Matio 28:1-20

28  Taorian’ny sabata, rehefa nihanazava ny andro tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia tonga hijery ny fasana i Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.+  Ary injay nisy horohoron-tany mafy, fa nisy anjelin’i Jehovah nidina avy any an-danitra ka nankeo amin’ny fasana ary nanakodia ny vato ka nipetraka teo amboniny.+  Nanjelanjelatra toy ny tselatra ny fahitana ilay anjely,+ ary fotsy mangatsakatsaka* ny akanjony.+  Dia tora-kovitra ny mpiambina fa natahotra azy, ka tsy nahahetsika toy ny maty.  Hoy anefa ilay anjely+ tamin’ireo vehivavy: “Aza matahotra. Fantatro fa i Jesosy,+ ilay nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana, no tadiavinareo.  Tsy ato izy fa efa natsangana,+ araka ny efa nolazainy. Avia, jereo fa teo no nandriany.  Mandehana haingana milaza amin’ny mpianany hoe: ‘Efa natsangana+ tamin’ny maty izy ary hialoha anareo any Galilia.+ Any no hahitanareo azy.’ Hilaza izany aminareo no nahatongavako.”+  Koa niala haingana teo am-pasana ireo, sady natahotra no faly be, ary nihazakazaka mba hilaza izany tamin’ny mpianatra.+  Ary nifanena tamin’ireo i Jesosy, ka nilaza hoe: “Manahoana ianareo!” Dia nanatona ireo, ary nihazona azy tamin’ny tongony sady niankohoka teo anatrehany. 10  Ary hoy i Jesosy taminy: “Aza matahotra! Mandehana milaza amin’ny rahalahiko+ mba ho any Galilia, fa any no hahitany ahy.” 11  Raha mbola teny an-dalana ireo, dia nisy tamin’ny mpiambina+ nankany an-tanàna nilaza tamin’ny lehiben’ny mpisorona ny zava-nitranga rehetra. 12  Rehefa avy niara-nivory tamin’ny anti-panahy ny lehiben’ny mpisorona ka nikaon-doha niaraka tamin’izy ireo, dia nanome farantsa volafotsy be dia be ho an’ny miaramila+ 13  ka niteny hoe: “Lazao hoe: ‘Tonga alina ny mpianany+ nangalatra azy raha mbola natory izahay.’ 14  Horesenay lahatra ny governora raha reny izany, ka tsy misy tokony hatahoranareo.” 15  Koa noraisin’ny miaramila ireo farantsa volafotsy ary nanao araka izay nolazaina taminy izy. Ary niely teo amin’ny Jiosy izany teny izany mandraka androany. 16  Fa ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy kosa nankany Galilia,+ ho any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesosy nalehany. 17  Ary nony nahita an’i Jesosy ireo, dia niankohoka. Nisy anefa nisalasala.+ 18  Fa nanatona i Jesosy ka niteny taminy hoe: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra+ any an-danitra sy etỳ an-tany. 19  Koa mandehana àry, ataovy mpianatra+ ny olona any amin’ny firenena rehetra,+ ka ataovy batisa+ amin’ny anaran’ny Ray+ sy amin’ny anaran’ny Zanaka+ ary amin’ny anaran’ny fanahy* masina.+ 20  Ampianaro+ izy hitandrina+ izay rehetra nandidiako anareo.+ Ary homba anareo+ foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.”+

Fanamarihana

A.b.t.: “fotsy tahaka ny lanezy.”
Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.