Mpitoriteny 12:1-14

12  Tsarovy ilay Mpamorona+ Be Voninahitra nanao anao. Eny, tsarovy izy amin’ny andro fahatanoranao,+ dieny mbola tsy tonga ny andro mahory+ sy ireo taona izay hitenenanao hoe: “Tsy tiako izao mahazo ahy izao”,+  dieny mbola tsy maizina ny hazavan’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana,+ dieny mbola tsy tonga indray ny rahona ka hirotsaka ny orana.  Fa amin’izay dia hangovitra ireo mpiandry trano,+ hanjoko ireo lehilahy matanjaka,+ tsy hiasa intsony ireo vehivavy mpitoto,+ satria efa vitsy, ary ho maizina izay jeren’ireo vehivavy mitazana eo am-baravarankely,+  hikatona ireo varavarana mankeny an-dalana,+ ho iva ny feon’ny vato fikosoham-bary,+ ho tafafoha ilay olona raha vao maneno ny voronkely, ary ho iva ny feon’ny vehivavy mpihira rehetra.+  Lasa mampahatahotra azy ny toerana avo, ary misy zava-mampitebiteby azy eny an-dalana. Ary hamony ny hazo amandie,+ hananosarotra ny fandehan’ny valala, ho vaky felana ny kapra, satria mizotra mankany amin’ny trano+ hitoerany maharitra ny olona, ary ny mpitomany handehandeha eny an-dalana.+  Koa tsarovy ny Mpamorona anao, dieny mbola tsy tapaka ny tady volafotsy, ary mbola tsy potika ny vilia baolina volamena,+ ary mbola tsy vaky ny siny eny an-doharano, ary mbola tsy potika ny bolaky* eo amin’ny lavadrano.  Dia hiverina amin’ny tany toy ny teo aloha ny vovoka,+ fa ny hery mamelona*+ kosa hiverina amin’Andriamanitra+ izay nanome izany.+  “Tena zava-poana!”, hoy ilay mpamory vahoaka,+ “zava-poana ny zava-drehetra.”+  Hendry ilay mpamory vahoaka,+ ary tsy nitsahatra nampianatra olona hahazo fahalalana koa izy,+ sady nisaintsaina sy nanao fikarohana lalina,+ mba hahafahany handrindra ohabolana maro.+ 10  Niezaka nitady teny+ mahafinaritra ilay mpamory vahoaka, sady nanoratra tenim-pahamarinana tsy misy diso.+ 11  Tahaka ny hazo fanindronana omby ny tenin’ny hendry,+ ary toy ny fantsika milentika+ ireo revo manangona tenim-pahendrena. Avy tamin’ny mpiandry+ iray izy ireny. 12  Ankoatra izany, anaka, dia mitandrema fa tsy misy farany ny fanaovana boky maro, ka mandreraka ny tena ny fifantohana be amin’ireny.+ 13  Izao no famaranan-teny rehefa re izany rehetra izany: Matahora an’Andriamanitra+ ka tandremo ny didiny,+ fa izany no adidy tokony hataon’ny olombelona. 14  Fa hotsarain’Andriamanitra ny karazan’asa rehetra mbamin’ny zava-miafina rehetra, ka izy no hamaritra na tsara izany na ratsy.+

Fanamarihana

Kodiarana kely ihodinan’ny tady fisintonan-drano.
Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.