Matio 5:1-48

5  Rehefa nahita ny vahoaka izy, dia niakatra teo an-tendrombohitra. Ary nanatona azy ny mpianany nony tafapetraka izy.  Koa nanomboka nampianatra azy ireo izy hoe:  “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra,+ fa azy ny fanjakan’ny lanitra.+  “Sambatra ny ory, fa izy no hampiononina.+  “Sambatra ny malemy fanahy,+ fa izy no handova ny tany.+  “Sambatra ny noana sy mangetaheta+ ny fahamarinana, fa izy no homena fahafaham-po.+  “Sambatra ny mamindra fo,+ fa izy no hamindrana fo.  “Sambatra ny madio am-po,+ fa izy no hahita an’Andriamanitra.+  “Sambatra ny mpampihavana,+ fa izy no hantsoina hoe ‘zanak’Andriamanitra.’+ 10  “Sambatra izay enjehina+ noho ny fahamarinana, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. 11  “Sambatra ianareo raha tevatevain’ny olona+ sy enjehiny+ ary amoronany lainga ka lazainy fa nanao izao zava-dratsy rehetra izao, noho ny amiko. 12  Mifalia sy miravoravoa fatratra,+ satria lehibe ny valisoanareo+ any an-danitra. Fa toy izany no nanenjehany ny mpaminany+ talohanareo. 13  “Ianareo no siran’ny+ tany. Raha tonga matsatso anefa ny sira, ahoana no hamerenana ny tsirony? Tsy azo ampiasaina na amin’inona na amin’inona intsony izy, fa hatsipy any ivelany+ hohitsakitsahin’ny olona. 14  “Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao.+ Tsy takona afenina ny tanàna eo an-tampon-tendrombohitra. 15  Rehefa mandrehitra jiro ny olona, dia tsy mametraka azy ao ambany sobika famarana+ fa eo amin’ny fitoeran-jiro, mba hanazava an’izay rehetra ao an-trano. 16  Aoka hamirapiratra toy izany eo anatrehan’ny olona koa ny fahazavanareo,+ mba hahitany ny asa tsara+ ataonareo ka hanomezany voninahitra+ ny Rainareo izay any an-danitra. 17  “Aza mihevitra hoe tonga hanafoana ny Lalàna+ na ny Mpaminany aho. Tsy tonga hanafoana aho, fa hanatanteraka.+ 18  Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho mora kokoa ny hahalevona ny lanitra sy ny tany,+ noho ny hahalevona ny litera kely indrindra na ny tendron-tsoratra iray ao amin’ny Lalàna, mandra-pahatanterak’izay rehetra voasoratra ao.+ 19  Koa izay mandika+ ny iray amin’ireo didy kely indrindra ireo ka mampianatra ny olona hanao toy izany koa, dia tsy mendrika hiditra* ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.+ Fa izay mitandrina sy mampianatra+ ireo didy ireo kosa no mendrika+ hiditra* ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. 20  Lazaiko aminareo fa tsy hiditra+ ao amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo, raha tsy mihoatra lavitra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo+ ny fahamarinanareo. 21  “Efa renareo fa voalaza tamin’ny olona fahiny hoe: ‘Aza mamono olona,+ fa izay mamono olona+ dia hatao ampamoaka eo anatrehan’ny fitsarana.’+ 22  Izaho kosa anefa milaza aminareo fa izay rehetra mitahiry fahatezerana+ amin’ny rahalahiny, dia hatao ampamoaka+ eo anatrehan’ny fitsarana. Ary izay manabanty ny rahalahiny, dia hatao ampamoaka eo anatrehan’ny Fitsarana Tampony. Fa izay milaza kosa hoe: ‘Ilay adala tsisy fotony ity!’, dia mendrika ho any amin’ny Gehena*+ mirehitra. 23  “Raha mitondra fanomezana ho eo amin’ny alitara+ àry ianao, ka eo no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao,+ 24  dia avelao eo anoloan’ny alitara eo ny fanomezanao, ka mandehana aloha mihavana amin’ny rahalahinao.+ Rehefa miverina ianao vao atolory ny fanomezanao.+ 25  “Mifandamìna haingana amin’ilay mitory anao any amin’ny fitsarana, dieny mbola eny an-dalana ho any ianareo, sao hanolotra anao amin’ny mpitsara izy,+ ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin’ny mpampihatra didim-pitsarana, ka halefa any am-ponja ianao. 26  Lazaiko aminao marina tokoa fa tsy ho tafavoaka any mihitsy ianao, mandra-pandoanao ny farany indrindra amin’ny vola madinika tena kely vidy.*+ 27  “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Aza manitsakitsa-bady.’+ 28  Izaho kosa anefa milaza aminareo fa izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy+ ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady+ tao am-pony+ sahady. 29  Raha ny masonao havanana àry no mahatonga anao hanota, dia esory ka ario lavitra anao.+ Fa mahasoa anao kokoa ny hamoy rantsambatana iray, toy izay ny vatanao manontolo no hatsipy+ any amin’ny Gehena.* 30  Raha ny tananao havanana koa no mahatonga anao hanota, dia tapaho ka ario lavitra anao.+ Fa mahasoa anao kokoa ny hamoy rantsambatana iray, toy izay ny vatanao manontolo no ho lasa any amin’ny Gehena.* 31  “Voalaza koa hoe: ‘Izay misaraka+ amin’ny vadiny, dia tokony hanome azy taratasy fisaraham-panambadiana.’+ 32  Izaho kosa anefa milaza aminareo fa izay lehilahy misaraka amin’ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana+ ihany, dia mety hahatonga an-dravehivavy hanitsakitsa-bady.+ Ary izay manambady vehivavy nisarahan’ny vadiny, dia manitsakitsa-bady.+ 33  “Efa renareo koa fa voalaza tamin’ny olona fahiny hoe: ‘Aza mianiana+ nefa avy eo tsy manatanteraka, fa tsy maintsy efainao amin’i Jehovah ny voadinao.’+ 34  Izaho kosa anefa milaza aminareo hoe: Aza mianiana+ mihitsy, na amin’ny lanitra, satria seza fiandrianan’Andriamanitra+ izany, 35  na amin’ny tany, satria fitoeran-tongony+ izany, na amin’i Jerosalema, satria tanànan’ny+ Mpanjaka lehibe izany. 36  Aza mianiana amin’ny lohanao koa, satria tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray aza ianao. 37  Fa aoka ny teninareo rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia,+ fa avy amin’ilay ratsy+ ny ankoatra izany. 38  “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Maso ho solon’ny maso ary nify ho solon’ny nify.’+ 39  Izaho kosa anefa milaza aminareo hoe: Aza manohitra an’izay manisy ratsy anao, fa na iza na iza mamely tehamaina ny takolakao havanana,+ dia atodiho any aminy koa ny takolakao ilany. 40  Raha misy te hitory anao any amin’ny fitsarana mba hahazoany ny akanjonao, dia omeo azy koa ny akanjonao ivelany.+ 41  Ary raha misy manam-pahefana manery anao handeha iray kilaometatra ka hanao fanompoana ho azy, dia mandehana miaraka aminy roa kilaometatra.+ 42  Omeo izay mangataka aminao, ary aza andosirana izay te hisambo-bola aminao tsy misy zanany.+ 43  “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Tiavo ny namanao+ ary ankahalao ny fahavalonao.’+ 44  Izaho kosa anefa milaza aminareo hoe: Tiavo foana ny fahavalonareo,+ ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo,+ 45  mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.+ Izy mantsy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy, ary mandatsaka ny orana amin’ny marina sy ny tsy marina.+ 46  Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa azonareo?+ Tsy mba manao toy izany koa ve ny mpamory hetra? 47  Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no mampiavaka ny ataonareo amin’ny ataon’ny hafa? Tsy mba manao toy izany koa ve ny olona eo amin’izao tontolo izao? 48  Koa tsy maintsy lavorary ianareo, tahaka ny Rainareo any an-danitra izay lavorary.+

Fanamarihana

A.b.t.: “dia hantsoina hoe ‘lehibe.’”
A.b.t.: “dia hantsoina hoe ny ‘kely indrindra.’”
Jereo F.F. 3E.
A.b.t.: “kadrana farany indrindra.”
Jereo F.F. 3E.
Jereo F.F. 3E.