Matio 8:1-34

8  Nony nidina avy teo an-tendrombohitra izy, dia nisy vahoaka be nanaraka azy.  Ary nisy lehilahy boka+ nanatona azy ka niankohoka teo anatrehany, sady niteny hoe: “Tompo ô, raha mba sitrakao fotsiny mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.”  Koa nanatsotra ny tanany i Jesosy ka nikasika azy, sady nanao hoe: “Sitrako tokoa. Madiova ianao.”+ Voadio niala taminy avy hatrany ny habokany.+  Ary hoy i Jesosy taminy: “Tandremo sao milazalaza amin’olona,+ fa mandehana miseho any amin’ny mpisorona,+ ka atolory ny fanomezana+ nandidian’i Mosesy, mba ho porofo amin’izy ireo fa sitrana ianao.”  Nony niditra tao Kapernaomy+ i Jesosy, dia nisy manamboninahitra nanatona azy ka niangavy  hoe: “Azafady, tompoko! Mandry ao an-trano ny mpanompolahiko, fa malemy ka mijaly mafy.”  Dia hoy izy taminy: “Hanasitrana azy aho rehefa tonga any.”  Hoy anefa ny navalin’ilay manamboninahitra: “Tsy mendrika ny handray anao ao ambany tafontranoko aho, tompoko, fa mitenena fotsiny, dia ho sitrana ny mpanompoko.  Fa izaho koa mba eo ambany fahefan’olona, sady manana miaramila eo ambany fahefako. Koa raha miteny amin’ny anankiray aho hoe: ‘Mandehana!’,+ dia lasa izy, ary amin’ny anankiray kosa hoe: ‘Avia!’, dia tonga izy, ary amin’ny mpanompoko hoe: ‘Ataovy ity!’, dia ataony izany.” 10  Ary talanjona i Jesosy nony nandre izany, ka niteny tamin’ireo nanaraka azy hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa mbola tsy nahita finoana lehibe+ toy izany aho teo amin’ny Israely. 11  Lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy ny avy any andrefana+ no ho tonga, ka handry ilika* hisakafo miaraka amin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba ao amin’ny fanjakan’ny+ lanitra.+ 12  Fa ny zanak’ilay fanjakana+ kosa hatsipy any amin’ny haizina any ivelany. Any izy no hitomany sy hitoloko.”+ 13  Ary hoy i Jesosy tamin’ilay manamboninahitra: “Mandehana àry! Aoka ho tonga aminao izany, araka izay inoanao.”+ Dia sitrana tamin’izay ora izay ilay mpanompo. 14  Nony niditra tao an-tranon’i Petera i Jesosy, dia nahita ny rafozambavin’i+ Petera teo am-pandriana fa nanavy.+ 15  Koa nokasihin’i Jesosy ny tanany,+ ka niala tamin-dravehivavy ny fanaviany. Ary niarina izy ka nikarakara an’i Jesosy.+ 16  Ary tamin’ny takariva, dia nentina teo amin’i Jesosy ny olona maro nisy demonia. Niteny fotsiny izy dia nivoaka ny fanahy* ratsy. Nanasitrana izay rehetra narary koa izy, 17  mba hahatanteraka izay nolazaina tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany hoe: “Naka ny aretinay izy ary nitondra ny fanaintainanay.”+ 18  Rehefa hitan’i Jesosy ny vahoaka nanodidina azy, dia nomeny baiko ny mpianany mba hiainga ho eny ampita.+ 19  Ary nanatona ny mpanora-dalàna iray ka niteny taminy hoe: “Mpampianatra ô, hanaraka anao aho na aiza na aiza halehanao.”+ 20  Fa hoy i Jesosy taminy: “Ny amboadia manan-davaka hisitrihana, ary ny voro-manidina manam-pialofana, fa ny Zanak’olona kosa tsy mba manana izay hametrahany ny lohany.”+ 21  Ary nisy mpianatra hafa niteny taminy hoe: “Tompo ô, avelao aho aloha handeha handevina ny raiko.” 22  Hoy i Jesosy taminy: “Manaraha ahy foana ianao, fa avelao ny maty handevina ny maty eo aminy.”+ 23  Nony niakatra tao an-tsambokely izy,+ dia nanaraka azy ny mpianany. 24  Ary nanjary nisamboaravoara be ny ranomasina, ka saron’ny onja tsikelikely ilay sambokely. Natory anefa i Jesosy.+ 25  Nanatona àry izy ireo ka namoha+ azy, sady niteny hoe: “Tompo ô, vonjeo fa ho faty isika!” 26  Hoy anefa izy tamin’ireo: “Nahoana ianareo no saro-tahotra, ry kely finoana?”+ Koa niarina izy, ary noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina ka nanjary tony dia tony ny andro.+ 27  Ary talanjona ireo ka niteny hoe: “Fa olona manao ahoana loatra àry izy ity,+ fa hatramin’ny rivotra sy ny ranomasina aza mankatò azy?” 28  Nony tonga teny ampita tao amin’ny faritra nisy ny Gadareanina+ izy, dia nifanena tamin’ny lehilahy roa nisy demonia.+ Nivoaka avy teny amin’ireo fasana izy roa lahy ireo, ary nahery setra izaitsizy ka tsy nisy sahy nandalo tamin’izany lalana izany. 29  Ary niantsoantso mafy ireo hoe: “Misy zavatra iombonanay aminao angaha moa, ry Zanak’Andriamanitra ô?+ Tonga eto ve ianao mba hampijaly anay+ alohan’ny fotoana?”+ 30  Ary nisy kisoa maro be nandrasana teny lavitra teny. 31  Koa niangavy azy toy izao ireo demonia: “Raha avoakanao izahay, dia mba alefaso ho ao amin’irỳ andian-kisoa+ irỳ.” 32  Ary hoy izy taminy: “Mandehana!” Nivoaka àry izy ireo ka lasa niditra tao amin’ireo kisoa. Ary indreny nirifatra nankeny amin’ny hantsana ilay andiany manontolo, ka nivarina tany an-dranomasina dia maty an-drano.+ 33  Nandositra nankany an-tanàna kosa ireo mpiandry kisoa ka nitantara ny zava-drehetra, anisan’izany ny amin’ireo lehilahy nisy demonia. 34  Ary indreo fa nivoaka hitsena an’i Jesosy avokoa ny iray tanàna. Ary nony nahita an’i Jesosy izy ireo, dia niangavy azy mafy mba hiala tao amin’ilay faritra nisy azy ireo.+

Fanamarihana

Somary nandry nihorirana sady nitehina tamin’ny kihony ny olona tamin’izany andro izany rehefa nisakafo.
Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.