Mika 3:1-12

3  Ary hoy aho: “Mba mihainoa ianareo lohandohany eo amin’ny taranak’i Jakoba sy ianareo mpifehy eo amin’ny taranak’i Israely.+ Tsy ianareo ve no tokony hahalala ny rariny?+  Mankahala ny tsara+ ianareo sady tia ny ratsy.+ Manendaka ny hoditry ny olona ianareo, ary manendaka ny nofo amin’ny taolany.+  Mihinana ny nofon’ny oloko+ ianareo, sady manendaka ny hodiny sy mamotipotika ny taolany, ary mitetika azy toy ny hena ao anaty vilanibe sy toy ny hena andrahoina ao am-bilany.+  Ary hiantso vonjy amin’i Jehovah izy ireo amin’izany fotoana izany, nefa tsy hamaly izy.+ Dia hanafina ny tavany amin’izy ireo izy amin’izay fotoana izay,+ noho ny ratsy nataon’izy ireo.+  “Izao no fanamelohan’i Jehovah an’ireo mpaminany izay mampaniasia ny oloko,+ sy miantsoantso hoe: ‘Fiadanana!’+ rehefa misy hotsakoiny,+ ary miantso ady masina+ rehefa tsy misy manome sakafo ho eo am-bavany:  ‘Koa ho ao anatin’ny alina+ ianareo ka tsy hisy fahitana,+ ary ho ao anatin’ny haizina ka tsy hanao sikidy. Dia hilentika tsy hanazava an’ireo mpaminany ny masoandro, ary ho maizina aminy ny andro.+  Koa ho menatra+ ny mpahita,+ ary ho diso fanantenana ny mpisikidy.+ Ary hanarona ny volombavany+ izy rehetra, satria tsy hamaly azy intsony Andriamanitra.’”+  Fa izaho kosa feno hery avy amin’ny fanahin’i Jehovah, ary tena tiako ny rariny sady be herim-po+ aho mba hilaza amin’i Jakoba ny fikomiany, ary amin’i Israely ny fahotany.+  Mba henoy izao, ry lohandohany eo amin’ny taranak’i Jakoba sy ianareo mpifehy eo amin’ny taranak’i Israely,+ izay mankahala ny rariny sy mampibilaka an’izay rehetra mahitsy,+ 10  ary manorina an’i Ziona amin’ny fandatsahan-dra sy i Jerosalema amin’ny tsy fahamarinana.+ 11  Ny lohandohany eo aminy dia mitsara mba hahazoana tsolotra,+ ny mpisorony kosa mampianatra mba hahazoana karama,+ ary ny mpaminaniny misikidy mba hahazoam-bola.+ Mbola miantehitra amin’i Jehovah ihany anefa izy ireo, ka milaza hoe: “Angaha moa tsy eto amintsika i Jehovah?+ Tsy hisy loza hanjo antsika.”+ 12  Koa hasaina toy ny saha i Ziona noho ny nataonareo, ary ho lasa korontam-bato miavosa i Jerosalema.+ Ary ny tendrombohitra misy ny tranon’Andriamanitra dia ho toy ny toerana avo any an’ala.

Fanamarihana