Mika 4:1-13

4  Izao no tsy maintsy hitranga any am-parany:+ Ny tendrombohitra+ misy ny tranon’i+ Jehovah dia ho mafy orina sady ho avo noho ny tampon’ireo tendrombohitra, ka hasandratra ho avo noho ireo havoana.+ Ary hitanjozotra ho any ny olona.+  Maro ny firenena ho any, ka hanao hoe: “Avia!+ Andao isika hiakatra ho any an-tendrombohitr’i Jehovah sy ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba.+ Hampianatra antsika ny lalany izy,+ ary handeha amin’ny atorony isika.”+ Fa avy ao Ziona no hivoahan’ny lalàna, ary avy ao Jerosalema ny tenin’i Jehovah.+  Ary hamoaka didim-pitsarana eo amin’ny firenena maro izy,+ ka hanitsy izay tsy mety+ eo amin’ireo firenena matanjaka any lavitra.+ Dia hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo, ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka.+ Na izy ireo, na ireo firenena dia samy tsy hanainga sabatra hifamely. Ary tsy hianatra ady intsony koa izy ireo.+  Dia samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny+ izy, ary tsy hisy hampangovitra azy,+ fa ny vavan’i Jehovah Tompon’ny tafika no efa niteny.+  Ny firenena rehetra samy handeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy,+ fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika,+ mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.+  “Amin’izany andro izany”, hoy i Jehovah, “dia hovoriko ilay vahoaka mikotringa,+ ary hangoniko ilay naparitaka,+ eny, ilay nampahoriko.  Hasiako sisa tavela amin’ilay vahoaka mikotringa,+ ary hataoko firenena matanjaka+ ilay nalefa lavitra. Dia hanjaka eo aminy ao amin’ny Tendrombohitra Ziona i Jehovah, manomboka izao ka hatramin’ny fotoana tsy voafetra.+  “Ary ny aminao, ry tilikambon’ny andiam-biby, ry dongon-tanin’ny zanakavavin’i Ziona,+ dia ho tonga hatreo aminao ilay fanjakana+ voalohany, eny, ilay fanjakan’i Jerosalema zanakavavy.+  “Nahoana ianao no tsy mitsahatra miantsoantso mafy?+ Fa angaha tsy misy mpanjaka ao aminao, sa efa maty ny mpanolo-tsaina anao, no dia manaintaina toy ny vehivavy efa hiteraka ianao?+ 10  Aoka ianao hanaintaina mafy ka hanena toy ny vehivavy eo am-piterahana,+ ry zanakavavin’i Ziona. Fa hivoaka avy ao an-tanàna ianao ary honina any an-tsaha,+ ka ho tonga hatrany Babylona.+ Any no hanafahana anao,+ ary any i Jehovah no hanavotra anao eo am-pelatanan’ny fahavalonao.+ 11  “Hisy firenena maro hangonina hamely anao, dia ireo manao hoe: ‘Aoka izy holotoina, ary aoka ny masontsika ho faly mijery izay manjo an’i Ziona.’+ 12  Tsy fantatr’izy ireo anefa ny hevitr’i Jehovah, ary tsy takany ny fikasany.+ Fa hangonin’Andriamanitra ho eo am-pamoloana, toy ny varimbazaha vao avy nojinjaina izy ireo.+ 13  “Mandehana manosihosy eny am-pamoloana, ry zanakavavin’i Ziona,+ fa hovako ho vy ny tandrokao, ary ho varahina ny kitronao. Dia hanorotoro firenena maro ianao,+ ary ho zavatra voarara ny tombony azon’izy ireo tamin’ny tsy rariny ka hatokanao ho an’i Jehovah.+ Ary hatokanao ho an’ilay tena Tompon’ny tany manontolo+ ny fananan’izy ireo.”

Fanamarihana