Mpitoriteny 3:1-22

3  Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy,+ eny, misy fotoanany daholo ny raharaha rehetra etỳ ambanin’ny lanitra:  Misy fotoana ahaterahana*+ ary misy fotoana ahafatesana,+ misy fotoana ambolena ary misy fotoana anongotana an’izay nambolena,+  misy fotoana amonoana+ ary misy fotoana anasitranana,+ misy fotoana andravana ary misy fotoana anorenana,+  misy fotoana itomaniana+ ary misy fotoana ihomehezana,+ misy fotoana idradradradrana+ ary misy fotoana itsinjahana,+  misy fotoana anariana vato+ ary misy fotoana anangonam-bato,+ misy fotoana amihinana+ ary misy fotoana ifadiana ny fifamihinana,+  misy fotoana itadiavana+ ary misy fotoana amoizana ny very, misy fotoana itehirizana ary misy fotoana anariana,+  misy fotoana androvitana+ ary misy fotoana anjairana,+ misy fotoana anginana+ ary misy fotoana itenenana,+  misy fotoana itiavana ary misy fotoana ankahalana,+ misy fotoana ho an’ny ady+ ary misy fotoana ho an’ny fihavanana.+  Inona no tombony azon’ny olona amin’izay asa mafy ataony?+ 10  Efa hitako ny asa nomen’Andriamanitra hataon’ny zanak’olombelona.+ 11  Tsara sy tamin’ny fotoanany avy no nanaovan’Andriamanitra ny zava-drehetra.+ Ary na ny fotoana tsy voafetra aza dia nataony tao am-pon’ny olombelona,+ mba tsy hahafantaran’izy ireo mihitsy ny asan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.+ 12  Fantatro ankehitriny fa tsy misy mahasoa azy ireo mihoatra noho ny mifaly sy manao izay tsara mandritra ny androm-piainany.+ 13  Ary fantatro koa fa tokony hihinana sy hisotro ary hifaly noho ny asa mafy nisasarany ny olona rehetra.+ Fanomezana avy amin’Andriamanitra izany.+ 14  Fantatro koa ankehitriny fa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny zava-drehetra nataon’Andriamanitra.+ Tsy misy anampiana na anesorana izany,+ fa Andriamanitra mihitsy no nanao izany+ mba hatahoran’ny olona azy.+ 15  Izay misy ankehitriny dia izay efa nisy taloha ihany. Ary izay mbola hitranga dia izay efa nitranga ihany.+ Andriamanitra+ mihitsy no mitady foana an’izay enjehina.+ 16  Izao koa no hitako etỳ ambanin’ny masoandro: Ao amin’izay tokony hisy ny rariny no misy faharatsiana, ary ao amin’izay tokony hisy ny fahamarinana no misy faharatsiana.+ 17  Dia hoy aho anakampo:+ “Samy hotsarain’Andriamanitra ny marina sy ny ratsy fanahy,+ satria misy fotoanany avy ny zava-drehetra sy ny asa rehetra.”+ 18  Ary niteny anakampo aho hoe hofantenan’Andriamanitra ny zanak’olombelona, ka ho fantatr’izy ireo fa toy ny biby ihany izy.+ 19  Fa manam-piafarana ny zanak’olombelona ary manam-piafarana koa ny biby, ary mitovy ihany ny iafaran’izy roa tonta.+ Fa toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa.+ Iray ihany ny hery mamelona* azy roa tonta,+ koa tsy misy maha ambony ny olona amin’ny biby, fa zava-poana ny zava-drehetra. 20  Samy mankany amin’ny toerana iray izy rehetra.+ Samy avy tamin’ny vovoka izy rehetra,+ ary hiverina ho vovoka indray izy rehetra.+ 21  Iza no mahalala na miakatra any ambony na tsia ny hery mamelona ny zanak’olombelona, ary na midina amin’ny tany na tsia ny hery mamelona ny biby?+ 22  Hitako fa tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mifaly amin’ny asany,+ fa izany no valisoany, satria iza moa no hitondra azy hijery an’izay zavatra ho avy any aoriany?+

Fanamarihana

Na: “fotoana iterahana.”
Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.