Mika 1:1-16

1  Ny tenin’i Jehovah izay tonga tamin’i Mika+ avy any Moreseta, tamin’ny andron’i Jotama,+ sy Ahaza,+ ary Hezekia,+ izay samy mpanjakan’ny Joda,+ eny, ny teny nambara taminy tao amin’ny fahitana momba an’i Samaria+ sy Jerosalema:+  “Mihainoa ianareo rehetra! Ary mihainoa, ry tany sy izay rehetra mameno anao.+ Aoka ho vavolombelona hanameloka anareo i Jehovah Tompo Fara Tampony,+ eny, i Jehovah izay ao amin’ny tempoliny masina.+  Fa mivoaka avy ao amin’izay misy azy i Jehovah,+ ary hidina ka hanitsaka ny toerana avo eto an-tany.+  Dia hitsonika eo ambany tongony ny tendrombohitra,+ ary hitresaka ny lemaka iva, toy ny savoka taninin’ny afo,+ sy toy ny rano araraka eny amin’ny hantsana.  “Ny fikomian’i Jakoba no mahatonga izany rehetra izany, eny, ny fahotan’ny taranak’Israely.+ Iza no tokony homen-tsiny noho ny fikomian’i Jakoba? Tsy i Samaria ve?+ Ary iza no tokony homen-tsiny noho ireo toerana avo any Joda?+ Tsy i Jerosalema ve?  Ary i Samaria dia hataoko korontam-bato miavosa eny an-tsaha,+ sy tany fambolena voaloboka. Dia hararako eny an-dohasaha ny vato eo aminy, ary hataoko miharihary ny fototra iorenany.+  Hotorotoroina ny sary sokitra rehetra ivavahany,+ hodorana ny fanomezana hatolotra azy ho karamany,+ ary hopotipotehiko ny sampiny rehetra. Avy tamin’izay nomena ho karaman’ny mpivaro-tena no nanangonan’i Samaria ireo zavatra ireo, ary homena ho karaman’ny mpivaro-tena indray ireo.”+  Koa hinaonaona sy hidradradradra aho,+ ary handeha tsy manao kapa sady hitanjaka.*+ Hinaonaona toy ny alikadia aho, ary hitomany hikiakiaka toy ny aotirisivavy.  Fa tsy mety sitrana ny feriny,+ izay mitatra hatrany Joda.+ Ary tonga hatrany amin’ny vavahadin’ny fireneko ny loza, eny, hatrany Jerosalema.+ 10  “Aza lazalazainareo any Gata izany, ary aza mitomany mihitsy.+ “Mihosinkosena amin’ny vovoka,+ ao amin’ny trano any Afra. 11  Mandehana, ry mponin’i Safira, amin’izato fitanjahanao mahamenatra.+ Tsy nety nandeha kosa ny mponin’i Zanana. Noho ny fidradradradran’i Beti-haezela, dia tsy hahajanona ao amin’ny toeram-pialofana any ianareo. 12  Ary zava-tsoa no nandrasan’ny mponin’i Marota,+ kanjo zava-dratsy avy tamin’i Jehovah no nidina ho eo am-bavahadin’i Jerosalema.+ 13  Afatory amin’ny soavaly ny kalesy, ry mponin’i Lakisy.+ Io tanàna io no fiandohan’ny fahotan’ny zanakavavin’i Ziona.+ Fa tao aminao no nahitana ny fikomian’ny Israely.+ 14  Koa hotoloranao fanomezana ho fanaovam-beloma i Moreseta-gata.+ Ary nandiso fanantenana an’ireo mpanjakan’ny Israely ny trano tao Akziba.+ 15  Hoentiko ho ao aminao ilay mpandroba,+ ry mponin’i Maresa.+ Ary ho tonga hatrany Adolama+ ny voninahitry ny Israely. 16  Tapaho ny volonao, ary ataovy sola ny lohanao, noho ny amin’ireo zanaka malalanao.+ Halehibeazo toy ny an’ny voromahery ny sola eo amin’ny lohanao, satria natao sesitany izy ireo ka lasa lavitra anao.”+

Fanamarihana

Na: “zara raha nitafy.”