Mpitoriteny 11:1-10

11  Alefaso eny ambony rano+ ny mofonao,+ fa ho hitanao indray izy rehefa afaka andro maro.+  Anomezo ho an’olona fito ny fanananao, eny, ho an’olona valo aza,+ fa tsy fantatrao izay loza hitranga eto an-tany.+  Rehefa vonton-drano ny rahona, dia mampirotsaka orana amin’ny tany.+ Ary raha mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo,+ dia eo amin’izay ianjerany ihany no hisy azy.  Izay mandinika ny rivotra dia tsy hamafy, ary izay mijery ny rahona, tsy hijinja.+  Toy ny tsy ahalalanao ny lalan’ny hery mamelona, izay ao amin’ny taolan’ny zaza ao an-kibon’ny vehivavy,+ no tsy ahafantaranao ny asan’Andriamanitra izay manao ny zava-drehetra.+  Mamafaza voa amin’ny maraina, ary aza atsahatra ny tananao mandra-paharivan’ny andro,+ satria tsy fantatrao izay ho vanona,+ na itsy na irỳ, na samy ho vanona izy roa.  Mahafinaritra ny hazavana, ary tsara ho an’ny maso ny mahita masoandro.+  Fa raha velona taona maro ny olona iray, dia aoka izy hifaly mandritra izany fotoana rehetra izany.+ Ary aoka hotsaroany ireo andro manjombona,+ na dia mety ho maro aza. Zava-poana mantsy ny andro tsirairay ho avy.+  Mifalia+ ry tanora dieny mbola tanora ianao, ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao, ka ataovy izay irin’ny fonao sy izay mahafinaritra ny masonao.+ Fantaro anefa fa hotsarain’Andriamanitra ianao amin’izany rehetra izany.+ 10  Koa arovy tsy ho azom-pahoriana ny fonao, ary ampanalaviro ny nofonao ny loza,+ fa zava-poana ny fotoana maha zatovo sy ny fahatanorana.+

Fanamarihana