Matio 4:1-25

4  Ary nentin’ny fanahy masina nankany an-tany efitra+ i Jesosy, ka nalain’ny Devoly fanahy.+  Ary noana izy rehefa avy nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina.+  Tonga koa ilay Mpaka fanahy,+ ka niteny taminy hoe: “Raha zanak’Andriamanitra+ ianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.”  Hoy anefa ny navaliny: “Voasoratra hoe: ‘Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.’”+  Ary nitondra azy nankany amin’ny tanàna masina+ avy eo ny Devoly, ka nametraka azy teo an-tampon’ny mandan’ny tempoly,  ary niteny taminy hoe: “Raha zanak’Andriamanitra ianao, dia mianjerà any ambany any.+ Fa voasoratra hoe: ‘Homeny baiko hitsinjo anao ny anjeliny, ka hitondra anao eny an-tanany izy ireo, mba tsy hidona amin’ny vato mihitsy ny tongotrao.’”+  Dia hoy i Jesosy taminy: “Voasoratra koa anefa hoe: ‘Aza mitsapa toetra an’i Jehovah Andriamanitrao.’”+  Avy eo indray ny Devoly dia nitondra azy nankeo amin’ny tendrombohitra avo dia avo. Nasehony azy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao+ sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny.  Dia hoy izy taminy: “Homeko anao ireo rehetra ireo,+ raha miankohoka indray mandeha eto anatrehako ianao.”+ 10  Hoy anefa i Jesosy: “Mandehana ianao, ry Satana, fa voasoratra hoe: ‘I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao,+ ary ho azy irery ihany+ no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.’”+ 11  Koa nandao azy ny Devoly,+ ary indreo, nisy anjely tonga nikarakara azy.+ 12  Nony ren’i Jesosy fa nosamborina i Jaona,+ dia lasa nankany Galilia izy.+ 13  Ary rehefa niala tany Nazareta izy dia nipetraka tao Kapernaomy,+ tanàna amoron-dranomasina, ao amin’ireo faritra misy an’i Zebolona sy Naftaly.+ 14  Izany dia mba hahatanteraka izay nolazaina tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany hoe: 15  “Ry tanin’i Zebolona sy tanin’i Naftaly, izay eny akaikin’ny ranomasina sady ampitan’ny Reniranon’i Jordana, dia i Galilian’ireo+ hafa firenena! 16  Nahita hazavana lehibe+ ny olona nipetraka tao amin’ny haizina,+ ary niposahan’ny+ hazavana+ ireo nipetraka tao amin’ny faritra misy aloky ny fahafatesana.” 17  Tamin’izany fotoana izany no nanombohan’i Jesosy nitory ka nilazany hoe: “Mibebaha+ ianareo, fa efa manakaiky ny fanjakan’ny+ lanitra.” 18  Rehefa nandeha teny amoron’ny ranomasin’i Galilia izy, dia nahita mpirahalahy nandatsaka harato tao an-dranomasina, dia i Simona+ izay antsoina hoe Petera,+ sy Andrea rahalahiny, fa mpanarato ireo. 19  Ary hoy i Jesosy taminy: “Andao hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.”+ 20  Dia nandao ny haratony+ avy hatrany ireo, ka nanaraka azy. 21  Mbola nandroso ihany izy ka nahita mpirahalahy hafa koa,+ dia i Jakoba zanak’i Zebedio,+ sy Jaona rahalahiny. Nanamboatra ny simba tamin’ny haratony tao an-tsambokely niaraka tamin’i Zebedio rainy izy mirahalahy. Ary nantsoin’i Jesosy izy ireo, 22  ka nandao ny sambokely sy ny rainy avy hatrany, dia nanaraka azy. 23  Avy eo izy dia nandeha+ nanerana an’i Galilia+ manontolo, ka nampianatra tany amin’ny synagoga+ sy nitory ny vaovao tsaran’ilay fanjakana ary nanasitrana ny karazan’aretina+ rehetra sy ny karazana kilema rehetra, teo amin’ny vahoaka. 24  Koa niely nanerana an’i Syria+ ny lazany. Ary nentin’ny olona teo aminy izay rehetra narary,+ sy izay nampahorin’ny aretina sy ny fanaintainana maro samihafa, mbamin’ireo nisy demonia sy voan’ny androbe+ ary nalemy, ka nositraniny ireny. 25  Koa nisy vahoaka be nanaraka azy, dia olona avy any Galilia+ sy Dekapolisy sy Jerosalema+ sy Jodia ary avy any ampitan’i Jordana.

Fanamarihana