Mpitoriteny 10:1-20

10  Fatin-dalitra no mahamaimbo sy manimba ny menaky ny mpanamboatra menaka manitra.+ Toy izany koa fa hadalana kely dia manimba ny laza tsaran’izay malaza ho hendry sy be voninahitra.+  Ny fon’ny hendry dia eo ankavanany,+ fa ny fon’ny adala kosa eo ankaviany.+  Hita amin’izay rehetra ataon’ny adala+ fa tsy ampy saina* izy, ka toy ny milaza amin’ny rehetra izy hoe adala ny tenany.+  Raha misafoaka aminao ny mpitondra, dia aza miala eo amin’ny toeranao,+ fa misoroka fahotana lehibe ny fahatoniana.+  Misy zava-doza hitako etỳ ambanin’ny masoandro, anisan’izany ny fahadisoana+ ataon’izay manana fahefana.+  Nomena toerana ambony maro ny adala,+ fa ny mpanankarena kosa mitana toerana ambany hatrany.  Ny mpanompo indray no hitako mitaingin-tsoavaly, fa ny andriana kosa mandeha an-tongotra toy ny mpanompo.+  Izay mihady lavaka no ho latsaka ao,+ ary izay mandrava manda vato no hokaikerin’ny bibilava.+  Izay mamaky vato no haratra, ary mila mitandrina izay mikapa hazo.+ 10  Raha dombo ny famaky nefa tsy rangitina,+ dia ho be kokoa ny hery tsy maintsy ampiasaina. Koa misy tombony ny fahendrena rehefa ampiasaina araka ny tokony ho izy.+ 11  Raha misy olona mahay mibaiko bibilava nefa voakaikitra ihany satria mbola tsy nahavita nibaiko azy,+ dia tsy misy tombony ho azy izany fahaizany mampiasa ny lelany izany. 12  Ahazoana fankasitrahana ny teny aloaky ny vavan’ny hendry,+ fa ny molotry ny adala kosa hitera-pahavoazana ho an’ny tenany.+ 13  Hadalana no anombohany ny teniny,+ ary hadalana mampidi-doza koa no amaranany azy. 14  Be resaka loatra ny olona adala.+ Tsy misy olona mahalala ny hoavy. Koa iza no afaka milaza aminy izay ho avy any aoriany?+ 15  Ny asa mafy ataon’ny adala no mandreraka azy,+ satria tsy misy na iray aminy aza mahita ny lalana mankany an-tanàna.+ 16  Hanao ahoana ianao, ry tany, raha zaza+ no mpanjakanao ary ny andriananao tsy mitsaha-mihinana efa hatramin’ny maraina? 17  Sambatra ianao, ry tany, raha zanaky ny olona ambony ny mpanjakanao, ary ny andriananao misakafo amin’ny fotoana mety mba hahazoana hery, fa tsy misotro tafahoatra.+ 18  Ny fahalainana be no mampiletsy ny tafo, ary ny hakamoan’ny tanana no mampitete ny trano.+ 19  Mitondra fifaliana ho an’ny mpiasa ny sakafo ary maharavoravo ny divay,+ fa ny vola kosa no ahazoana ny zava-drehetra.+ 20  Aza manozona ny mpanjaka na dia ao amin’ny efitranonao aza,+ ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao amin’ny efitrano anatiny atorianao aza.+ Fa na ny voro-manidina eny amin’ny lanitra aza hitondra ny feo, ary izay manana elatra hanambara izany.+

Fanamarihana

A.b.t.: “tsy manana fo.”