Mika 6:1-16

6  Mba henoy re izay lazain’i Jehovah e!+ Mitsangàna, ka ento eo amin’ny fitsarana ny adinao mba hatrehin’ny tendrombohitra. Ary aoka ho ren’ny havoana ny feonao.+  Koa henoy ny adin’i Jehovah, ry tendrombohitra, sy ianareo vatolampy mateza ary ianareo fototra iorenan’ny tany!+ Fa manana ady amin’ny olony i Jehovah, ary toriny ny Israely:+  “Fa inona no nataoko taminao, ry oloko?+ Ary inona no nataoko ka nandreraka anao?+ Lazao àry izay fahadisoako.+  Nitondra anao niakatra avy tany Ejipta aho,+ ary avy tao amin’ny trano fanandevozana no nanavotako anao.+ Ary naniraka an’i Mosesy sy Arona ary Miriama aho mba handeha teo alohanao.+  Mba tsarovy re,+ ry oloko, ny teti-dratsin’i Balaka mpanjakan’i Moaba e,+ sy ny teny navalin’i Balama zanak’i Beora azy.+ Hatrany Sitima+ no namonjeko anao ka hatrany Gilgala,+ mba ho fantatra ny zavatra ara-drariny nataon’i Jehovah.”+  Inona no hoentiko manatona+ an’i Jehovah, sy miankohoka eo anatrehan’Andriamanitra izay any amin’ny avo?+ Hitondra fanatitra dorana manontolo ve aho rehefa manatona azy?+ Sa hitondra zanak’omby vao herintaona?  Ho tian’i Jehovah ve ny ondrilahy an’arivony, na ny menaka be dia be toy ny renirano an’aliny?+ Ny zanako lahimatoa ve no homeko noho ny fikomiako, sa ny naloaky ny kiboko no homeko noho ny fahotako?+  Ry zanak’olombelona, efa nolazainy taminao izay tsara.+ Ary inona moa no takin’i Jehovah aminao, afa-tsy ny hanao ny rariny+ sy ny ho tia hatsaram-panahy+ ary ny hanetry tena+ rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitrao?+  Tonga hatrany an-tanàna ny antson’i Jehovah,+ ka hatahotra ny anaranao ny olona manam-pahendrena.+ Henoy ny tsorakazo sy ilay nampihatra izany.+ 10  Mbola misy ao an-tranon’ny ratsy fanahy ve ny faharatsiana notehirizina,+ sy ny efaha nohakelezina ka voaozona? 11  Madio ve aho raha manana mizana mandainga sy kitapo misy vatomizana mamitaka?+ 12  Mahery setra be ny mpanankarenany, mandainga ny mponina ao aminy,+ ary feno fitaka ny lelan’izy ireo.+ 13  “Dia hokapohiko ianao ka hataoko lasa marary,+ ary ho lasa tsisy mponina ao aminao noho ny fahotanao.+ 14  Dia hihinana ianao nefa tsy ho voky, ary mbola ho noana ihany ianao.+ Hafindranao ny fanananao nefa tsy ho voatahirinao. Ary izay voatahirinao aza dia hatolotro ho an’ny sabatra.+ 15  Hamafy ianao nefa tsy hijinja. Hanitsakitsaka oliva ianao nefa tsy hihosotra menaka, ary hanao divay mamy nefa tsy hisotro divay.+ 16  Mitandrina ny lalàn’i Omry+ sy izay rehetra nataon’ny taranak’i Ahaba+ ianareo, sady manaraka ny toroheviny.+ Koa hataoko higagan’ny olona ianareo. Ary hataoko izay hahatonga ny olona hisioka haneso ny mponina ao.+ Ary hozakainareo ny latsa ataon’ny olona.”+

Fanamarihana