianareo, nefa aza raiki-tahotra. Tsy maintsy hitranga izany, nefa mbola tsy ho tonga ny farany.+  “Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena,+ ary hisy fanjakana hamely fanjakana.+ Ary hisy mosary+ sy horohoron-tany+ any amin’ny toerana samy hafa.  Izany rehetra izany no ho fiandohan’ny fahoriana.*  “Amin’izany fotoana izany, dia hanolotra anareo ho amin’ny fahoriana+ ny olona ka hamono+ anareo ho faty, ary ho halan’ny+ firenena rehetra ianareo noho ny anarako.+ 10  Ary maro koa no hihemotra+ amin’ny finoana sy hamadika ny namany ary hifankahala.+ 11  Hisy mpaminany sandoka+ maro hitsangana ka hamitaka olona maro,+ 12  ary hihamangatsiaka ny fitiavan’ny olona maro,+ noho ny fitomboan’ny fandikan-dalàna.+ 13  Fa izay miaritra+ hatramin’ny farany no hovonjena.+ 14  Ary hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay+ fanjakana+ ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra,+ vao ho tonga ny farany.+ 15  “Noho izany, raha vao hitanareo mitsangana ao amin’ny toerana masina ilay zava-maharikoriko+ mahatonga faharavana,+ araka ny nampilazaina an’i Daniela mpaminany—aoka ny mpamaky handinika tsara—, 16  dia aoka izay any Jodia handositra+ any an-tendrombohitra, 17  ary aoka izay eo an-tampon-trano tsy hidina haka ny fananany ao an-tranony, 18  ary aoka izay any an-tsaha tsy hiverina ao an-trano haka ny akanjony ivelany. 19  Lozan’ny bevohoka sy ny mampinono amin’izany andro izany!+ 20  Mivavaha hatrany mba tsy ho amin’ny ririnina na amin’ny andro sabata no handosiranareo. 21  Fa amin’izany fotoana izany, dia hisy fahoriana lehibe+ izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny,+ sady tsy hisy intsony. 22  Raha tsy nohafohezina tokoa mantsy izany andro izany, dia tsy hisy nofo hovonjena, fa noho ny olom-boafidy,+ dia hohafohezina izany andro izany.+ 23  “Ary aza mino+ raha misy milaza aminareo hoe: ‘Atỳ Kristy!’,+ na hoe: ‘Arỳ izy!’ 24  Fa hisy Kristy sandoka+ sy mpaminany sandoka+ hitsangana ka hanao famantarana+ lehibe sy fahagagana mba hamitahana hatramin’ny olom-boafidy aza, raha azony atao.+ 25  Efa mampitandrina anareo mialoha aho.+ 26  Koa aza mivoaka ny trano raha misy milaza aminareo hoe: ‘Any an-tany efitra izy’, ary aza mino raha misy milaza hoe: ‘Ao amin’ny efitrano anatiny izy.’+ 27  Fa toy ny tselatra+ avy any atsinanana ka mazava hatrany andrefana, dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.+ 28  Any amin’izay misy ny faty no hiangonan’ny voromahery.+ 29  “Aorian’ilay fahoriana amin’izany andro izany avy hatrany, dia ho maizina ny masoandro,+ tsy hanome hazavana ny volana,+ ho latsaka avy any an-danitra ny kintana, ary hohozongozonina ny herin’ny lanitra.+ 30  Ary hiseho eny amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona.+ Dia hikapo-tratra sy hitomany ny foko rehetra eto an-tany,+ ary ho hitan’izy ireo ny Zanak’olona ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe, ao amin’ny rahon’ny lanitra.+ 31  Haniraka ny anjeliny amin’ny feon’ny trompetra mafy izy,+ ary ireo dia hanangona ny olom-boafidiny+ avy any amin’ny vazan-tany* efatra,+ avy any amin’ny faravodilanitra rehetra. 32  “Makà lesona avy amin’ny fanoharana momba ny aviavy: Raha vao mitsimoka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra.+ 33  Toy izany koa ianareo, rehefa hitanareo izany rehetra izany, dia fantaro fa efa akaiky izy, eny, efa eo am-baravarana.+ 34  Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany mihitsy ity taranaka+ ity, mandra-pisehon’izany rehetra izany. 35  Ny lanitra sy ny tany ho levona,+ fa ny teniko tsy mba ho levona mihitsy.+ 36  “Fa tsy misy mahalala ny amin’izany andro sy ora+ izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.+ 37  Fa toy ny andron’i Noa,+ dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.+ 38  Fa tamin’izany andro izany, fony mbola tsy tonga ny safodrano, dia nihinana sy nisotro, nampaka-bady sy navoaka hampakarina ny olona, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Noa+ tao amin’ny sambofiara.+ 39  Ary tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra.+ Dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona. 40  Ary hisy roa lahy any an-tsaha: Ny iray hoentina ary ny iray havela. 41  Hisy roa vavy hanodina vato fikosoham-bary:*+ Ny iray hoentina ary ny iray havela.+ 42  Koa miambena hatrany àry ianareo, satria tsy fantatrareo ny andro hiavian’ny Tomponareo.+ 43  “Fantaro anefa izao: Raha fantatry ny tompon-trano hoe amin’ny fotoam-piambenana fahafiry no hahatongavan’ny mpangalatra,+ dia ho niari-tory niambina izy ka tsy ho namela ny tranony hovakina. 44  Noho izany, dia aoka koa ianareo ho vonona,+ satria amin’ny ora tsy eritreretinareo no hiavian’ny Zanak’olona. 45  “Iza tokoa moa ilay mpanompo+ mendri-pitokisana sy malina izay notendren’ny tompony hikarakara an’ireo mpanompo ao an-tranony, ka hanome sakafo azy ireo amin’ny fotoana mety?+ 46  Sambatra+ izany mpanompo izany raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany! 47  Lazaiko aminareo marina tokoa fa hotendreny hiandraikitra ny fananany rehetra izy.+ 48  “Fa raha manao anakampo+ kosa ilay mpanompo ratsy fanahy hoe: ‘Mba ela koa izany tompoko izany!’,+ 49  ka manomboka mikapoka ny mpanompo hafa izy ary miara-mihinana sy misotro amin’ny mamo lava, 50  dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora+ tsy fantany ny tompony, 51  ka hanasazy azy faran’izay mafy+ ary handefa azy any amin’ny mpihatsaravelatsihy. Any izy no hitomany sy hitoloko.+

Fanamarihana

Jereo F.F. 4B.
Jereo F.F. 8.
Toy ny fanaintainan’ny vehivavy efa hiteraka.
A.b.t.: “rivotra.”
Ilay ahodin-tanana.