Matio 3:1-17

3  Tamin’izany andro izany, dia tonga nitory tany an-tany efitr’i+ Jodia i Jaona Mpanao Batisa.+  Ary hoy izy: “Mibebaha,+ fa efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.”+  Izy, raha ny marina, ilay voalaza tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany+ hoe: “Injay misy miantso mafy any an-tany efitra hoe: ‘Omano+ ny lalana halehan’i Jehovah! Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.’”  Volon-drameva+ ny fitafian’io Jaona io, fehikibo hoditra+ no teo amin’ny andilany, ary valala+ sy tantelidia+ no sakafony.  Ary nivoaka nankany amin’i Jaona ny olona tany Jerosalema sy eran’i Jodia ary ny faritra rehetra manodidina ny Reniranon’i Jordana.  Dia nataony batisa tao amin’ny Reniranon’i Jordana+ ny olona, ary niaiky ampahibemaso ny fahotany izy ireo.  Raha vao nahita Fariseo sy Sadoseo+ maro nankeo amin’izay nanaovany batisa i Jaona, dia nilaza hoe: “Ry taranaky ny menarana,+ iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana efa ho avy?+  Koa mamoaza voa mifanentana amin’ny fibebahana,+  ary aza mihambo anakampo hoe: ‘Manana an’i Abrahama ho rainay izahay.’+ Lazaiko aminareo fa hain’Andriamanitra ny manova ireto vato ireto ho lasa zanak’i Abrahama.+ 10  Efa mipetraka eo am-pototry ny hazo sahady ny famaky,+ ka ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara dia hokapaina+ ary hatsipy ao anaty afo.+ 11  Izaho manao batisa anareo amin’ny rano+ noho ny fibebahanareo.+ Ilay ho avy+ ao aoriako kosa mahery noho izaho, ka tsy mendrika hanala ny kapany akory aza aho.+ Izy no hanao batisa anareo amin’ny fanahy masina+ sy amin’ny afo.+ 12  Efa eny an-tanany ny fitaovana fikororohana ka hodioviny tsara ny famoloany, ary ny vary hangoniny ho ao an-trano fitehirizana+ azy, fa ny akofa sy ny mololo kosa hodorany+ amin’ny afo tsy mety maty.” 13  Ary tonga avy any Galilia+ i Jesosy, ka nankeo amin’i Jaona teo amoron’i Jordana mba hataony batisa.+ 14  Nitady hisakana azy anefa i Jaona, ka niteny hoe: “Izaho no tokony hataonao batisa, ka ianao indray ve no manatona ahy?” 15  Hoy ny navalin’i Jesosy azy: “Ataovy ihany aloha amin’ity indray mandeha ity, fa izao no fomba tsara hanatanterahantsika an’izay rehetra marina.”+ Koa tsy nisakana azy intsony i Jaona. 16  Raha vao vita batisa i Jesosy, dia niakatra avy tao amin’ny rano. Ary nisokatra ny lanitra,+ ka hitan’i Jaona ny fanahin’Andriamanitra,+ nidina toy ny voromailala+ nankeo ambonin’i Jesosy. 17  Injay koa nisy feo+ avy any an-danitra nanao hoe: “Io no Zanako+ malalako,+ izay sitrako.”+

Fanamarihana