Mika 2:1-13

2  “Lozan’ireo mpanao ratsy izay mieritreritra eo am-pandrianany ny hanisy ratsy,+ ka rehefa maraina ny andro dia tanterahiny izany,+ satria vitany ny manao izany.+  Mitsiriritra saha izy, ka maka izany an-keriny,+ ary mitsiriritra trano koa ka maka izany. Manambaka lehilahy tomady mbamin’ny ankohonany izy,+ eny, manambaka lehilahy ka maka ny lovany.+  “Koa izao no nolazain’i Jehovah: ‘Mikasa hahatonga loza+ hamelezana an’ity taranaka ity aho,+ ka tsy ho afa-miala amin’izany ianareo.+ Amin’izay, dia tsy hianjonanjona intsony ianareo rehefa mandeha,+ satria ho fotoam-pahoriana izany.+  Amin’izany andro izany, dia hisy hanao teny fanarabiana+ anareo, ka hitomany+ mafy dia mafy. Ary hisy hanao hoe: “Voaroba tokoa isika!+ Omeny olona ny anjara tanin’ny firenentsika.+ Esoriny amiko tokoa izany, ka ny mpivadika no izarazarany ny sahantsika.”  Koa tsy hisy ao amin’ny fiangonan’i Jehovah intsony ny olona handrefy amin’ny tady ny tany izay nozaraina tamin’ny alalan’ny antsapaka.+  Aza misy miresaka.+ Miresaka izy ireo nefa tsy momba izany intsony no resahiny. Tsy hiala ny fahafaham-baraka.+  “‘Milaza ve ianareo, ry taranak’i Jakoba,+ hoe: “Fa angaha moa tsy faly ny fanahin’i Jehovah, sa izao no fanaony?”+ Moa ve ny teniko tsy hitondra soa+ ho an’izay mandeha amin’ny fahitsiana?+  “‘Vao omalin’omaly ny oloko no nitsangana ho tena fahavalo.+ Ny haingo mihaja dia endahanareo amin’ny tratran’akanjon’ny mpandalo, izay tsy manana ahiahy toy ny olona avy tany an’ady.  Ny vehivavy eo amin’ny oloko dia roahinareo tsy ho ao amin’ny trano iadanan’ny vehivavy. Ary esorinareo amin’ireo zanany, mandritra ny fotoana tsy voafetra,+ ny voninahitra nomeko azy.+ 10  Miaingà, ka mandehana+ fa tsy toeram-ponenanao+ intsony eto. Nanjary maloto+ ravehivavy ka ho ringana, ary mampanaintaina ilay fandringanana.+ 11  Raha misy olona manaraka zava-poana sy fitaka, ka mandainga hoe:+ “Hiresaka aminao momba ny divay sy ny toaka aho”, dia izy no hiresaka ho an’ity firenena ity.+ 12  “‘Hovoriko ianareo rehetra, ry taranak’i Jakoba,+ ary tsy maintsy hangoniko ny sisa amin’ny Israely.+ Hataoko tafaray izy ireo, toy ny andian’ondry ao am-bala, ary toy ny andiam-biby ao an-kijana.+ Haresaka sy ho feno olona ireo toerana ireo.’+ 13  “Hiakatra eo anoloan’izy ireo ilay mpanagorobaka.+ Dia hitsofoka eo amin’ilay gorobaka izy ireo. Ary hiditra eo amin’ny vavahady izy ireo, ary hivoaka avy eo koa.+ Dia hiditra eo alohan’izy ireo ny mpanjakany, ary i Jehovah no hitarika azy ireo.”+

Fanamarihana