Mika 7:1-20

7  Idiran-doza aho ity+ fa nanjary toy ny olona noana tsy mahita voaloboka hohanina na aviavy ankafiziko,+ rehefa vita ny fiotazana voankazo masaka fahavaratra sy fiotazam-boaloboka!+  Ripaka tanteraka ny olona tsy mivadika ka tsy misy intsony eto an-tany, ary tsy misy olo-marina eo amin’ny olombelona.+ Miafina mba handatsa-dra izy rehetra.+ Ary samy mihaza ny rahalahiny izy ireo ka mamelatra fandrika harato eo anoloany.+  Vonona hanao ratsy ny tanany mba hanatontosana tsara an’izany.+ Mangata-javatra ny andriana, ny mpitsara koa mitsara mba hahazoana tambiny,+ ary ny lehibe milaza izay iriny ho azo.+ Dia miray tetika izy ireo.  Na ny tsara indrindra eo aminy aza dia toy ny voarointsilo, ary ny olo-marina indrindra dia ratsy noho ny fefy tsilo.+ Ho tonga anefa ilay andro nambaran’ny mpitilinao, eny, ilay andro hifantohana aminao.+ Koa ho very hevitra izy ireo.+  Aza mino izay lazain’ny namana, na matoky namana akaiky.+ Eritrereto tsara izay holazain’ny vavanao amin’ilay miondana eo an-tratranao.+  Fa ny zanakalahy dia manamavo ny rainy, ny zanakavavy manohitra ny reniny,+ ny vinantovavy manohitra ny rafozambaviny,+ ary ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony.+  Fa izaho kosa, dia i Jehovah no handrandraiko.+ Vonona hiandry an’ilay Andriamanitry ny famonjena ahy aho.+ Dia hihaino ahy ilay Andriamanitro.+  Aza mifaly noho izay manjo ahy, ry vehivavy fahavaloko,+ fa na lavo aza aho, dia tsy maintsy mbola hiarina,+ ary na mitoetra ao anaty haizina aza,+ dia ho mpanazava ahy i Jehovah.+  Koa satria efa nanota tamin’i Jehovah aho,+ dia hozakaiko ny fahatezerany mandra-pitsarany ahy sy hanomezany rariny ahy.+ Hoentiny ho eo amin’ny mazava aho, ka hijery ny fahamarinany.+ 10  Koa hahita izany rehetra izany ny fahavaloko, dia ho menatra tanteraka izy+ izay nilaza tamiko hoe: “Aiza koa izay Jehovah Andriamanitrao eo?”+ Hijery ny fahavaloko aho.+ Ho fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dalana izy.+ 11  Amin’ilay andro hanorenana ny mandanao vato, dia ho efa lavitra ny didy.+ 12  Amin’izany andro izany, dia ho avy eo aminao ny olona avy any Asyria sy avy any amin’ireo tanànan’i Ejipta, sy ny avy any Ejipta ka hatrany amin’ny Renirano,+ sy ny avy any amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina, ary ny avy any an-tendrombohitra ka hatrany an-tendrombohitra.+ 13  Dia ho lao ny tany, noho ny amin’ny mponina ao aminy sy noho izay nataon’izy ireo.+ 14  Ampiasao ny tehinao ka andraso ny ondry+ lovanao, dia ny olonao, izay mipetraka irery any an’ala, eo afovoan’ny saham-boankazo.+ Aoka izy hiraoka ahitra any Basana sy Gileada,+ toy ny taloha ela be.+ 15  “Hampiseho aminy zava-mahagaga aho, toy ny tamin’ny andro nivoahanao avy tany Ejipta.+ 16  Hahita izany ireo firenena ka ho menatra na dia eo aza ny heriny rehetra.+ Hitampim-bava tsy hiteny izy ireo,+ ary ho lasa marenina ny sofiny. 17  Hilelaka vovoka toy ny bibilava izy ireo,+ ary hipararetra hivoaka avy ao amin’ny manda fiarovana,+ toy ny biby mandady. Hanatona an’i Jehovah Andriamanitsika amin-kovitra izy, ary hatahotra azy.”+ 18  Iza no Andriamanitra tahaka anao,+ izay mamela fahadisoana sy mamela* ny heloky+ ny sisa amin’ny lovanao?+ Tsy ho tezitra mandrakizay izy, satria tia hatsaram-panahy feno fitiavana.+ 19  Hamindra fo+ amintsika indray izy, ary horeseny ny fahadisoantsika.+ Ary hatsipinao any amin’ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.+ 20  Hasehonao ny fahamarinana nasehonao tamin’i Jakoba, sy ny hatsaram-panahy feno fitiavana nasehonao tamin’i Abrahama, dia izay nianiananao tamin’ny razanay, hatramin’ny taloha ela be.+

Fanamarihana

A.b.t.: “lalovany fotsiny.”