Mpitsara 1:1-36

1  Taorian’ny nahafatesan’i+ Josoa, dia nanontany+ an’i Jehovah ny zanak’Israely hoe: “Iza aminay no hiakatra voalohany hiady amin’ny Kananita?”  Dia hoy i Jehovah: “Ny fokon’i Joda no hiakatra,+ ary hatolotro eo an-tanany ilay tany.”  Koa hoy ny fokon’i Joda tamin’ny fokon’i Simeona rahalahiny: “Andao hiaraka ho any amin’ilay tany azonay tamin’ny antsapaka,+ mba hiady amin’ny Kananita. Dia mba hiaraka aminareo any amin’ny anjara taninareo+ koa izahay.” Koa niaraka taminy izy ireo.+  Ary niakatra ny fokon’i Joda, dia natolotr’i Jehovah teo an-tanany ny Kananita sy ny Perizita,+ ka lehilahy iray alina no resiny tao Bezeka.  Hitan’izy ireo tao Bezeka koa i Adoni-bezeka, ka notafihiny. Koa resin’izy ireo ny Kananita+ sy ny Perizita.+  Nandositra anefa i Adoni-bezeka, dia nenjehin’izy ireo ka azony ary notapahiny ny ankiben-tanany roa sy ny ankiben-tongony roa.  Dia hoy i Adoni-bezeka: “Mpanjaka fitopolo, izay notapahina ankiben-tanana sy ankiben-tongotra, no nitsindroka hanina tao ambany latabatro, ka ny nataoko ihany ity no avalin’Andriamanitra ahy.”+ Ary nentin’izy ireo tany Jerosalema+ izy, ka maty tany.  Ary niady tamin’i Jerosalema+ ny taranak’i Joda, ka azon’izy ireo ilay tanàna. Koa nasian’izy ireo tamin’ny lelan-tsabatra ny tao an-tanàna, fa ny tanàna kosa nodorany.  Dia nidina ny taranak’i Joda taorian’izay, mba hiady tamin’ny Kananita nonina tany amin’ny faritra be tendrombohitra, sy tany Negeba+ ary Sefela.+ 10  Ary nandeha niady tamin’ny Kananita nonina tany Hebrona+ ny fokon’i Joda. Nantsoina hoe Kiriata-arba+ i Hebrona talohan’izay. Dia novonoin’izy ireo i Sesay sy Ahimana ary Talmay.+ 11  Avy tany izy ireo dia nandeha niady tamin’ny mponin’i Debira.+ Kiriata-sefera+ no anaran’i Debira talohan’izay. 12  Dia hoy i Kaleba:+ “Izay mamely an’i Kiriata-sefera ka mahazo an’io tanàna io, dia homeko ho vadiny i Aksa+ zanako vavy.”+ 13  I Otniela,+ zanak’i Kenaza+ zandrin’i Kaleba,+ no nahazo an’ilay tanàna, ka nomen’i Kaleba azy i Aksa ho vadiny.+ 14  Rehefa nandeha ho any an-tranon’i Otniela i Aksa, dia nampirisihiny foana i Otniela hangataka saha tamin’i Kaleba rainy. Dia nitehaka teo ambony ampondrany i Aksa,+ ka hoy ny rainy: “Inona no ilainao?” 15  Dia hoy i Aksa: “Mba omeo tsodrano+ aho, fa sombin-tany any atsimo no nomenao ahy, ka mba omeo ahy koa i Golota-maima.” Dia nomen’i Kaleba azy i Golota Ambony+ sy Golota Ambany. 16  Nankany an-tany efitr’i Joda, tany atsimon’i Arada,+ ny taranak’i Joda. Ary niara-niakatra tamin’izy ireo, avy tany amin’ny tanàna be hazo palmie,+ ny taranak’ilay Kenita+ rafozandahin’i Mosesy,+ ka nandeha nanorim-ponenana teo amin’ny vahoaka.+ 17  Niara-nandeha tamin’ny fokon’i Joda ny fokon’i Simeona rahalahiny, mba hamely ny Kananita nonina tany Zefata. Dia naringany tanteraka+ ilay tanàna, ka nantsoina hoe Horma.*+ 18  Azon’ny fokon’i Joda koa i Gaza+ mbamin’ny faritaniny, sy Askelona+ mbamin’ny faritaniny, ary Ekrona+ mbamin’ny faritaniny. 19  Ary nomba ny fokon’i Joda foana i Jehovah, hany ka azon’izy ireo ny faritra be tendrombohitra. Tsy voaroakany anefa ny mponina teny amin’ny lemaka iva, satria nanana kalesin’ady+ nisy lelan’antsy.+ 20  Nomena an’i Kaleba i Hebrona, araka izay nampanantenain’i Mosesy,+ ka noroahiny hiala tao ny zanak’i Anàka telo lahy.+ 21  Ary tsy noroahin’ny taranak’i Benjamina ny Jebosita nonina tao Jerosalema,+ fa mbola miara-monina amin’izy ireo ao ihany mandraka androany.+ 22  Nandritra izany fotoana izany, dia niakatra hiady tamin’i Betela+ ny taranak’i Josefa,+ ary nomba azy ireo i Jehovah.+ 23  Dia nijery taratra+ an’i Betela ny taranak’i Josefa. Lozy+ no anaran’i Betela talohan’izay. 24  Ary nahita lehilahy iray nivoaka avy ao an-tanàna ireo mpitily, ka niteny hoe: “Mba atoroy anay, azafady, ny fidirana mankao an-tanàna, dia haneho hatsaram-panahy aminao izahay.”+ 25  Dia natorony azy ireo ilay fidirana. Koa nasian’izy ireo tamin’ny lelan-tsabatra+ ny tao an-tanàna, fa ralehilahy sy ny fianakaviany manontolo kosa navelany handeha.+ 26  Dia nankany amin’ny tanin’ny Hetita+ ralehilahy, ka nanorina tanàna izay nantsoiny hoe Lozy, ary mbola izany no anaran’ilay tanàna mandraka androany. 27  Ary tsy vitan’ny fokon’i Manase+ ny naka an’i Beti-sana+ sy ny tanàna niankina taminy; Tanaka+ sy ny tanàna niankina taminy; ny mponina tao Dora+ sy ny tanàna niankina taminy; ny mponina tao Ibleama+ sy ny tanàna niankina taminy; ary ny mponina tao Megido+ sy ny tanàna niankina taminy. Fa ny Kananita kosa mbola nikiry nonina tao amin’izany tany izany ihany.+ 28  Nihanahery ny Israely,+ ka nampanaoviny asa an-terivozona ny Kananita.+ Ary tsy nandroaka azy rehetra izy.+ 29  Tsy nandroaka an’ireo Kananita nonina tao Gazera koa ny fokon’i Efraima, ka mbola niara-nonina taminy tao Gazera ireny.+ 30  Tsy nandroaka an’ireo mponin’i Kitrona sy ny mponin’i Nahalola+ ny fokon’i Zebolona.+ Koa mbola niara-nonina tamin’izy ireo ny Kananita,+ ka nampanaoviny asa an-terivozona.+ 31  Tsy noroahin’ny fokon’i Asera+ koa ny mponin’i Ako sy ny mponin’i Sidona+ sy Alaba sy Akziba+ sy Helba sy Afika+ ary Rehoba.+ 32  Ary ny Aserita dia mbola niara-nonina tamin’ny Kananita nipetraka tao amin’ilay tany, satria tsy noroahiny ireny.+ 33  Tsy nandroaka an’ireo mponin’i Beti-semesy sy Beti-anata+ ny fokon’i Naftaly,+ fa mbola niara-nonina tamin’ny Kananita nipetraka teo amin’ilay tany ihany izy ireo.+ Ary lasa mpanompon’ny fokon’i Naftaly ny mponin’i Beti-semesy sy Beti-anata, ka nampanaoviny asa an-terivozona.+ 34  Ary notoherin’ny Amorita ny taranak’i Dana+ ka voatery nankany amin’ny faritra be tendrombohitra, fa tsy navelany hidina ho eny amin’ny lemaka iva.+ 35  Koa nikiry nonina tao an-tendrombohitra Heresa sy tany Aialona+ ary Salbima,+ ny Amorita. Fa nihanahery kosa ny taranak’i Josefa, ka noterena hiasa mafy ny Amorita.+ 36  Ary ny faritanin’ny Amorita dia nanomboka teo amin’ny fiakarana Akrabima,+ sy avy tao Sela no ho miakatra.

Fanamarihana

Midika hoe “Atokana Haringana.”