Matio 25:1-46

25  “Amin’izany fotoana izany, ny fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virjiny folo izay naka ny jirony+ ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.+  Ny dimy adala,+ ary ny dimy malina.+  Nitondra ny jirony ireo adala, nefa tsy nitondra menaka.  Fa ireo malina kosa nitondra menaka tao anaty fitoerany sady nitondra ny jirony.  Raha mbola naharitra ela ny mpampakatra, dia rendremana izy rehetra ka nandeha natory.+  Tamin’ny misasakalina, dia nisy niantsoantso+ hoe: ‘Iny ny mpampakatra! Mivoaha hitsena azy.’  Ary nitsangana ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboamboatra ny jirony.+  Dia hoy ireo adala tamin’ireo malina: ‘Mba omeo amin’ny menakareo+ izahay, fa efa ho faty ny jironay.’  Hoy anefa ny navalin’ireo malina:+ ‘Angamba ireto tsy ho ampy ho antsika, fa mandehana mividy any amin’ny mpivarotra ho anareo.’ 10  Raha mbola lasa nividy izy ireo, dia tonga ny mpampakatra. Niara-niditra taminy tao amin’ny fanasambe amin’ny fampakaram-bady ireo virjiny efa vonona,+ ary nohidiana ny varavarana. 11  Taorian’izany dia tonga koa ireo virjiny hafa ka niteny hoe: ‘Tompoko, tompoko, vohay izahay!’+ 12  Hoy ny navaliny: ‘Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy fantatro ianareo.’+ 13  “Koa miambena+ hatrany àry, satria tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.+ 14  “Ny fanjakan’ny lanitra koa dia toy ny lehilahy+ iray efa handeha ho any an-tany hafa,+ ka nampiantso ny mpanompony mba hanankinany ny fananany.+ 15  Ny iray nomeny talenta* dimy, ny iray talenta roa, ary ny iray talenta iray, samy araka ny fahaizany avy.+ Dia lasa nankany an-tany hafa izy. 16  Avy hatrany dia nandeha nampiasa ireo talenta dimy ilay nahazo izany, ka nahazo tombony dimy.+ 17  Torak’izany koa fa nahazo tombony roa ilay nahazo talenta roa. 18  Fa lasa nihady tany kosa ilay nahazo talenta iray monja, ka nanafina an’ilay farantsa volafotsin’ny tompony. 19  “Ela be tatỳ aoriana,+ dia tonga ny tompon’ireo mpanompo ireo ka nanao ampamoaka an’ireo momba ny kaontim-bolany.+ 20  Ary nanatona ilay nahazo talenta dimy ka nitondra dimy fanampiny sady niteny hoe: ‘Tompoko, nanankinanao talenta dimy aho. Jereo fa nahazo tombony dimy aho.’+ 21  Dia hoy ny tompony taminy: ‘Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mendri-pitokisana!+ Mendri-pitokisana+ tamin’ny zavatra vitsivitsy ianao, ka hotendreko hiandraikitra zavatra maro.+ Miaraha mifaly+ amin’ny tomponao.’ 22  Nanatona koa avy eo ilay nahazo talenta roa sady niteny hoe: ‘Tompoko, nanankinanao talenta roa aho. Jereo fa nahazo tombony roa aho.’+ 23  Dia hoy ny tompony taminy: ‘Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mendri-pitokisana! Mendri-pitokisana tamin’ny zavatra vitsivitsy ianao, ka hotendreko hiandraikitra zavatra maro.+ Miaraha mifaly+ amin’ny tomponao.’ 24  “Farany, dia nanatona ilay nahazo talenta iray+ sady niteny hoe: ‘Tompoko, fantatro fa olona sarotiny ianao, fa mijinja eny amin’izay tsy namafazanao ianao ary manangona eny amin’izay tsy nikororohanao. 25  Koa natahotra+ aho ka lasa nanafina ny talentanao tao anaty tany. Iny ny anao.’ 26  Dia hoy ny navalin’ny tompony: ‘Ry mpanompo ratsy fanahy sady kamo! Efa fantatrao fa mijinja eny amin’izay tsy namafazako aho ary manangona eny amin’izay tsy nikororohako. 27  Koa nahoana raha napetrakao tany amin’ny banky ny farantsa volafotsiko, dia ho noraisiko niaraka tamin’ny zanabola rehefa tonga aho?+ 28  “‘Koa alao aminy ilay talenta, ary omeo an’ilay manana talenta folo.+ 29  Fa izay rehetra manana dia homena bebe kokoa ka hanana be dia be, fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza, dia halaina aminy.+ 30  Ary roahy any amin’ny haizina any ivelany io mpanompo tsy misy ilana azy io. Any izy no hitomany sy hitoloko.’+ 31  “Rehefa tonga ny Zanak’olona+ amin’ny voninahiny, miaraka amin’ny anjely rehetra,+ dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra izy.+ 32  Dia hangonina eo anatrehany ny firenena rehetra.+ Ary hanavaka+ ny olona izy,+ toy ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy. 33  Ary hametraka ny ondry eo ankavanany+ izy, fa ny osy eo ankaviany.+ 34  “Ary hilaza amin’izay eo ankavanany ny mpanjaka hoe: ‘Avia ianareo izay notahin’ny Raiko,+ mandovà+ ny fanjakana+ izay nomanina ho anareo hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.+ 35  Fa noana aho dia nomenareo hanina.+ Nangetaheta aho dia nomenareo hosotroina. Nivahiny aho dia nampiantranoinareo.+ 36  Nitanjaka*+ aho dia nampitafianareo. Narary aho dia nokarakarainareo. Tany am-ponja+ aho dia novangianareo.’ 37  Ary hamaly azy ny olo-marina hoe: ‘Tompo ô, oviana no hitanay noana ianao ka nomenay hanina, na nangetaheta+ ka nomenay hosotroina?+ 38  Oviana no hitanay nivahiny ianao ka nampiantranoinay, na nitanjaka ka nampitafianay? 39  Oviana no hitanay narary na tany am-ponja ianao ka novangianay?’ 40  Dia hamaly azy ny mpanjaka+ hoe: ‘Lazaiko aminareo marina tokoa fa araka izay nataonareo tamin’ny iray amin’ny kely indrindra+ amin’ireto rahalahiko+ ireto no nataonareo tamiko.’+ 41  “Hoy kosa izy amin’izay eo ankaviany: ‘Mialà amiko+ ianareo voaozona, ka mandehana any amin’ny afo+ maharitra mandrakizay izay voaomana ho an’ny Devoly sy ny anjeliny.+ 42  Fa noana aho nefa tsy nomenareo hanina,+ nangetaheta+ nefa tsy nomenareo hosotroina. 43  Nivahiny aho nefa tsy nampiantranoinareo, nitanjaka nefa tsy nampitafianareo,+ narary sy tany am-ponja+ nefa tsy nokarakarainareo.’ 44  Ary ireo koa hamaly hoe: ‘Tompo ô, oviana izahay no nahita anao noana na nangetaheta na nivahiny na nitanjaka na narary na tany am-ponja, ka tsy mba nikarakara anao?’ 45  Dia hamaly an’ireo izy hoe: ‘Lazaiko aminareo marina tokoa fa araka izay tsy nataonareo tamin’ny iray amin’ireto kely indrindra+ ireto no tsy nataonareo+ tamiko.’+ 46  Ary ho any amin’ny fandringanana mandrakizay ireo,+ fa ny olo-marina kosa ho any amin’ny fiainana mandrakizay.”+

Fanamarihana

Anaram-bola. Jereo F.F. 6A.
Na: “zara raha nitafy.”