Mpitoriteny 1:1-18

1  Ny tenin’ilay mpamory vahoaka,+ dia ilay zanak’i Davida, ilay mpanjaka eto Jerosalema.+  “Tena zava-poana!”,+ hoy ilay mpamory vahoaka, “tena zava-poana! Zava-poana ny zava-drehetra!”+  Inona no tombony azon’ny olona avy amin’ny asa+ mafy rehetra nisasarany etỳ ambanin’ny masoandro?+  Lasa ny taranaka iray,+ ary mandimby ny taranaka iray,+ fa ny tany kosa maharitra mandrakizay.+  Miposaka ny masoandro, ary milentika,+ sady maika erỳ ho any amin’ny fonenany, ka avy any indray no iposahany.+  Mianatsimo ny rivotra, ary mihodina mianavaratra.+ Mihodina izy, eny, mihodinkodina tsy misy farany,+ ary miverina mihodina indray.+  Mivarina any an-dranomasina+ ny renirano+ rehetra, nefa tsy tondraka ny ranomasina.+ Any amin’izay niavian’ny renirano ihany no iverenany, ary avy any indray izy no mikoriana.+  Mandreraka+ daholo ny zava-drehetra ary tsy ho voatanisa izany. Tsy mety leon’ny mijery ny maso,+ ary tsy mety afa-po koa ny sofina.+  Izay efa nitranga ihany no mbola hitranga,+ ary izay efa natao ihany no mbola hatao. Koa tsy misy zava-baovao etỳ ambanin’ny masoandro.+ 10  Misy afaka milaza ve hoe: “Jereo fa misy zava-baovao ity”? Tsy zava-baovao anefa izany fa efa nisy hatramin’ny fotoana tsy voafetra.+ Ary izay misy dia efa nisy talohantsika ihany.+ 11  Tsy tsaroana intsony ny olona efa taloha, ary tsy hotsaroana koa ireo mbola ho avy.+ Ary na ireo aza dia tsy hotsaroan’izay ho avy any aoriany koa.+ 12  Izaho mpamory vahoaka dia mpanjakan’ny Israely eto Jerosalema.+ 13  Niezaka tamin’ny foko manontolo aho mba hitady sy hikaroka fahendrena+ momba izay rehetra atao etỳ ambanin’ny lanitra, dia izay asa mampahory nomen’Andriamanitra hataon’ny zanak’olombelona.+ 14  Dia nodinihiko izay rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro,+ ka hitako fa ny zava-drehetra dia zava-poana sy toy ny misambo-drivotra fotsiny.+ 15  Izay mibilaka dia tsy azo ahitsy,+ ary izay tsy eo tsy azo isaina. 16  Hoy aho anakampo:+ “Nanjary nanam-pahendrena be aho, mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema,+ ary misy fahendrena sy fahalalana be koa ato am-poko.”+ 17  Ary niezaka tamin’ny foko manontolo aho mba hahalala ny atao hoe fahendrena sy ny atao hoe hadalana,+ ka dia fantatro tsara ny atao hoe fahadalana.+ Izany koa anefa dia toy ny misambo-drivotra fotsiny.+ 18  Fa rehefa be ny fahendrena dia be koa ny fahasosorana,+ hany ka mitombo ny fahorian’izay mitombo fahalalana.+

Fanamarihana